Toko faha 8

1 Vo tamin'gny tao faheny vo gny vola fahaeny, tamin'gny andro fahalimin'gny vola, gny nitoboky tao an-tragnoko zaho vo reo loholon'i Joda nitoboky teo agnoloako, dra nilasaky teo aminahy tao ndraiky gny tagnan'gny Tomp Yaveh. 2 Dra nagnety zaho, vo ingp, nisy endriky lelahy. Nisy afo nanomboky teo amin'gny andilany mizoso. Vo nanomboky teo amin'gny andilany miakasy dra niendriky raha mamirapirasy, manahaky gny vy manzelasy. 3 Vo naninzisy miendriky tagna izy dra nandramby anahy tamin'gny volon-dohako; nanondrosy anahy teo agnivon'gny tany vo gny lagnisy gny Fagnahy, vo tamin'ireo fahita boak'amin'Agnahary, gny nandesany anahy tagny Jerosalema, teo amin'gny filira agnatin'gny vavahady avarasy, zay nizoroan'gny zapy ze nihansy asarotapiaro lahibe. 4 Vo ingo, gny voninahisin'gny Zagnaharin'Israely dra tao, araky gny fahita zay hitako teo amin'gny tany lemaky. 5 Vo ho izy taminahy ho: " Ry zanak'olo, asandrato magnavarasy gny masona." Ka dra nasandrasiko magnavarasy gny masoko, vo teo avarasy gny vavahasy magneo amin'gny alitara, teo amin'gny filira, gny sapin'gny asarotapiaro. 6 Dra ho izy taminahy ho: " Ry zanak'olo, mahita ze ahin'ereo se hanao? Reo dra fahavetaveta lahibe ze ahin'gnyakohonan'Israely eto bo hapiala lavisy anahy amin'gny fitoerako masy. Fa hitoliky hanao vo hahita fahavetaveta lahibe lavisy aza." 7 Boakeo dra nandesiny teo am-baravaran'gny kianza zaho, vo nagnety, dra nisy lavaky raiky teo amin'gny rindry. 8 Ho izy taminahy ho: " Ry zanak'olo, lavao iho rindry iho." Dra nandavaky gny rindry zaho, dra nisy vatragnara. 9 Vo ho izy taminahy ho: " Mandehana dra atio gny fahavetaveta mahasiravy ze ahin'ereo ato." 10 Koa nilisy zaho vo nagnety, vo ingo! Nisy karazan-draha mandaly vo biby mahasiravy! Gny sapin'gny akohonan'Israely aby dra voasokisy tamin'gny rindry magnodidy aby. 11 Nisy loholon'gny akohonan'Israely fitopolo tao, vo Jazania zanadahin'i Safana dra nizoro teo agnivon'ereo. Nisanga teo agnoloan'ireo sarin-draha ereo, vo gny lelahy kirairaiky dra samby nanday gny fandesa afony tegny atagnany aby ba hapiakasy gny fofon-setroky gny ditin-kazo magnisy. 12 Ho isy taminahy: " Ry zanak'olo, hitanao se gny ahin'ireo loholon'gny akohonan'Israely ao amin'gny mezy/ Gny kiraraiky dra samby manao anizay ao amin'gny efisy mivon'gny sapiny, fa ho ereo ho: 'Sy mahita asika Yaveh! Fa nafoin'i Yaveh gny tany."' 13 Vo ho izy taminahy: " Mitoliha ndraiky dra atio reo fahavetaveta lahibe hafa ze ahin'ereo." 14 Boakeo nandesiny nagnao amin'gny vavahady filira ao an-tragnon'i Yaveh zay teo amin'gny lafiny avarasy zaho, vo ingo! Nitoboky nandala an'i Tamoza tao reo apela. 15 Dra ho izy taminahy: " Hitanao se zao, ry zamak'olo? Mitoliha ndraiky dra atio hatramin'gny fahavetaveta lahibe noho reo aza." 16 Nandesiny tao amin'gny kianza agnatiny tao an-tragnon'i Yaveh zaho, vo ingo! teo amin'gny filira tao amin'gny tepolin'i Yaveh teo agnelagnelan'gny lavaranga vo gny alitara, dra nisy lelahyteo amin'gny dimy amby ropolo teo ho eo nagnome lambosy gny tepolin'i Yaveh vo niasinagna gny tarehin'ereo, dra nanopo gny masoandro ereo. 17 Ho izy taminahy ho: " Hitanao se zao, ry zanak'olo? Moa se raha keliky ho an'gny akohonan'i Joda gny fanova reo fahavetaveta zay ahin'ereo eto? FA nofenon'ereo herisetry gny tany vo bo nivaliky ba hihansy Anahy amin'gny hahoriako ndraiky ereo, tamin'gny fametraha rasa-kazo eo amin'gny oron'ereo. 18 Koa hiasa eo amin'ereo avo koa Zaho; vo sy hamindra fo andreo Zaho. Ndre dra mitomagny amin'gny feo fatrasy asofoko aza ereo, dra sy hiteno andreo Zaho."