Toko faha 9

1 Dra nitomagny teo asofoko tamin'gny feo fatrasy izy, nanao ho: " Aoky hiakasy ao an-tana reo piamby, maindray amin'gny fitovam-pialia fandrava egny an-tagnany aby." 2 Vo ingo! Nisy lelahy eny avy boakagny amin'gny lalan'gny vavahady ambony zay mitoliky magnavarasy, samby niaraky tamin'gny fitova-pialia famonoa tegny an-tagnany aby. Nisy lelahy raiky niakazo rongony fosy nindray tamina fitovan'gny panora-dala tegny agnilanyteo agnivon'ereo. Ka nilisy ereo vo nizoro teo marin'gny alitarasaba. 3 Vo gny voninahisin'gny Zagnaharin"israely niakasy boaky tao amin'gny kerobima zay teo an-tokonam-batrangaran'gny tragno. Nitoka gny lelahy niakazo rongony fody zay nana gny fitovan'gny panora-dala tegny agnilany Izy. 4 Ho Yaveh taminazy ho: " Mandehana eo agnivon'gny tana---agnivon'i Jerosalema--- vo asio mariky eo amin'gny handrin'ereo ze mitaray vo miseto gny amin'gny fahavetaveta aby nahy teo agnivon'gny tana." 5 Vo niresaky tamin'ireo hafa teo asofoko Izy ho: " Mandehana magnaraky anazy ao an-tan vo mamonoa. Aoky sy hana fangoraha gny masonao, vo ka miferegnay 6 na olo antisy, tanora, viriziny , zaza madiniky na apela. Vono aby ereo! Fa ka magnato ze misy marky eo amin'gny lohany. Atombohy ao amin'gny fitobohako masy!" Ka dra nanomboky tamin'ireo zokiolo ze teo anoloan'gny tragno ereo. 7 Ho izy tamin'ereo ho: " Lotoy gny tragno, dra fenoy faty gny kianzanizay. Miboaha!" Dra niboaky ereo ka nanafiky gny tana. 8 Gny bo nanafiky anizay ereo, dra hitako fa raiky zaho sady napiakohoky gny tarehiko vo nitaray ka nano ho: "Indrisy, ry Tompo Yaveh, handrava reo sisa tavelan'Israely aby amin'gny fandraraha gny fahorianao amin'i Jerosalema se hanao?" 9 Ho Izy taminahy ho: " Tafahoasy loasy gny heloky gny akohonan'Israely vo Joda. Feno lio gny tany vo fena fahavetaveta gny tana, akory ho ereo ho: ' Fa nagnaligno gny tany i Yaveh, vo ' sy mahita I Yaveh!' 10 Dra noho zay, sy hagnety amim-pangoraha andreo Zaho. Fa handay zay aby zay ho eo an-dohan kosa Zaho." 11 Ingo! Nihery gny lelahy niakazo rongony fody zay nana fitovan'gny panora-dala tegny agnilany. Nitatisy izy vo nizaka ho: ' Fa nahiko ze iaby nandidianao."