Toko voalohany

1 Gny fahitan'i Obadia. Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh mahakasiky an'i Edoma: Fa nahare tatisy boaky tamin'i yaveh vo gny masoivoho za nalefa ho eo amin'ireo firene zahay, nanao ho: " Misangana! aoky sika hisanga so hialy hanohisy anazy!" 2 Ingo, hahiko leliky eo amin'ireo firene hanao, ho ahy sihosino tateraky hanao. 3 Namitaky aniha gny fireharehan'gny foniha, hanao ze mitoboky egny an-sefasefaky gny vato, amin'gny fasangeniha abo; ze manao am-po ho: "Iza gny hapizoso anahy ho agny amin'gny tany?" 4 Ndre dra mitily abo manahaky gny voromahery vo naory teo amin'ireo vasia aza gny akaniniha, dra hapizoso aniha lat'egny Zaho, ho Yaveh. 5 No avy ao aminiha gny pangalasy, no avy hariva gny malaso (akory gny faharavaniha!), sa ra sy ze sahaza anazy avo gny angalariny? No avy tao aminha gny pioty voaloboky, sara sy engany eo reo niraraky? 6 Endrey gny fitaliava an'i Esao, vo gny fitaliava reo hare mivony! 7 Reo lelahy aby nifagnaraky taminiha dra handefa aniha amin'gny lalaniha magnagny anin'gny sisin-tany. Reo lelahy nihava taminiha dra nal=mitaky aniha, sady nandresy aniha. Reo ze mihina gny mofoniha dra fa nametraky fandriky teo ambaniniha. Sy misy fahazavan-say ao aminazy. 8 " Sa ra sy amin'izeho andro zeho zaho" ho i Yaveh, "gny hamotiky reo lelahy hendry lat'agny Edoma vo mazava say ao an-tendrombohis'i Esao? 9 Ho reki-tahosy reo lelahy maheriniha, ry Temana, dra ho ripaky amin'gny alalan'gny famonoa lat'agny an-tendrombohis'i Esao gny lelahy aby. 10 Nohon'gny herisetry nahy tamin'i Jakoba rahalahiniha, dra ho rakosy hegnasy hanao, sady ho ripaky mandrakizay. 11 Tamin'gny andro namisahaniha, tamin'gny andro nandesan'ireo vahiny gny fanagnany, vo gny niliran'ireo hafa firene gny vavahadiny, vo gny nanaovany loka an'i Jerosalema, dra manahaky gny raiky tamin'ereo hanao. 12 Fa ka mifaly amin'gny andron'gny rahalahiniha, amin'gny andron'gny fahavoazany, sady ha mifaly eo amin'ireo vahoakin'i Joda amin'gny andro handripaha anazy; ka mirehareha amin'gny andro maha-ory andreo. 13 Ka milisy gny vavahadin'gny vahoakiko amin'gny androm-pahavoazan'ereo, ka mifaly amin'gny fahoriany amin'gny andro hahitany loza, ka mandroba gny fanagnan'ereo amin'gny andro maharava anazy. 14 Ka misanga eo an-sapagnan-dala, so handripaha reo pilefa sady ka magnome gny sisa sy matiny amin'gny andro maha-ory. 15 Fa marin'gny firenen'aby gny andron'i YAveh. Manahaky gny nahiniha, gny mbo hahy aminiha; hisingery ao an-dohaniha gny raha vitaniha. 16 Fa manahaky gny fa ninominiha tao an-tendrombohisiko masy, gny hinomin'ireo firenen'aby sy an-kizano. Hino vo hitely ereo, sady hanahaky gny sy nisy ereo. 17 Fa agny an-tendrombohisy Ziona gny hisy reo ze tafisoaky dra ho masy zay; vo gny taranak'i Jakoba hahazo gny fanagnany manoka. 18 Gny taranak'i Jakoba dra ho afo, vo gny taranak'i Josefa ho lelan'afo, vo gny taranak'i Esao ho mololo, dra hagnoro anazy ereo zay, ka handevo andreo. Sy hisy velo gny taranak'i Esao, akory zay gny zakan'i Yaveh. 19 Reo ze lat'amin'i Negeva dra hana gny tendrombohis'i Esao vo reo ze lat'agny Sefela hana gny tanin'ireo Filistina. HAna gny tanin'i Efraima vo gny tanin'i Semaria ereo; vo Benjamina hana an'i Gileada. 20 Reo sesitanin'gny zanak'Israely maro dra hana gny tany Kanana ka hatragny Zarefata. Reo sesitanin'i Jerosalema, ze agny sefarada dra hana gny tanan'i Negeva. 21 Reo pamonzy dra hiakasy agny an-tendrombohisy Ziona dra hanapaky manera gny tany habon'i Esao, vo gny fanzaka dra an'i Yaveh.