Toko faha 10

1 Nadaba vo i Abiho, zanadahin'i Arona, dra samy nangalaky gny fandesan'afony, nagnisy afo teo amin'izay, dra laha teo litin-kazo magnisy.Laha teo izy reo nanolosy afo sy nekeny teo anatrehan'i Yaveh, zay sy nandidiany anazy reo ba ho atolosy. 2 Dra nisy afo niboaky laha teo anatrehan'i Yaveh dra nandevo anazy reo, dra maty teo anoloan'i Yaveh izy reo. 3 Laha teo Mosesy nizaka tamin'i Arona ho:''Zao gny noresahan'i Yaveh fa gny nizaka Izy ho:'Hagnambara gny fahamasignako amin'ereo zay avy magneky anahy .Homem-boninahisy eo anatrehany gny vahoaky aby zaho.'''Sy nizaka na ino na ino i Arona . 4 Nitoka an'i Misaela vo i Elzafanam zanadahin'i Oziela rahalahin-dran'i Arona i Mosesy, dra nizaka tamin'ereo ho:''Mandehana atio dra andeso egny ambaliky gny toby sy ho eo anatrehany tabernakely reo rahalahindrareo.'' 5 Dra nagnato mariny izy reo dra ninday anazy reo bo nanao gny ankazo lava maha-mpisoro anazy reo tegny ambaliky gny toby, araky gny fa nizakan'i Mosesy. 6 Laha teo i Mosesy dra nizaka tamin'i Arona vo i Eleazara dra Itamara, reo zanadahiny ho:''Ka anga hikorotaky gny volo eo an-dohandrareo, dra ka triaty gny ankazondrareo, ba sy ho maty iandrareo, dra ba sy ho hory amy fiangona aby Yaveh.Fa angao reo havandrareo , gny taranak'Israely aby, ba handala an'ereo zay nimanigny afon'i Yaveh. 7 Ao sy handeha ambaliky gny filira ao amy lay fihaogna iandrareo, raha sy zay dra ho maty iandrareo, satria amindrareo gny dililo fagnosoran'i Yaveh.''Dra nanao araky gny zakan'i Mosesy izy reo. 8 Niresaky tamin'i Arona i Yaveh, nanao ho: 9 ''Ka mino divay na raha-finomy mahery, ianao,na reo zanadahinao zay sisa miaraky aminao, fa gny magnagny amy lay fihaogna , ba sy ho maty iandrareo.Ho lalana maharisy ho an'ereo taranaky gny vahoakinao zay, 10 ba hagnavaha gny masy vo gny sy masy , dra gny maloto vo gny malio, 11 Ka ba hampianasy gny vahoakin'Israely reo lalana aby zay nandidian'i Yaveh tamy alalan'i Mosesy ianao.'' 12 Niresaky tamin'i Arona vo i Eleazara dra Itamara, zanadahiny sisa tavela i Mosesy ho:''Alao gny fagnatisy hihany zay tavala laha tamin 'ereo fagnatisy natao tamy afo ho an'i Yaveh, dra hano miaraky amy lalibay eo agnilany alitara zay, satria masy indrindra zay. 13 Ao iandrareo hihina anizay ao amy toera masy, satria azaranao vo azaran'ereo zanadahinao tamin'ereo fagnatisy vita tamy afo ho an'i Yaveh zay, fa zay gny nandidiany anahy ho zaka aminao. 14 Gny tratrany zay mihevaheva vo gny feny zay ampitoro an'i Yaveh, dra ao ho hanindrareo egny amy toera malio eken'Agnahary.Ianao vo reo zanadahinao dra reo azara reo, fa nome ho azaranao vo azaran'ereo zanadahinao avy amy sorony gny fagnti-pihavanany vahoakin'Israely reo. 15 Gny feny zay ampitoro vo gny tratrany zay miraviravy, dra sy maisy andesin'ereo miaraky amy sabora natao tamy afo, ba hasiraviravy eo anatrehan'i Yaveh.Ho anao vo reo zanadahinao miaraky aminao manahaky gny azara mandrakizay reo, araky gny nandidian'i Yaveh.'' 16 Laha teo Mosesy nagnontany momba gny osy natao fagnatisy noho gny ota, dra nahita fa maiky zay.Dra ory tamin'i Eleazara vo Itamara , zanadahin'i Arona sisa tavela izy;hoy izy ho: 17 ''Nanao akory iandrareo gny sy nihina gny fagnatisy noho gny ota teo amy faeisy gny tabernakely, fa zay gny masy indrindra, dra fa nomen'i Yaveh andrareo ba hangala gny hahoriany gny fivondrogna zay, ba ho fagnavaha ho anazy reo teo anatrehany? 18 Ingo, gny liony dra sy nandesiny nihanindrareo tao amy farisy gny tabernakely, araky gny nandidiako.'' 19 Laha teo Arona namaly an'i Mosesy ho:''Ingo , androany gny nanovan'ereo gny fagnatisy noho gny otany vo gny fagnatisy oroa teo anatrehan'i Yaveh, dra zay raha zay dra niseo taminahy androany.Raha nihina gny fagnatisy noho gny ota zaho androany, moa se nankasitrahiny teo amason'i Yaveh zay?'' 20 Fa gny ren'i Mosesy zay , dra afapo izy.