Toko faha 11

1 Dra napiakasy anahy gny Fagnahy ka nanday anahy tagny amin'gny vavahady asignanan'gny tragnon'i Yaveh, zay miansignana, dra ingo, nisy lelahy dimy amby ropolo teo amin'gny lala magnagny amin'gny vavahady. Hitako teo amin'ereo iJazania zanadahin'i Azora vo Pelata zandahin'i Benaia, pitariky gny vahoaky. 2 Ho Zagnahary taminahy ho: " Ry zanak'olo, reo gny olo ze nihevi-drasy, vo nanapa-kevisy hiteti-drasy tamin'itiky tana tiky. 3 Ho ereo ho: 'Sy fotoan'gny fagnorena tragno zao; tiky tana tiky gny vilagny, vo sika gny hena.' 4 Noho zay dra maminania hanohisy andreo. Maminania, ry zanak'olo." 5 Dra nizoso taminahy gny Fagnahin'i Yaveh vo ho Izy taminahy: " Zakao ho: Zao gny zakan'i Yaveh: araky ze zakandrareo, ry akohonan'Israely; fa fatasiko gny ao an-saindrareo. 6 Fa napitombo gny olo ze novonondrareo tamin'itiky tana tiky handrareo sady nameno gny lalambeny tamin'izay. 7 Noho zay, dra zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: Gny olo ze novonondrareo, zay nahapasindrareo teo agnivon'i Jerosalema gny fatiny, gny hena, vo tiky tana tiky gny vilagny. fe handrareo dra andesy miala eo agnivon'itiky tana tiky. 8 Natahosy gny mesa handrareo, koa handay gny mesa ho amindrareo Zaho---zay gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. 9 Handay andrareo hiala eo agnivon'itiky tana tiky Zaho, vo hametraky andrareo ho eo an-tagnan'ireo hafa firene, akory handay fisara hanohisy andrareo Zaho. 10 Ho lavon'amesa handrareo. ha sarako ao amin'gny faritanin'Israely handrareo ka ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh. 11 Tihoky tana tihoky dra ho vilagny fandrahoandrareo, na ho hena ao agnatin'izay handrareo. Hisara andrareo ao amin'ireo faritanin'Israely Zaho. 12 Dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh, Gny raiky zay sy narahindrareo gny liliny. Fa kosa, gny lilin'ireo firene ze magnodidy andrareo gny notaterahindrareo." 13 Vo gny bo naminany zaho, dra maty i Pelatia zanadahin'i Benaia. Koa nikarapoky niakohoky zaho ka nihiaky tamin'gny feo fatrasy vo nanao ho: " Indrisy, ry Tompo Yaveh, moa se handripaky tateraky gny sisa amin'Israely Hanao?" 14 Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 15 " Ry zanak'olo, reo rahalahinao! Reo rahalahinao! Reo lelahin'gny fokonao vo gny akohonan'Israely aby! Izy aby reo gny nizakan'ireo nipetraky tagny Jerosalema ho: 'Lavisy an'i Yaveh ereo! Tihoky tany tihoky dra nome anay ho fanagnanay.' 16 Noho zay zakao ho: ' Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: Ndre dra fa nangalaky andreo lavis'ireo firene aza Zaho, vo ndre dra fa napiely andreo teo amin'gny tany aza Zaho, fe dra fitoera masy ho andreo nandrisy gny fotoa keliky tagny amin'gny tany ze nandehan'ereo Zaho.' 17 Noho zay zakao ho: Ho voriako boak'amin'gny vahoaky handrareo, vo havoriko boak'amin'ireo tany ze nielezandrareo handrareo, ka homiako andrareo gny tanin'Israely.' 18 Dra handeha agny ereo ka hangalaky gny raha maharikoriko aby vo gny fahavetaveta aby amin'izay toera zay. 19 Hagnomia andreo fo raiky Zaho, vo hametraky fagnahy vaovao ao amin'ereo. Ho alako ao amin'gny nofon'ereo gny fo vato ka homeko fo nofo ereo, 20 ba hagnarahan'ereo gny lalako, hagnataterahan'ereo gny liliko vo hanovan'ereo anizay. Dra ho vahoakiko ereo, vo ho Zagnaharin'ereo Zaho. 21 Fe ho an'ereo ze mandeha am-pitiava magnagny amin'ireo raha maharikorikony vo reo fahvetavetany, dra handesiko ho eo an-dohan'ereo avo gny fitondrantegnany---zay gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh." 22 Nanondrosy gny elany vo kodiarany zay teo agnilan'ereo gny kerobima, vo teo ambonin'ireo gny voninahisin'gny Zagnaharin'Israely. 23 Dra niakasy boakao agnivon'gny tana vo nisanga teo an-tezovohisy teo asignanan'gny tana gny voninahis'i Yaveh. 24 Nanondrosy anahy gny Fagnahy dra nanday anahy tagny Kaldea, tagny amin'ireo voasesitany, tamin'gny fahita aboak'amin'gny Fagnahin'Agnahary, vo gny fahita ze hitako niakasy boaky teo aminahy. 25 Dra nagnambara tamin'ireo voasesitany gny rahan'i Yaveh aby ze hitako zaho.