Toko voalohany

1 Gny zakan'i Nehemia zanah'i Hakalia: tamin'gny vola Kisleo, tamin'gny tao fahapolo, no bo tao amin'gny feroa fatrasin'i Sosa zaho, 2 dra nisy raiky tamin'ireo rahalahiko, i Hanany, gny avy nindray tamina olo maromaro boaky agny Joda, dra nagnotany andreo mahakasiky reo Jiosy ze tafilefa, vo reo Jiosy sisa tavela tagny, vo mahakasiky an'i Jerosalema zaho. 3 Ho ereo taminahy ho: "Reo ze tafaboaky velo tamin'gny fahababoa agny amin'gny faritany dra agnaty fangorohoroa vo fahafaham-baraka lahibe akory vaky niroda gny fefin'i Jerosalema, sady voaoro tamin'gny afo gny vavahadiny." 4 Vantany vo nahare reo zaka reo zaho, dra nitoboky dra nitomagny , dra nalahelo vo nifady hany sady nivavaky tamin'gny Zagnahary gny lagnisy hatragny zaho nandrisy gny andro maro. 5 Dra ho zaho ho: "Hanao gny Yaveh, Zagnahary gny lagnisy, gny Zagnahary lahibe sady mahalasa, ze nita gny faneke vo mita gny fitiava ho an'ireo ze tia Anazy sady mitandry reo liliny. 6 Tenoy gny fivavahako dra sokafy gny masoniha, so haharezaniha gny vavaky gny panoponiha ze hivavahako eo agnatrehaniha andro aman'aly ho an'gny vahoakin'Israely panoponiha amizao. Mieky gny fahotan'gny vahoakin'Israely, ze nanotanay taminiha zaho. Zaho vo gny hasaveregnan-drako dra samby nanota. 7 Nanao ze vatany rasy taminiha zahay, dra sy nitandry reo lily, reo lalagna,vo reo fisipiku ze nandilianiha an'i Mosesy panoponiha. 8 Bo sarovy ra gny zaka ze nandilianiha an'i Mosesy panoponiha ho: "No sy mahatoky handrareo, dra ho aparitako egny amin'ireo firene, 9 fa no mihery aminahy handrareo sady magnaraky gny liliko dra manao anizeho, ndre dra niely tany ambanin'gny lagnisy indrindra aza gny vahoakiko, dra hamory andreo boaky agny Zaho dra handay andreo agny amin'gny toera ze nofiliko hapitoboha gny agnarako. 10 Vo gny panoponiha vo oloniha ereo, ze navotaniha tamin'gny heriniha lahibe vo gny tagnaniha mahery. 11 Yaveh o, Mitalaho aminiha zaho, tenoy ra gny vavaky gny panoponiha ze magnaza gny agnaraniha fatrasy. Dra ambigno gny panoponiha androany, dra hiantrao eo amason'iho lelahy iho izy." Fa nanopo ho panday kapoaky teo amin'gny pazaka zaho.