Toko voalohany

1 Dra avy teo amin'i Jona zanadahin'i Amitahy gny zakan'i Yaveh, manao ho: 2 " Misangana dra mandehana agny NInive, zay tana lahibe, dra miresafa gny mahakasiky anizay, akory fa niakasy teo agnatrehako gny faharasian'ereo." 3 Fa nisanga i Jona so hilefa gny fagnatrehan'i Yaveh dra nandeha tagny Tarsisy. Nizoso tagny Jopa izy dra nahita sambo hienga ho agny Tarsisy. Koa dra naloany gny saran-da dra niakasy tao amin'gny sambo nindray tamin'ereo ho agny Tarsisy izy, lavisy gny fagnatrehan'Agnahary. 4 Fa nandefasan'i Yaveh sioki-mahery tegny amin'gny ranomasy sady dra nazary tafio-drivosy tegny amin'gny ranomasy zeho. Selasela teo dra hita fa potiky gny sambo. 5 Dra lasa natahosy fatrasy reo tansambo dra nitoka fatrasy gny zagnahariny manoka. Natorakin'ereo tagny an-dranomasy gny eta tao amin'gny sambo so hagnameva anizay. Fa Jona se nizoso laliky tao amin'gny sambo, dra nisilagny renoky gny torimaso tao. 6 Dra nagnanto anazy gny kapitenin-sambo dra nizaka taminazy ho: " Nagnino hanao gny matory? Misangana! Tokavo gny zagnahariniha! Vasa mbo hahita asika gny zagnahariniha dra sy ho faty sika." 7 Nifapiresaky ereo aby nanao ho: " Magnatogna, ndao sika hanao akisapaky, so hahafahasika mahafatasy ho ia gny anton'izeho loza misy aminsika zeho." Dra nahin'ereo gny akisapaky, dra nitonto amin'i Jona zay. 8 Dra ho ereo tamin'i Jona ho: " Ba zakao anay ra ho ia gny anton'izeho loza misy amisika zeho. Ino gny asaniha, dra lat'eza hanao? Ino gny fireneniha, sady lat'amin'gny vahoaky ia hanao? 9 Ho Jona tamin'ereo ho: " Hebreo zaho; dra matahosy an'i Yaveh, gny Zagnahary gny lagnisy, ze nanao gny ranomasy vo gny tany maiky." 10 Dra vo maiky niha-natahosy reo lelahy dra nizaka tamin'i Jona: " Fa ino nahiniha tiky?" Fa fatan'ireo lelahy fa nilefa gny fagnatrehan'i Yaveh izy, akory nizakany tamin'ereo. 11 Dra ho ereo tamin'i Jona ho: " Ino gny tokony ho ahinay aminiha so hapilamy gny ranomasy ho anay?" Akory niha-nagnonza fatrasy dra fatrasy gny ranomasy. 12 Ho iJona tamin'ereo ho: " Rambeso zaho dra atoraho agny agnaty ranomasy. Dra hilamy ho andrareo gny ranomasy, akory fatako fa noho zaho gny mahavy zeho tafio-drivosy zeho hisy amindrareo." 13 Ndre dra zay aza, dra namohy fatrasy reo lelahy so hapihery andreo egny an-tanety, fe sy afaky nanao anizeho ereo akory niha-nahery gny ranomasy nanohisy andreo. 14 Noho zeho dra nitoka fatrasy an'i Yaveh ereo dra nanao ho: " Mitalaho Aminiha zahay, ry Yaveh, mitalaho Aminiha zahay, ka enga ho faty nohon'gny ain'itihoky lelahy tihoky zahay, sady ka melohy aminay gny fahafatesany, akory Hanao, Yaveh, dra nanao araky ze sitraky gny foniha." 15 Koa dra nirambesin'ereo i Jona dra natorakin'ereo tagny agnaty ranomasy, dra nizano sy nisafoaky gny ranomasy. 16 Boakeo dra natahosy an'i Yaveh reo lelahy. Nanolossy soro ho an'i Yaveh ereo sady nanao voady. 17 Dra fa nagnoma fia lahibe hitely an'i Jona i Yaveh, dra nizano tao agnatin'gny vavonin'gny fia telo andro vo telo hariva i Jona.