Toko faha 13

1 Avy amnahy ndraiky gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2 " Ry zanak'olo, maminania manoisy reo paminany ze maminany agny Israely, dra zakao amin'ireo ze maminany araky eriseris'ereo manoka ho: 'Tenoy gny zkan'o Yaveh. 3 Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Loza ho an'ireo paminany mola ze magnaraky gny fagnahiny avo, fe sy nahita ndre ino ndre ino! 4 Ry Israely, reo paminaniniha dra fa manahaky gny amboadia egny amin'gny tany ngaza. 5 Tsy nandeha namotiky gny rindry magnodidy gny hsaveregnan'Israely hanao so hagnambora anizeho,so hiharitry amin'gny aly amin'gny andron'i Yaveh. 6 Mana fahta diso gny vahoaky dra manao faminania sandoky, reo ze mizaka ho: "Zao vo zao gny fagnambaran'i Yaveh." Sy nagniraky andreo i Yaveh, fe ndre dra zeho aza ereo dra napagnategna gny vahoaky fa ho tateraky reo hafas'ereo. 7 Sa sy bo fa nana fahita diso hanao dra nanao faminania sandoky, hanao gny mizaka ho: "Zeho vo zeho gny fagnambaran'i Yaveh" fe Zaho vatako dra sy nizaka?' 8 Noho zeho dra zzao gny zakan'gny Tompo Yaveh: 'Akory handrareo fa nana fahita diso sady nizaka vandy--- noho zeho dra zao gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh manohisy andrareo: 9 Hizera reo paminany ze mana fahita mavandy vo ze manao faminania sandoky gny tagnako. Sy ho ao amin'gny fiangonan'gny vahoakiko, na ho sorata agnara ao amin'gny firaketan'gny hasaveregnan'Israely ereo; sy bo handeha agny amin'gny tanin'Israely izy regny. Fa ho fatandrareo fa Zaho gny Tompo Yaveh! 10 Noho zeho, dra akory ereo nitariky gny vahoakiko tagny amin'gny lalan-diso dra nizaka ho: "Faidagna!" fe sy nisy fiadagna aby, dra magnory rindry ze ho laloran'ereo amin'gny loko fosy ereo.' 11 Zakao amin'ireo ze mandalosy gny rindry ho: 'Hilavo zeho; hisay kasak'orambe, dra handefa havandra Zaho so hapilavo anizeho, vo tafio-drivosy so handrodagny anizeho. 12 Ingo, hilavo gny rindry. Sa ra sy nizaka tamindrareo gny hafa ho: "Eza gny lalotry fosy ze nahindrareo tamin'itihoky?" 13 Noho zeho dra zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Handay tafio-drivosy amin'gny hahoriako Zaho, dra hisy tondra-drano amin'gny fahavignirako! Gny havandra gny hamotiky tateraky anizeho amin'gny hahoriako. 14 Fa hamotipotiky gny rindry ze nisarognandrareo tamin'gny lalotry fosy Zaho, dra handroda anizeho amin'gny tany vo hapiharihary gny fagnambaniny. Ka dra hilavo zeho, vo handrareo aby dra ho ripaky eoagnivon'izeho. Vo dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh. 15 Fa Zaho handripaky gny rindry amin'gny hahoriako vo reo aby ze nandalotry anizeho. Hizak amindrareo Zaho ho: "Sy misy sasy gny rindry, na gny olo ze nandalotry anizeho--- 16 reo paminani'Israely ze naminany mahakasik'i Jerosalema vo nana fahita fiadagna ho anazy. Fe sy misy fiadagna! --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh."' 17 Koa hanao, ry zanak'olo, hapagnatreho gny zanaky apelan'gny vahoakiniha ze maminany araky gny eriseris'ereo manoka gny tarehiniha, dra maminania manohisy andreo. 18 Zakao ho: 'Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Loza ho an'ireo apela ze manzaisy aoly mahasoa vinta eo amin'gny farisy gny tagnany aby dra manao voaly araky gny habe sambihafa ho amin'gny lohan'ereo, apesay hihaza olo. Hihaza gny oloko se handrareo so hagnavota gny aindrareo? 19 Fa nagnirasira Anahy tamin'gny vahoakiko tamin'gny vary hordea raiky tana vo sombinsombi-mofo handrareo, so hamonoa olo ze sy tokony ho faty, vo hitana gny ain'ireo ze sy tokony hanohy hiay sasy, noho reo vandindrareo tamin'gny oloko ze nahare. 20 Noho zeho dra zao gny zakan'gny Tompo Yaveh; Zaho dra manohisy reo aoly mahasoa vinta ze napesandrareo hamandriha gny ain'olo sahala gny ho voro regny ereo. Hamotipotiky regny boaky eo an-tagnandrareo Zaho; vo gny olo ze voafandrikindrareo manahaky gny voro--- hanenga andreo handeha malalaky Zaho. 21 Hagnendaky reo voalindrareo Zaho dra hamonzy gny vahoakiko eo an-tagnandrareo, so sy ho voafandriky eo an-tagnandrareo sasy ereo. Ha fatandrareo fa Zaho gny Yaveh. 22 Akory handrareo magnakivy gnyfon'gny olo-mary amin'gny vandy, ndre dra sy nagniry gny fahakiviany aza Zaho, sady akory napahery reo fihesiky gny olo rasy fagnahy handrareo ho setrin'g'izeho so hagnavotany gny ainy--- 23 noho zeho dra sy hana fahita diso handrareo na hanohy faminania sandoky sasy, akory hamonzy reo oloko hiboaky eo an-tagnandrareo Zaho. Ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh."'