Toko voalohany

1 Gny fagnambara mahakasiky an'i Ninive. Gny bokin'gny fahitan'i Nahoma, gny Elkosita. 2 Zagnahary saro-piaro sady mamaly faty YAveh. Mamaly faty sady feno hahoria Yaveh. Mamaly rasy amin'ireo pifagnandry aminazy Yaveh, sady manohy gny hahoriany ho an'gny fahavalony Izy. 3 MAhari-po sady lahibe amin'gny heriny Yaveh; sy hagnambara reo fahavalony ho sy manan-signy velively Izy. Hanao gny lalany amin'gny tafio-drifosy Yaveh, vo gny raho gny botany gny tombony. 4 Mizaka fatrasy gny ranomasy Izy dra magnamaiky anizay; mandrisy gny renirano aby Izy. Ketraky i Basana, dra i Karmela avo koa; malazo reo vonikazon'i Libanona. 5 Mihovisy amin'gny fagnatrehany reo tendrombohidy, vo mietry reo havoa; miroda amin'gny fagnatrehany gny tany, eka vatany, gny tany vo ze olo aby mitoboky aminazy ao. 6 Ia gny hahazoro eo agnatrehan'gny hahoriany? Ia gny hahatohisy gny firehetan'gny hahoriany? Miraraky manahaky gny afo gny hahoriany, nivakivakiny reo vatolapy. 7 Soa Yaveh, ferova fatrasy amin'gny andro fahoria; sady mahatoky amin'ize mialoky aminazy Izy. 8 Fa hanapisy tateraky reo fahavalony amin'gny tondra-drano manafosy koa Izy; hagnitriky andreo agny amin'gny hezy Izy. 9 Mitetiky ino anohera an'i Yaveh handrareo ry vahoaky? Hamara tateraky anizay Izy; sy hisondrosy fagnindrony gny fahoria. 10 Fa ho reki-tahosy manahaky gny kirihisy silo; ho safosy gny raha finomy; ho levon'gny afo tateraky manahaky gny mololo maiky ereo. 11 Nisandrasy tao aminiha, ry Ninive, gny olo ze nikasa raha rasy hagnohera an'i Yaveh, dra olo ze nandrisiky faharasia. 12 Zao gny zakan'i Yaveh: " Ndre dra ao amin'gny tazakiny tateraky vo maro isa aza ereo, dra ho ripaky ereo; sy hisy olo sasy. Fa hanao, ry Joda: Ndre dra napahory aniha aza Zaho, dra sy hapahory aniha sasy Zaho. 13 Dra hanapaky gny ziogan'ireo olo ao aminiha Zaho; hanapaky reo fatosiniha Zaho." 14 Fa nagnome beko mahakasiky aniha Yaveh, ry Ninive: " Sy hisy sasy gny taranaky handay gny agnaraniha. Hagnombosy reo sari-draha voasokisy vo reo sarin-draha an-idina amin'ireo fasangen'ireo zagnahariniha Zaho. Hialy reo fanasaniha Zaho, akory sinosino hanao." 15 Ingo, egny an-tendrombohisy gny tomboky gny olo ze manday vaovao mahafaly, zay magnambara fiadagna! Akalazao reo firavoravoandrareo, ry Joda, dra efao reo voadindrareo, fa sy holefa andrareo sasy gny rasy fagnahy; ripaky tateraky izy.