Toko faha 5

1 " Tenoy zeho, ry pisoro! Manongila sofy, ry hasaveregnan'Israely! Mitenoa, ry hasaveregnan'gny pazaka! Fa gny fisara dra avy hanohisy andrareo aby. Fa fandriky tagny Mizpa hanao vo harato nivelasy tagny amin'gny Tabara. 2 Reo pikomy mikiry fatrasy amin'gny famonoa, fa Zaho gny hagnasazy anazy aby reo. 3 Fatako Efraima, vo Israely sy mivony aminahy. Ry Efraima, androany hanao dra nazary manahaky gny pivaro-bata; voaloto Israely. 4 Sy hanenga andreo hihery amin'Agnahary reo asany, akory gny fagnahin'gny fizangazanga gny ao amin'ereo, sady sy fatan'ereo Yaveh. 5 Gny fireharehan'Israely dra vavolombelo manohisy anazy; dra ho tafitohy amin'gny fahamelohan'ereo Israely vo Efraima; vo Joda avo koa dra ho tafitohy mindray amin'ereo. 6 Handeha hindray amin'gny agnondry aman'osiny vo agnombiny ereo so hitalia an'i Yaveh, fa sy hahita Anazy ereo, akory nangalaky gny vatany tamin'ereo Izy. 7 Sy nahatoky an'i Yaveh ereo, fa niteraky zaza sy araky gny lalagna ereo. Androany gny firavoravoan'gny voloham-bola gny handevogna andreo mbamin'ireo sahany. 8 Siofy ao Gibea gny anzomara, vo ao Rama gny asiva. Manaova korakin'aly ao Betavena ho: 'Hagnaraky aniha zahay ry Benjamina!' 9 Ho lao Efraima amin'gny andron'gny fagnasazia. Teo amin'ireo fokon'Israely gny nagnambarako ze sy mainsy hitranga. 10 Reo pitarik'i Joda dra manahaky reo mamindra fefy vato. Hararako manahaky gny rano amin'ereo gny fahavignirako. 11 Torotoro Efraima;torotoron'gny fisara izy, akory nandeha tamin'gny sitra-pony hagnaraky sapy. 12 Dra hanahaky gny kalalao amin'i Efraima Zaho, vo sahala gny bobongolo amin'gny hasaveregnan'i Joda. 13 Nofa hitan'i Efraima gny aretiny, dra hitan'i Joda gny ratriny, dra nadeha tagny asyria i Efraima, vo Joda nandefa panday hafasy ho agny amin'gny pazaka lahibe. Fa sy afaky nisabo andrareo izy ry olo na nagnasitra gny ratrindrareo. 14 Dra hanahaky gny liona amin'i Efraima Zaho, vo hanahaky gny liona tanora amin'gny hasaveregnan'i Joda. Zaho, eka Zaho, gny hamiravira sady handeha; ho andesiko ereo, dra sy hisy hagnavosy andreo. 15 Handeha Zaho dra hihery agny amin'gny toerako, mandra-pagneken'ereo gny helony dra hitalia gny tavako, mandra-pitalian'ereo Anahy fatrasy amin'gny fahorian'ereo."