Toko faha 6

1 Dra napanao fagnadihadiha tao amin'gny tragno firaketa tao Babylona iDariosy Pazaka. 2 Tao amin'gny tana voaaron'i Akmeta ao Mediana gny nahita horonan-taratasy raiky; zao gny voarakisy tao: 3 " Tamin'gny tao volohany nanzaka'i Kyrosy Pazaka, dra namoaky lily mahakasikin'gny tragnon'Agnahary tao Jerosalema i Kyrosy ho: 'Aoky hasanga ndraiky gny tragno so ho toeran'gny soro, aoky hapetraky gny fotosy ioregnany, aoky ho enimpolo hakiho gny haabony, vo enimpolo hakiho gny sakany, 4 mindray amin'gny vato lahibe telo andala vo hazo vaovao, dra aoky gny viliny haloa amin'gny tragnon'gny pazaka. 5 Dra andeso mihery gny fitova volamena vo volafosy ze an'gny tragnon'Agnahary, ze nandesin'i Nebokadnezara boaky tagny amin'gny tepoly agny Jerosalema nagnagny Babylona dra aheregno ao amin'gny tepoly agny Jerosalema. Hanao gny hametraky reo ao an-tragnon'Agnahary.' 6 Vo Tatenay, governoran'gny Farisy Andafin'gny Ony, Setara Bozenay, vo reo piara-miasa ze agny amin'gny Farisy Andafin'gny Ony, miataha lavisy! 7 Engao gny asa amin'itiky tragno tiky ho an'Agnahary raiky avo. Gny governora vo reo loholo Jiosy gny hananga tiky tragnon'Agnahary tiky amin'izeho toera zeho. 8 Mandily gny sy mainsy hanaovandrareo zeho ho an'ireo loholo ze mananga zeho tragnon'Agnahary zeho zaho: Gny vola boaky amin'gny hetran'gny pazaka boaky agny andafin'gny Ony gny hapiasa hagnakarama reo lelahy reo so sy hagnazanognan'ereo gny asany. 9 Ndre ino ndre ino ila--- zanak'agnomby, agnondry lahy, na zanak'agnondry ho an'gny fagnatisy oroa ho an'gny Zagnahary gny Lagnisy, vary, sira, divay, na dililo araky gny lilin'ireo pisoro ao Jerosalema--- dra omeo andreo isan'andro sy tapaky reo raha reo. 10 Ahivo zeho so handesan'ereo gny fagnatisy ho an'gny Zagnahary gny Lagnisy dra hivavaky ho anahy, pazaka, vo reo zanako. 11 Dra mandily zaho fa ndre ia ndre ia mandika iho lalagna iho, dra sy mainsy hangala andry raiky eo amin'gny tragnony vo sy mainsy hahanto amin'izeho izy. Dra sy mainsy hizary fako mivangongo noho zeho gny tragnony. 12 Vo Zagnahary ze nahavy gny agnarany hitoesy teo ra handripaky ze pazaka na olo ze manandran-bata hagnova zeho lalagna zeho, na hanimba zeho tragnon'Agnahary ao Jerosalema zeho. Zaho, Dariosy, gny mandily anizeho. Aoky hahy am-pahazotoa zeho!" 13 Vo nohon'gny lala nalefan'i Dariosy pazaka, i Tatenay, gny governoran'gny Farisy Andafin'gny Ony, vo Setara Bozenay vo reo piara-miasa aminazy, dra nanao ze iaby nandilin'i Dariosy Pazaka. 14 Ka dra nanaga araky ze natoron'i Hagay vo Zakaria tamin'gny faminania reo loholo Jiosy. Nasangan'ereo araky gny lilin'gny Zagnaharin'Israely vo Kyrosy, Dariosy, vo Artasersesy, pazakan'i Persia zeho. 15 Dra vita gny tragno tamin'gny andro fahatelon'gny vola Adara, tamin'gny tao fahaeny nanzakan'i Dariosy Pazaka. 16 Nakalaza gny fanokana anizeho tragnon'Agnahary zeho tamin'gny fifalia gny vahoaky Israelita, reo pisoro, reo Levita, vo reo sisa tamin'ireo babo. 17 Nanolosy agnomby zato, agnondry lahy zato, vo zanak'egnondry efazato ho an'gny fanokana gny tragnon'Agnahary ereo. Osy lahy ro ambin'gny folo avo koa gny natolosy ho fagnatisy nohon'gny ota ho an'Israely aby. 18 Nanendry reo pisoro vo Levita tamin'gny fizaran'asa ho an'gny fanopoa an'Agnahary ao Jerosalema avo koa ereo araky gny voasorasy tao amin'gny Bokin'i Mosesy. 19 Vo reo ze boaky tagny an-sesitany dra nakalaza gny Paska tamin'gny andro fahaefasy ambin'gny folon'gny vola volohany. 20 Reo pisoro vo gny Levita aby dra nagnalio gny vatany dra namono gny soron'gny Paska ho an'ireo ze boaky tagny an-sesitany aby, agnisan'izeho ereo. 21 Gny vahoaky Israelita ze nihina tamin'gny henan'gny Paska dra reo ze nihery boaky tagny an-sesitany vo nagnasaraky gny vatany tamin'gny fahaloton'gny vahoakin'gny tany dra nitalia an'i Yaveh, Zagnaharin'Israely. 22 Nakalaza tamin'gny fifalia gny Firavoravoan'gny Mofo sy misy masirasira nandrisy gny fito andro ereo, akory i Yaveh dra fa nanday fifalia tamin'ereo dra nagnova gny fon'gny pazakan'i Asyria so hapatazaky gny tagnan'ereo tamin'gny asan'gny tragnony,dra gny tragnon'gny Zagnaharin'Israely.