Toko voalohany

1 Nisy lelahy raiku tao amin'gny tanin'i Oza dra Joba gny agnarany; vo i Joba dra sy misy signy sady mahisy, zay natahosy an'Agnahary sady nifaly gny rasy. 2 Izy dra nanan-zanaky lahy vo apela telo. 3 Izy dra nana agnondry fito arivo, rameva telo arivo, agnomby lahy vo vavy dimanzato, vo boriky dimanzato vo panopo maro be. Izy gny lelahy lahibe vatany tamin'ireo olo Tasignana aby. 4 Isaky gny andro voatendry ho an'gny zanadahiny, dra nanao firavoravoa tao an-pantsangeny izy. Ereo dra nagniraky ka nitoka reo anabaviny telo mbo hindray hihina vo hino amin'ereo. 5 No fa nifara gny firavoravoa, dra napitoka vo nagnamasy andreo i Joba. Nifoha marandraim-be izy dra nanao fagnatisy oroa ho an'ireo zanay kirairaiky aby, fa ho izy ho: " Mety fa nagnota na nagnozo an'Agnahary tam-pony tagny reo zanako." Nanao anizay avo i Joba. 6 Vo tamin 'izay andro zay dra avy niseho yeo agnatrehan'i Yaveh reo zanakAgnahary. DRa avy nindray tamin'ereo koa i Satana. 7 Ho Yaveh tamin'i Satana ho: " Boak'eza gny niavianiha?" Vo Satana namaly an'i Yaveh dra nanao ho: "Boaky niregniregny tegny ambonin-tany, nirerirery teo aminazy." 8 Ho Yaveh tamin'i Satana ho: "Fa nandiniky an'i Joba panopoko se hanao? Akory sy misy manahaky anazy eto ambonin'gny tany, lelahy sy misy siny sady mahisy, zay matahosy an'Agnahary sady mifaly gny rasy." 9 Boakeo Satana namaly an'i Yaveh dra nanao ho: " Matahosy an'Anahary amin'gny sy misy antony se i Joba? 10 Sy nasianao fefy se magnodidy anazy, magnodidy gny fasangeny, vo magnodidy ze anazy aby? Fa notahinao reo asan'gny tagnany, vo nitombo reo biby fitezany eto amin'gny tany. 11 Fa amizao ahinziro gny tagnaniha dra sapao ze iaby anagnany, dra atio no sy magnoso aniha eo amin'gny tarehinao izy. 12 Ho Yaveh tamin'i Satana ho: " Ingo, eo am-pelatagnaniha ze iaby hanagnany. Fa izy vatany avo gny ka kitikitihy gny tagnaniha." Dra niala teo agnatrehan'i Yaveh i Satana. 13 Dra ndraiky andro, nihina vo nino divay tagny am-pasangen'gny laihmatoany reo zanany lelahy vo apela. 14 Nisy panday hafasy raiky nagnato an'i Joba dra nizaka ho:" Niasa tany reo agnomby vo reo boriky dra nihina teo agnilan'ireo. 15 Nanafiky andreo reo Sabeana dra nisambosy andreo. No gny amin'ireo panopo, dra nizeran'ereo tamin'gny lelan'amesa. Zao reriky gny taffilefa mbo hapandre aniha. 16 No mbo nizaka igny izy, dra nisy raiky hafa koa avy dra nizaka ho: "NIlasaky boaky tagny an-danisy gny afon'Agnahary dra nagnoro reo agnondry vo reo panopo. Zaho reriky gny tafisoaky mbo hampandre aniha." 17 No mbo nizaka igny izy, dra nizy raiky hafa koa avy dra nizaka ho: " Nizara vondro telo reo Kaldeana ka nanafiky reo rameva, dra nisambosy reo. No gny amin'ireo panopo, dra nizeran'ereo tamin'gny lelan'amesa. Zaho raiky gny tafasoaky mbo hampandre aniha. 18 No mbo nizaka igny izy, dra nizy raiky hafa koa avy dra nizaka ho: " Reo zananiha lelahy vo apela dra nihina vo nino divay tao am-pasangen'gny lahimatoan'ereo. 19 Nisy rsioky mahery avy naky tagny an'efisy nizera gny zorony efas'gny fasange. Nilasaky tamin'ireo lelahiso zay, vo dra maty ereo. Zaho raiky gny tafasoaky mbo hapandre aniha. 20 Dra nisanga i Joba, nandriasy gny akazony, nanarasy gny lohany, niakohoky teo amin'gny tany, dra nisiriry an'Agnahary. 21 Ho izy ho: " Niborida zaho no niboaky tao an-trokin'gny reniko, dra hiborida zaho no fa hihery ao. Yaveh gny nagnome, vo Yaveh gny nangala. Isora ra gny agnaran'i Yaveh." 22 Tamin'ireo raha niseho dra sy nanota i Joba, ndre koa niapanga an'Agnahary ho nanao gny sy mety.