Toko faha 3

1 Hoy zaho: "Mitenoa amizao, handrareo ry pitarik'i Jakoba vo panapaky gny tarana'Israely: Moa ra sy mety amindrareo gny mahatakasy gny fahamarigna? 2 Handrareo ze malaiky gny soa vo tia gny rasy, handrareo ze mandrava gny holis'ereo, gny nofon'ereo aminigny tolany__ 3 hanao ze mihina gny nofonigny oloko avo koa, dra mandrava gny holiny, manapaky gny tolany, dra mamakivaky anereo, manahaky gny hena atao ao ambilagny, manahaky gny hena atao ao aminigny fahandroa-kena. 4 Dra hitoka fatrasy an'i Yaveh handrareo panapaky, nefa sy hamaly andrareo Izy. Hagnavony gny tarehiny amindrareo Izy amizay fotoa zay, akory fa nanao asa rasy handrareo." 5 Zao gny zakan'i Yaveh momba ireo paminany ze napirenireny gny oloko: "Ho anize namahan'anereo dra hizaka ereo ho: 'Hisy fagnambina.' Fa ho anize sy nagnisy na ino na ino ao am-bavany, dra hanomboky hialy aminazy ereo. 6 Noho zay, dra hariva ho andrareo zay dra sy hisy fahita ho andrareo; ho mezy zay ba sy hanovandrareo sikily. Hiletiky amireo paminany gny masoandro, dra ho mezin'amin'ereo gny andro. 7 Ho megnary reo pahita, dra ho very hevisy reo pisikily. Hagnapia gny molony izy aby, akory sy misy valiny boak'aminahy atiky." 8 Fa raha gny aminahy, dra feno hery noho gny Fagnahin'i Yaveh zaho, sady feno fahamarigna vo fahereza, ba hitalily amin'i Jakoba gny helony, vo amin'Israely gny fahotany. 9 Mitenoa izao, handrareo pitariky gny taranak'i Jakoba, vo panapaky gny taranak'Israely, handrareo ze malaiky fahamarigna, vo magnody gny raha marin'aby. 10 Manangana an'i Ziona aminigny lio vo Jerosalema ami-pahota handrareo. 11 Misara noho gny kolikoly reo pisarandrareo, mapianasy noho gny tamby reo pisorondrareo, dra maminany noho gny vola reo paminanindrareo. Nefa handrareo miakin'amin'i Yaveh dra manao ho: "Moa sy momba asika ra Yaveh? Ko dra sy hisy rasy hahazo asika." 12 Noho zay, noho hanao, dra hasay manahaky gny saka i Ziona, ho korotam-bato i Jerosalema, dra hanahaky gny havoa rakos'ala gny havoanigny tepoly.