Toko faha 24

1 Niresaky tamin'i Yaveh, nanao ho: 2 ''Baikoy gny olon'Israely ba hinday dililo sy miharo vita tamy oliva ho anao ba ampiasa amy fanilo, ba hirehisy mandrakariva gny jiro. 3 Arona dra sy maisy mamela gny jiro hirehisy avo ao ambaliky lamba fanakona eo anatrehany didim-paneke ao amy tragno-lay fihaogna, manomboky gny hariva mandra-paray gny andro.Ho lalana maharisy hatramy taranakin'ereo vahoakindrareo zay. 4 Gny mpisorombe dra sy maisy mitandry gny jiro hirehisy avo eo anatrehan'i Yaveh, reo jiro amy fipetrara-jiro volamena sy misy fangarony. 5 Ao ianao hangalaky koba matify dra hagnendy mofo ro ambiny folo amin'izay.Sy maisy misy ro ampahafolony efaha isaky gny mofo. 6 Laha teo ianao dra hizara anizay ho andala ro, enina amy andala raiky, eo agnabony latabasy vita tamy volamena sy miharo. 7 Ao ianao hametraky litin-kazo magnisy malio isak'ereo andala mofo ho fagnati-pahasiarova.Io litin-kazo magnisy io dra ho oroa ho an'i Yaveh. 8 Isaky gny Sabata gny mpisoro abo dra sy maisy mametraky mandrakariva gny mofo eo anatrehan'i Yaveh ho agny olon"israely, ba ho famatara gny faneke sy manam-pahataperany. 9 Io fagnatisy io dra ho an'i Arona vo reo zanadahiny ,dra hohan'ereo eo amy toera zay masy zay, satria ampahany aby tamin'ereo fagnatisy natao tamy afo ho an'i Yaveh zay.'' 10 Dra nisy zanakapelany Israelita raiky, zay Egyptiana gny rany, nandeha teo amy vahoakin'Israely.Io zanadahiny ampela Israelita io dra nialy tamy Israelita raiky tao amy toby. 11 Nizaka rasy gny agnaran'i Yaveh vo nagnozo an'Agnahary io zanadahiny gny ampela Israelita io , ka nandesiny vahoaky teo amin'i Mosesy izy.Sebomita gny agnarany reniny ,zanakapelan'i Dibry, laha tamy fokon'i Dana. 12 Nitan'ereo tao am-ponja izy mandra-pagnambaran'i Yaveh Izy vatany gny sitrapony amin'ereo. 13 Dra nizaka tamin'i Mosesy Yaveh, nanao ho: 14 ''Alao gny lelahy zay nagnozo an'Agnahary tao ambaliny toby.Zay aby mahare anazy dra sy maisy mametraky gny tagnan'ereo eo amy lohany, dra ao gny fiangona raiky manotolo hitora-bato anazy. 15 Ao ianao hagnavaza amy olon'Israely dra hizaka ho:''Zay aby magnozo gny Zagnahariny dra sy maisy mizaka gny helony. 16 Izy zay mizaka rasy gny agnaran'i Yaveh dra sy maisy ho vono tokoa.Sy maisy hitora-bato anazy vatany .Sy maisy hitora-bato anazy vatany gny fiangona manotolo, na vahiny izy na tera-tany Israely.Raha misy olo mizaka rasy gny agnaran'i Yaveh , dra sy maisy vono izy. 17 Raha misy olo mamono olo hafa , dra azo antoky fa sy maisy ho vono izy. 18 Raha misy olo mamono gny bibiny olo raiky hafa, dra sy maisy manohisy anizay izy,ay solon'ay. 19 Raha misy olo mandrasy gny mpiara-mony aminazy, dra sy maisy atao aminazy zay nataony tamy mpiara-mony aminazy: 20 Fahatapaha solony fahatapaha, maso solony maso, nify solony nify.Satria nandrasy olo izy, dra sy maisy atao aminazy koa zay. 21 Zay aby mamono biby raiky dra sy maisy manohisy zay, dra azy aby mamono olo dra sy maisy vono. 22 Ao ianao hana lalana mitovy ho agny vahiny vo gny tera-tany Israelita , fa Zaho gny Yaveh Zagnaharinao.''' 23 Koa niresaky tamy olon'Israely i Mosesy . dra nandesiny olo niboaky tao ambaliky toby gny lelahy , gny nagnozo an'i Yaveh.Nitorahin'ereo tamy vato izy.Reo vahoakin'Israely dra nanao arak'izay nandidin'i Yaveh an'i Mosesy.