Toko faha 26

1 ''Ao iandrareo sy hanao reo sampy, na hananga sari-zaza voasokisy na sangam-bato masy, dra ao iandrareo sy hametraky sary vato voasokisy ao amy tanindrareo zay hiankohofandrareo, fa Zaho gny Yaveh Zagnahandreo. 2 Ao hitandry reo Sabatako vo hagnome voninahisy gny fitoerako vo hagnome voninahisy gny fitoerajo masy iandrareo.Zaho gny Yaveh. 3 Raha magnaraky reo lalako vo mitandry reo didiko dra mankato anizay iandrareo, 4 dra hagnome ora andrareo amy vanim-potoany zaho;hagnome gny vokany gny tany, dra reo hazony saha hamokasy reo tegnany. 5 Dra gny fivelesam-bary dra hitohy amy fotoany fitotazam-boloboky, dra hihitasy hatramy fotoam-pambolea gny voka-bolobokuy.Hihina gny mofondrareo mandra-pahavoky iandrareo dra hiay am-pilamila agny amin'izay nataondrareo fonena ao amy tany. 6 hagnome fiadana ao amy tany zaho;handry miaraky amy raha sy hampahosy andrareo.Hamongosy rewo biby mandoza amy tany zaho, dra sy handalo amy tanindrareo gny sabasy. 7 Hagnendriky reo fahavalondrareo iandrareo, ka ho lavo anoloandrareo amy alalany sabasy izy reo. 8 Dimy amindrareo hagnendriky zato, dra zato amindrareo hagnendriky ray aly;ho lavo eo anoloandrareo amy alalany sabasy reo fahavalondrareo. 9 Hagnety andrareo amim-pakasitraha zaho dra hampamokasy vo hampitombo isa andrareo;hametraky gny fanekeko amindrareo zaho. 10 Hihina reo hany voatahiry amy fotoa maharisy iandrareo. Sy maisy hamoaky reo sakafo voatahiry iandrareo satria hotaliavindrareo ho agny vokasy vaovao gny efisy. 11 Hametraky gny tabernakeliko eo amindrareo zaho, dra sy tia andrareo zaho. 12 Handeha eo amindrareo zaho dra ho Zagnaharindreo, dra iandrareo ho oloko. 13 Zaho gny Yaveh Zagnaharindreo zay ninday andrareo niboaky gny tany Egypta, ba sy ho andevon'ereo inadrareo, nanapaky gny hiliny ziogandrareo zaho dra nampandeha andrareo mihisy. 14 Fa raha sy hiteno anahy iandrareo, dra sy hankato reo didiko aby, 15 dra raha manda reo didiko vo mankahala reo lalako, dra sy mankato reo didiko aby iandrareo, fa hivaliandrareo gny fanekeko- 16- raha manao reo raha reo iandrareo, dra hanao anizao amindrareo zaho: Hampisy horohoro amindrareo zaho, arety vo tazo zay hanola gny maso vo hanola gny aindrareo, satria reo fahavalondrareo gny hihina gny vokany. 17 Hanandry gny tavako hanohisy andrareo zaho, dra hazakan'ereo fahavalondrareo tateraky iandrareo.Hanapaky anao reo lelahy zay sy tia anao, dra handososy ianao, na dra sy misy na raiky avo magnendriky anao. 18 Raha sy miteno reo didiko iandrareo, dra hagnafay am-pahasiahy andrareo im-pito noho gny fahotandrareo Zaho. 19 Handrava gny avognavondrareo agnatiny herindrareo zaho.Hanao gny lagnisy eo ambonindrareo ho manahaky gny vy Zaho dra gny tanindrareo manahaky gny vahira. 20 Hampiasa amy raha fahatany gny tazakindrareo,. satria sy hamokasy gny vokany gny tanindrareo, dra reo hazo ao amy tany dra sy hamokasy reo tegnany. 21 Raha mandeha manohisy Anahy iandrareo dra sy hiteno anahy, hinday fameleza impito avo heny eo amindrareo Zaho, araky gny fahotandrareo. 22 Handefa reo biby mandoza hanohisy andrareo Zaho, zay hangalasy reo zanakindreo, handrava gny biby fitezandreo, dra hahakeliky isa andrareo.Ka ho avy ngaza gny lalandrareo. 23 Na dra eo avo zay raha zay ka bo sy magneky gny fagnisiako avo iandrareo dra mandeha manohisy Anahy avo, 24 dra handeha hanohisy andrareo avo koa zaho, dra Zaho mihisy gny hagnafay andrareo impito noho reo fahotandrareo. 