Toko faha 15
1
Fagnambara mahakasiky an'i Moaba. Eka vatany, agnatin'gny hariva raiky dra foa vo potiky i Ara-moaba; eka vatany, agnatin'gny hariva raiky dra foa vo potiky i Kira-moaba.
2
Niakasy mho agny antepoly ereo,niakasy ho agny atapony gny olon'i Dibona ba hitomagny; mitomagny ao Nebo vo ao MKedeba i Moaba. Voiaharasy ho solagny lohan'ereo sady voatapaky gny volom-bavan'ereo aby.
3
Misiky lamba fandala ereo amin'gny lalan'ereo; midradradradra eo amin'gny tapo-tragno vo egny an-kiaza gny kirairaiky, ketraky gny tomagny.
4
Mitoka vozy i Hesbona vo Elale; re hatragny Jahaza gny feon'ereo. Ka mitoka vozy reo lelahin'i Moaba mita-pelia; matahosy agnatin'ereo ao avo ereo.
5
Mitomagny ho an'i Moaba gny foko; milefa ho agny Zoara vo Elgeta-selisia reo pilefa. Miakasy agny amin'gny fekaran'i Lonita am-pitomagnia ereo; midradradradra fatrasy gny amin'gny fahasimbany amin'gny lala ho agny Horonaima ereo.
6
risy reo ranon'i Nimrima, malazo reo ahisy vo maty reo simok'ahisy; sy misy ndre ino ndre ino meso.
7
Ze iaby napitobony vo navorin'ereo dra nandesin'ereo agny an-dohasahan-driakin'gny hazomalahelo.
8
Nagnera gny faritanin'i Moaba gny tomagny; hatragny Eglaima vo Ber-elima gny fidradradradra.
9
Fa feno lio gny ranon'i Dimona. Hanafiky ze tafenga avy ao Moabya vo reo sisa tavela eo amin'gny tany gny liona.