Toko faha 10

1 No nagnety magnagny amin'gny eloelo zay teo an-dohan'gny Kerobima zaho; dra nisy raha niseho teo ambonin'ereo manahaky gny safira mana endriky seza fiandriana. 2 BOakeo Yaveh niresaky tamin'gny lelahy nisiky rongony fosy dra nanao ho: " Mandehana eo agnelagnelan'ireo kodia eo ambanin'ireo Kerobima, dra feno amin'ireo bakafo mirehisy boakeo agnelagnelan'gny Kerobima gny tagnanao dra aparitaho eo amin'gny atana ereo." Dra nandeha ralelahy no nagnety zaho. 3 DRa nizoro teo an-kavanan'gny tragno gny Kerobima gny fa nilisy gny lelahy, vo nisy raho nameno gny tao agnatin'gny kianza. 4 Nisandrasy boakeo amin'gny Kerobim gny voninahis'i Yaveh vo nizoro teo an-tokonam-batragnaran'gny tragno. Nameno gny tragno tamin'gny raho izay, vo dra feno gny famirapiratan'gny voininahis'i Yaveh gny kianza. 5 Gny feon'gny helasin'gny kerobima dra re hatragny ivelan'gny kianza, sahala gny feon'Agnahary Tsitoha gny fa mizaka Izy. 6 Vo gny fa nandidy gny lelahy nisiky rongony fosy Zagnahary dra nanao ho: " Mandrambesa afo boakeo agnelagnelanireo kodia zay eo amin'gny kerobima," dra nilisy ralelahy vo nisanga teo agnilan'gny kodia. 7 Nisy kerobima raiky naninzisy gny tagnany teo agnelagnelan'gny kerobima ho amin'gny afo zay teo amin'gny kerobima, dra nanandrasy vo nametraky anizay teo an-tagnan'gny nisiky rongony fosy.Noresin-dralelahy zay dra nandeha niboaky izy. 8 Nahita raha sahala gny tagnan'olo tao ambanin'gny elas-ereo zaho teo amin'gny kerobima. 9 Dra nagnety zaho, vo ndreo! Kodia efasy gny teo agnilan'gny kerobima---kodia raiky teo agnilan'gny isaky kerobima---vo gny endrik'ireo dra manahaky gny vato berila. 10 Gny endrik'ereo dra mitovy endriky amin'gny efasy aby amin'ereo, manahaky gny kodia mihao amin'gny kodia hafa. 11 Gny fa niala ereo, dra nilisy tao amin'ireo lala efasy sy misy felogna amin'ireo lala-kafa. Fa kosa, ndre teza ndre teza niatrefan'gny loha, dra narahin'ereo zay. Dra sy nihery tagny amin'gny lala-kafa araky ze nandehanany sasy ereo. 12 GNy ain'ereo manotolo---isan'izay gny lambosiny, reo tagnany, vo reo elany---dra voarakosy maso, vo maso avo koa gny nandrakosy gny kodia efasy magnodidy. 13 No niteno zaho, dra nisy nizaka ho: "mikodiadiava" ireo kodia. 14 Nana tarehy efasy aby ereo; gny tarehy volohany dra tarehin-kerobima, gny tarehy faharo dra tarehin-delahy, gny tarehy fahatelo dra liona, vo gny tarehy fahaefasy dra tarehy voro-mahery. 15 Boakeo nisanga gny Kerobima---dra gny raha-managn'ay zay hitako teo amoron'gny ony Kebara. 16 Isaky gny nihesiky gny kerobima, dra nandeha teo agnilany koa gny kodia , vo isaky gny nanandrasy gny elany ba hienga amin'gny tany gny kerobima, dra sy nivily reo kodia. Bo nizano teo agnilany reo. 17 Gny fa nizano gny kerobima, dra nizano koareo kodia, vo gny fa nienga reo, dra nienga nindray tamin'izay koa reo kodia akory amin'ireo kodia gny fagnahin'gny raha-managn'ay. 18 VO niala tao amin'gny tokonam-batragnaran'gny tragno gny voninahis'i Yaveh ka nizano teo amin'ireo kerobima. 19 Namelasy gny elany gny kerobima vo nienga tamin'gny tany teo amasoko gny fa niboaky ereo, vo nanao mitovy anizay teo agnilan'ereo gny kodia. Nizano tao amin'gny filira asignana magnao amin'gny tragnon'i Yaveh ereo, vo gny voninahisin'gny Zagnaharin'Israely dra avy teo amin'ereo aby teo ambony. 20 Reo gny raha-managn'ay ze fa hitako teo ambanin'gny Zagnaharin'Israely tamin'ireo lakan-drano Kebara, ka fatako fa kerobima reo! 21 Nana tarehy efasy aby vo elasy aby ereo, vo endriky tagnan'olo ambany elas'ereo, 22 vo gny endrikin'gny tarehiny dra manahaky gny tarehy ze fa hitako tao agnaty fahita tao amin'gny lakan-drano Kebara, vo nandeha nahisy gny kirairaiky aby tamin'ereo.