Toko voalohany

1 Gny tana ze feno olo tamin'izeho dra mitoesy raiky amizao. Lasa manahaky gny panday vata izy, ndre dra firene nahery aza. Izy gny andriambavy teo amin'ireo firene, fe notere ho amin'ireo fagnandevoza amizao. 2 Mitomagny sady midradradradra izy amin'gny hariva, dra mandrakosy gny fifiny reo ranomasony. Sy nisy tamin'ireo tia anazy so napiegny anazy. Namadiky anazy gny namany aby. Nazary fahavalony ereo. 3 Tafaran'gny fahantra vo fahoria, dra nalefa ho sesitany i Joda. Miay eo amin'ireo firene izy sady sy mahita fisahara. Reo pagnitriky anazy aby dra nanahatrasy anazy tao amin'gny fahakiviany. 4 Mandala reo lalan'i Ziona akory sy misy ndre raiky aza amin'ireo fanasa voatondro. Lao gny vavahadiny aby. Miseto reo pisoro. Malahelo fatrasy reo viriziny vo izy vatany dra ao agnatin'gny fahoria tateraky. 5 Nazary tompony reo fahavalony; niroborobo reo fahavalony. Napahorin'i Yaveh izy noho reo fahotany maro. Reo zanany keliky dra lasan-ko babo agny amin'gny fahavalony. 6 Niala tamin'gny zanakapelan'i Ziona gny hasoan-tarehy. Nazary manahaky gny serfa ze mahita ahisy reo zanak'andriany, dra mandeha sy misy hery eo agnoloan'gny pagnitriky anazy ereo. 7 Amin'ireo androm-pahoriany vo sy hanagnany felofa, dra hahasiaro reo harena sarobidy aby ze nanagnany tamin'gny androny taloha i Jerosalema. Nofa lavo teo an-tagnan'ireo fahavalony gny olony, dra sy nisy nagnampy anazy. Nahita anazy reo fahavalonu dra niomehy tamin'gny faharavany. 8 Nagnota be Jerosalema, noho zay, dra nalaim-baraka manahaky gny raha maloto izy. Reo iaby nagnome voninahisy anazy dra manao sinosino anazy amizao hatramin'gny nahitan'ereo gny fiboridagnany. Miseto izy sady miezaky miholiky. 9 Nazary naloto tao ambany zipony izy. Sy nihevisy gny ho aviny izy. Nahaory gny filavoany. Sy nisy ndre ia ndre ia nakahery anazy. Nitaray izy ho: " Atio gny fahoriako, ry Yaveh, fa nazary tena lahibe gny fahavalo. 10 NAmetraky gny tagnany teo amin'ireo harena sarobidy aby gny fahavalo. Fa nahita reo firene nilisy tao amin'gny fitoboha masy izy, ndre dra fa nibekoniha sy hilisy ao amin'gny toeran'gny fiangonaniha aza ereo. 11 Miseto aby reo olony aby no niyalia mofo ereo. Natakalo mofo reo harena sarobidy so hapihery gny ain'ereo. Atio, ry Yaveh, dra diniho zaho, akory nazary raha foa zaho. 12 Sy misy dikany amindrareo ra, handrareo aby ze mandalo? Atio dra aoky ho hitaniha no misy alahelon'olo manahaky gny alahelo mianzady aminahy, hatrizay napizalian'i Yabeh anahy tamin'gny andron'gnu hasiakan'gny hahoriany. 13 Lat'agny amin'gny abo gny nandefasany gny afo tamin'ireo tolako, dra nahazo anazy zeho. Namelasy harato ho an'gny tomboko Izy dra napihery anahy. Nahiny lao sady rokaky foa zaho. 14 Gny ziogan'ireo fandikan-dalako dra nira-nafatony tamin'gny alalan'gny tagnany. Napifandresy reo dra napetrako teo an-soroko. Nandavo gny heriko izy. Nomen'gny Tompo ho eo an-tagnan'ereo zaho, ka sy tafasanga. 15 Napisavoaravoara reo lelahy maheriko ze miaro anahy gny Tompo. Fa nitoka gny fiangona hanohisy anahy izy so hamotiky reo lelahiko matazaky. Nagnisakisaky gny zanakapela virizinin'i Joda tao amin'gny famiazam-boaloboky gny Tompo. 16 Mitomagny zaho noho reho raha reho. Gny masoko, mikoria amin'gny masoko gny rano akory lavisy anahy reo pakahery ze tokony hapitraka gny fiainako. Lasa reo zanako akory nandresy gny fahavalo. 17 Namelasy gny tagnany i Ziona; sy nisy ndre ia ndre ia nakahery anazy. Nibeko i Yaveh fa reo ze magnodidy an'i Jakoaba dra tokony ho fahavalony. Raha maloto amin'ereo i Jerosalema. 18 Mary i Yaveh, fa zaho gny nikomy hanohisy gny liliny. Mitenoa, handrareo ry olo aby, dra atio gny alaheloko. Nazary ho babo reo viriziniko vo reo olo-maheriko. 19 Mitoka reo namako zaho, fe namitaky anahy ereo. Maty tao an-tana reo pisoroko vo reo loholoko, no nitalia sakafo hapihery gny ainy ereo. 20 Ingo, ry Yaveh, fa ao agnaty fahoria zaho, dra magnotiky vavoniko, torotoro ao agnatiko gny foko, akory tena nikomy vatany zaho. Atany egny, dra mapahory gny reny gny mesa, sy misy laha sy fahafatesa ao am-pasange. 21 Nahare gny fitaraignako ereo, fe sy nisy nakahery anahy. Nahare gny fahoriako reo fahavaloko aby sady faly ereo fa vitaniha zeho. Fa nanday gny andro napagnatenaniha Hanao; dra aoky ereo ho lasa manahaky anahy amizao. 22 Aoky gny faharasin'ereo aby ho avy eo agnoloaniha. Ahivo manahaky gny nanaovaniha anahy noho reo fahotako aby ereo. Maro gny fitarainako dra rokaky gny foko.