25 Hinday sabasy eo amindrereo zaha izay hagnatateraky gny famalia nohon'ny fivalihany tamigny fagneke. Hangonina miaraky ao an-tana ereo handrareo, dra handefa arety eo amindrareo agny zaho, dra hatolosy ho eo an-tanan'ereo fahavalondrareo ereo. 26 Raha hotapahiko gny sakafo vasiadrareo, dra ampela folo dra hahavita hagnendy gny mofodrareo agnaty lafaoro raiky dra hizara gny mofondrareo ara-daza izy ereo. Hihina hadrareo fa sy ho afa-po. 27 Raha sy miteno anahy iandrareo na dra eo avo reo raha reo, fa bo mandeha manohisy anahy hatragny, 28 dra handeha hanohisy andrareo amim-pahahoria hatragny zaho, dra hagnafay andrareo impito avo heny mihiasy noho fahotandrareo. 29 Hihina gny nofon'ereo zanakindrareo lahy iandrareo;hihina gny nofon'ereo zanakapelany iandrareo. 30 Handrava reo fitoerandrareo abo zaho, hanapaky reo alitara gny litin-kazo magnisy, dra hagnary gny fatindrareo eo agnabony fatin'ereo sampindrareo, dra Zaho mihisy gny sy tia andrareo. 31 Hamaliky reo tanandrareo ho faharavandrareo Zaho dra handrava reo fitoerandrareo masy.Sy ho faly amy hagnisin'ereo fagnatisindreo zaho. 32 Handrava gny tanindrareo Zaho.Reo fahavalondrareo zay hony agny dra ho talazona manera reo firenena Zaho, dra hagnasoaky gny sabatro vo hagnaraky andrareo Zaho.Angao gny tanindrareo, dra ho rava reo tanandrareo. 34 Dra hitia gny Sabatany gny tany mandrisy gny handriany ho lao dra ho ao amy taniny fahavakondrareo ndrareo.Mandrisin'izay Sabatany. 35 Raha bo handry ho lao zay , dra hana fisahara, zay ho fisahara sy azony tamy Sabatandrareo, fa gny mony tao iandrareo. 36 Dra gny amy sasany amindrareo zay nanga agny amy tanin'ereo fahavalondreo, dra handefa tahosy smy fondrareo Zaho ka na dra raviny mihisany sioky avo dra hampiriasy andrareo, dra handososy manahaky gny ho nipotahany amy sabasy iandrareo.Holavo ianao, na dra sy misy na iza na iza magnendriky aza. 37 Ho tafitohy eo amy kirairaiky manahaky gny hoe milimesa-sabasy iandrareo, na dra sy misy na iza na iza aza magnendriky andrareo.Sy hana hery hisanga manolo reo fahavaondrareo iandrareo. 38 Ho maty agny amin'ereo firenane iandrareo, dra handrapaky andrareo reo tanigny fahavalondreo. 39 Reo zay sisa fahotan'ereo, ao amy tanin'ereo fahavalondrareo, dra noho reo heloky gny razamben'ereo dra hihaosa izy reo. 40 Fa raha magneky reo fahotany vo gny fahotan'ereo razambeny izy reo, vo reo famaliha zay sy nahatokisa taminahy, dra gny fandehana manohisy anahy- 41 zay nahavy anahy hivaliky amin'ereo dra nindesako anazy reo tagny amy tanin'ereo fahavalony-raha mietry gny fo sy voaforan'ereo, dra raha magneky gny famaizako ho an'ereo fahotany ereo, 42 dra hosarovako gny fanekeko niaraky tamin'i Jokoba, gny fanekeko niaraky tamin'i Isaka, dra gny fanekeko niaraky tamin'i Abrahama;hosarovako avo koa gny tany. 43 Angan'ereo gny tany, ka ho faly miaraky amy Sabatany zay mandrisy gny handriany ho lao sy misy anazy reo.Ka sy maisy hanohisy ho an'ereo otany izy reo satria izy reo mihisy gny nanda reo fisipiko vo sy tia reo lalako. 44 Fa na dra eo avo zay aby zay, fa gny agny an-tanign'ereo fahavalony izy reo, dra sy hagnary anazy reo Zaho, na sy tia anazy ka handrava tateraky anazy reo vo handrava gny fanekeko niaraky tamin'ereo, fa Zaho gny Yaveh Zagnahirin'ereo. 45 Fa hosarovako ho anazy reo gny faneke niaraky tamin'ereo razambeny, zay nandesiko niboaky gny tany Egypta teo amason'ereo firenena, ba ho Zagnaharin'ereo Zaho .Zaho gny Yaveh.'' 46 Reo gny didy, fisipiky, ary lalana izay nataon'i Yaveh teo amigny vo gny vahoak'Israely tany atendrimbohitr'i Sinay tamigny alalan'i Mosesy.