Toko faha 3

1 Dra nisanga nindray tamin'ireo pisoro rahalahiny i Eliasiba pisorombe, dra nagnamboasy gny Vavahadin'Agnondry ereo. Natokan'ereo zeho dra natobokiny tamin'gny toerany gny vatrangarany. Natokan'ereo hatragny amin'gny Tilikambon'gny Zato lahy dra hatragny amin'gny Tilikambon'i Hananela zeho. 2 Tafarany gny niasa gny olon'i Jeriko, dra niasa tafaran'ereo i Zakora zanadahin'i Imry. 3 Namboarin'ireo zanadahin'i Hasena gny Vavahadin'gny hazandrano. Nanao andry ho an'izeho ereo, dra nametraky gny vatragnarany, gny hiliny, vo gny barany. 4 Vo Meremota gny nagnamboasy gny farisy nagnaraky anizeho. Izy dra zanadahin'i Oria zanadahin'i Hakoza. Tafaran'ereo gny nagnamboasy i Mesolama. Izy dra zanadahin'i Berekia zanadahin'i Mesezabela. 5 Tafarn'ereo gny nagnamboasy i Zadoka. Izy dra zanadahin'i Bana. Tafaran'ereo gny Tekoita gny nagnamboasy, fa sy nagneky hanap gny asa napanovin'gny pagnara-maso anazy gny pitarik'ereo. 6 joiada zanadahin'i Pasa vo Mesolama zanadahin'i Besodia gny nagnamboasy gny Vavahady Taloha. Nanao andry ho an'izeho ereo, dra nametraky gny vatrangarany, gny hiliny, vo gny barany. 7 Tafaran'ereo i Melatia Gibeoonita vo jadona Meronotita, ze olon'i Gibeona vo Mizpa gny nanao fagnamboara teo amin'gny farisy nitobohan'gny governoran'gny Faritany Tandrifin'gny Ony. 8 Oziela zanadahin'i haraia gny teo agnilany, raiky amin'ireo panefy volamena, gny nagnamboasy, vo teo agnilany i Hanania, ze panao ranomagnisy. Naherin'ereo namboary i Jerosalema hatragny amin'gny Rindry lahibe. 9 Marin'ereo teo i refaia zanadahin'i Hora gny nagnamboasy. Izy gny panapaky gny ansasaky gny distrikan'i Jerosalema. 10 Tafaran'ereo dra Jedaia zanadahin'i Haromafa gny nagnamboasy gny teo agnilan'gny tragnony. Tafarany dra Hatosy zanadahin'i Hasabnia gny nagnamboasy. 11 Malkia zanadahin'i harima vo Hsoba zanadahin'i Pahatamoaba dra nagnamboasy farisy hafa magnaraky gny Tilikambon'gny Fatana. 12 Tafaran'ereo dra i Saloma zanadahin'i Halohesy, ze panapaky gny ansasaku gny distrikan'i Jerosalema, dra nagnamboasy, nindray tamin'ireo zanany apela. 13 Hanona vo reo ponin'i Ziona dra nagnamboasy gny Vavahadin'gny Lohasaha. Naherin'ereo naory zeho sady napetreny gny vatrangarany, gny hiliny, vo gny barany. Nagnamboasy mira arivo hakiho hatragny amin'gny Vavahadin-zeziky ereo. 14 Malkia zanadahin'i Rekaba, panapaky gny distrikin'i Beti-Hakerema, gny nagnamboasy gny Vavahadin-Zeziky. Izy gny nagnamboasy anizeho, dra nametraky gny vatrangarany, gny hiliny, vo gny barany. 15 Saloma zanadahin'i Kola-Hoze, panapaky gny distrikin'i Mizpa, gny napihery nagamboasy anizeho, dra nandrakosy anizeho vo nametraky gny vatrangarany, gny hiliny, vo gny barany. Izy avo koa gny napihery nagnamboasy gny fefin'gny Farihin'o Siloa ze teo marin'gny zaridain'gny pazaka, hatragny amin'gny tohasy mizoso magnagny amin'gny tanan'i Davida. 