Toko faha 12

1 Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2 " Ry zanak'olo, hanao dra monina eo agnivon'gny taranaky pikomy, zay mana maso hagnitia fa sy magnety; vo mana sofy hahareza fa sy miteno, akory taranaky pikomy ereo. 3 Noho zay no gny aminao, ry zanak'olo, dra homagno reo etanao ho amin'gny sesitany, dra manomboha miboaky amason'ereo amin'gny andro mazava, fa Zaho dra hambabo anao eo amason'ereo boakeo amin'gny toeranao magnagny amin'gny toera hafa. Vasa mety hanomboky hahita ereo, ndre dra taranaky pikomy aza. 4 Handesinao amason'ereo amin'gny andro mazava reo etanao ho amin'gny sesitany; miboaha amason'ereo amin'gny hariva amin'gny fomba fandehan'gny olo ho any amin'gny sesitany. 5 Mandavaha lavaky eo amin'gny rindry eo amason'ereo, vo mandehana eo amin'izay. 6 Eo amason'ereo, hapiakaro ho eo an-sorokinao gny etanao, dra andeso amin'gny mezy reo. Lombofo gny tarehinao, fa sy tokony hahita gny tany hanao, akory anpetrako ho famatara ho an'gny akohonan'Israely hanao." 7 Koa dra nahiko zay, araky gny nandidia anahy. Nandesiko niboaky tamin'gny andro mazava reo etako ho amin'gny sesitany, vo gny hariva dra nadavaky lavaky teo amin'gny rindry tamin'gny tagna zaho. Nandesiko tamin'gny ezy reo etako, vo napiakariko teo an-soroko teo amason'ereo zay. 8 Boakeo avy taminahy gny zakan'i Yaveh gny maray, nanao ho: 9 " Ry zanak'olo, moa gny akohonan'Israely, zeho taranaky pikomy zeho, sy nagnotany ho: 'Ino ahinao tiky?' 10 Zakao andreo ho: 'Zao gny zakan'Gny Tompo Yaveh: tiky asa faminania tiky dra mahakasiky gny andriandahin'i Jerosalema, vogny akohonan'Israely aby ze eo agnivon'ereo.' 11 Zakao ho: ' Famatara ho andrareo Zaho. Araky ze fa nahiko gny ho ahy amin'ereo; ho agny an-sesitany vo fahababoa ereo. 12 Gny andriandahy ze eo amin'ereo da hapiakasy gny etany eo an-sorony amin'gny mezy, vo handeha eo amin'gny fefy. Handavaky eo amin'gny rindry ereo vo handay gny etan'ereo hiboaky. Hanako gny tarehiny izy, ka sy hahita gny tany amin'gny masony. 13 Haparitakiko amin'gny haratoko vo ho trasy amin'gny fandriko izy; boakeo handesikoagny Babylona, gny tanin'ereo Kaldeana izy, fa sy hahita anizay. Ho faty agny izy. 14 Haparitakiko amin'gny lala aby avo koa reo aby magnodidy anazy vo gny tafiny aby, vo handefa mesa hagnenziky andreo Zaho. 15 Boakeo ho fatas'ereo fa Zaho gny Yaveh, gny fa haparitakiko eo amin'ireo firene ereo sady haeliko manera reo tany. 16 Fa hamindra fo olo masaiky eo amin'ereo Zaho amin'gny mesa, mosary, vo areti-mandripaky, ba hitahiry gny fahvetavetan'ereo aby eo amin'ireo tany ze hangalako anazy ereo, dra ho fatan'ereo fa Zaho gny Yaveh.'" 17 Avy taminahy gny zakan'i Yaveh nanao ho: 18 " Ry zanak'olo, hano am-pangovita gny mofonao, vo inomy am-pangovita vo tahosy gny ranonao. 19 Boakeo zakao amin'ireo vahoakin'gny tany ho: 'Gny Tompo Yaveh dra mizaka anizahoky mahakasiky an'ireo ponin'i Jerosalema, vo gmy tanin'israely: Hihina gny mofony am-pangovita ereo sady hino gny ranon'ereo eo am-pangovita, akory ho foa amin'gny fahafenoany gny tany nohon'gny herisetran'ereo aby mony ao. 20 Dra ho lao reo tana ze sy nisy ponina, vo ho ngaza gny tany; dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh.'" 21 Avy taminahy ndraiky gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 22 " Ry zanak'olo, ino tiky ohabola zay anagnandrareo eo amin'gny tanin'Israely tiky zay manao ho: 'Mihalava gny andro, sady sy mahomby gny fahitan'aby'? 23 Noho zay, zakao andreo ho: 'Gny Tompo Yaveh dra mizaka anizahoky: Ho taperiko tiky ohabola tiky, vo sy hapiasa anizay sasy gny vahoakin'Israely.' Zakao andreo ho: ' Mariny gny andro gny fa ho tateraky gny fahita aby. 24 Fa sy hisy fahita diso sasy na sikidy soa amin'gny akohonan'Israely. 25 Fa Zaho gny Yaveh! Mizaka Zaho, sady manao reo zaka zinakako. Sy ho tara sasy reo ze zinakako. Fa hizaka anizahoky zaka zahoky Zaho amin'gny andronndrareo, ry taranaky pikomy, sady hanao anizay!---zay gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.'" 26 Avy taminahy ndraiky gny zakan'Yaveh, nanao ho: 27 " Ry zanak'olo! Ingo, gny akohonan'Israely dra nizaka ho: 'Gny fahita ze hitany dra ho amin'gny andro maro manomboky amizao, vo maminany gny amin'gny foto bo lavisy izy.' 28 Noho zay dra zakao andreo ho: 'Gny Tompo Yaveh dra mizaka anizao: Gny zakako dra sy ho tara sasy, fa gny zaka ze zinakako dra ho ahy---zay gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.'"