16 Nehemia zanadahin'i Azboka, panapaky gny ansasaky gny distrikin'i Beti-Zora, dra nagnamboasy teo amin'gny toera mandalo eo amin'gny fasan'i Davida, hatragny amin'gny farihy nahin'olombelo, dra hatragny amin'gny tragnon'ireo olo mahery. 17 Tafarany dra Levita gny nagnamboasy, ao agnatin'izeho i Rehoma zanadahin'i Bany, dra nagnaraky anazy, Hasabia, gny panapaky gny ansasaky gny distrikin'i Keila, ho an'gny distrikiny. 18 Nagnamboasy teo agnilany gny ponin'ereo, tao agnatin'izeho i Bavay zanadahin'i Henadada, panapaky gny ansasaky gny distrikin'i Keila. 19 Tafarany, dra Ezera zanadahin'i Jesoa, panapaky tao Mizpa, gny nagnamboasy farisy hafa nagnoloa gny fiakara magnagny amin'gny tragno fitahiriza fitovam-pialia teo an-zoron'gny fefy. 20 Teo agnilany dra nanolo-bata nagnamboasy farisy hafa i Baroka zanadahin'i Zabay, boaky eo amin'gny zoron-drindry hatragny amin'gny vatrangaran'i Eliasiba pisoronabe. 21 Nagnamboasy farisy hafa marininy teo i Meremota zanadahin'i Oria zanak'i Hakoza, boaky eo amin'gny vatrangaran-tragnon'i Eliasiba dra hatragny amin'gny faran'gny tragnon'i Eliasiba. 22 Tafarany dra reo pisoro,lelahy boaky amin'gny farisy magnodidy an'i Jerosalema, gny nagnamboasy. 23 Tafaran'ereo dra Benjamina vo Hasoba gny nagnamboasy nanandrify gny tragnon'ereo manoka. 24 Tafarany i Binoy zanadahin'i Henadada dra nagnamboasy farisy hafa, boaky eo amin'gny tragnon'i Azaria hatragny amin'gny zoron'gny fefy. 25 Palala zanadahin'i Ozay dra nagnamboasy gny magnoloa gny zoron'gny fefy vo gny tilikambo ze mitohy miakasy boaky eo amin'gny tragno abon'gny pazaka eo amin'gny tokotanin'gny piamby. Pedaia zanadahin'i Parosy gny nagnamboasy teo agnilany. 26 Vo reo panopon'gny tepoky nitoboky tao Ofela dra nagnamboasy hatreo amin'gny tandrifin'gny Vavahadin-dRano asimon'gny tilikambo lahibe. 27 Nagnaraky anazy dra nagnamboasy farisy hafa gny Tekoita ze tandrifin'gny tilikambo lahibe hatragny amin'gny fefin'i Ofela. 28 Reo pisoro dra nagnamboasy gny teo ambonin'gny Vavahadin-sovaly, ze tandrifin'gny tragnon'gny kiraikiraiky. 29 Nagnamboasy gny farisy hafa tandrifin'gny tragnony teo agnilan'ereo i Zadoka zanadahin'Imera. Dra nagnamboasy teo agnilany i Semaia zanadahin' Skania, piamby vavahady asinagna. 30 Nagnamboasy farisy hafa teo agnilany i Hanania zanadahin'i Selemia, vo Hanona gny zanadahy fahaenin'i Zalafa. Nagnaraky anazy i Mesolama zanadahin'i Berekia ze nagnamboasy gny tandrifin'gny efitragnony. 31 Teo agnilany i Malkia,raiky amin'ireo panefy volamena, ze nagnamboasy gny fasangen'gny panopo an-tepoly vo reo pivarosy ze tandrifin'gny Vavahady Fanendre vo gny efitragno ambony teo an-zorony. 32 Reo panefy volamena vo reo pivarosy dra nagnambosy gny teo agnelagnelan'gny efitragno ambony teo an-zorony vo gny Vavahadin'Agnondry.