Toko faha 7

1 Gny laza soa dra soa loasy noho gny ranomagnisy lafo vidy, vo gny andro hahafatesa dra soa loasy noho gny andro hahateraha. 2 Soa loasy gny mandeha agny amin'gny tragno fandalagna noho gny agny amin'gny tragno firavoravoa, akory gny fandalagna dra avy amin'gny olon'aby amin'gny faran'gny fiaigna, katokony rambesin'gny olo velo am-po zay. 3 Gny alahelo dra soa loasy noho gny siky, fa afaran'gny tarehy malahelo gny hiavian'gny hafalian'gny fo. 4 Gny fon'gny hendry dra ao an-tragno fandalagna, fa gny fon'gny mola kosa ao an-tragno firavoravoa. 5 Soa loasy gny miteno zaka fatrasin'gny hendry noho gny miteno gny hiran'gny mola. 6 Fa manahaky gny fikarepok'ireo tandroky mirehisy ambany vilagny, dra manahaky anizay koa gny fihohin'ereo mola. Zay, avo koa, dra raha fahatany. 7 Gny fangala an-keriny dra azo atoky fa mahalasa gny mola ho hendry, vo gny kolikoly manimba gny fo. 8 Soa loasy gny fifaragnan'gny raharaha raiky noho gny fiandohany; vo gny olo maharisy am-panahy dra soa loasy noho gny mirehareha am-panahy. 9 Ka mora ory gny fagnahinao, akory gny hahoria dra mitoesy ao am-pon'ereo mola. 10 Ka mizaka ho: " NAgnino reo andro taloha gny soa loasy noho tahoky? " Fa zay dra sy noho gny fahendre no magnotany iho fagnotania iho hanao. 11 Gny fahendre dra soa noho reo raha manan-danza ze nolovainsika boakamin'ireo razambesika. Zay dra manday tombon-soa ho an'ireo ze mahita gny masoandro. 12 Fa gny fahendre dra manday fiarova manahaky gny vola zay afaky manday fiarova, fe gny tombon-soan'gny fahalala dra gny ho magnome fiaigna ho an'ize mana anazy gny fahendre. 13 Saino reo asan'Agnahary: Ia gny afaky hagnisy gny raha aby nivignirany? 14 No fa soa gny andro, dra miaigna amim-pifalia amin'izay hasoa zay, fa no fa rasy gny andro, dra saino gny momba tiky: Zagnahary dra fa nanenga anazy ro hindray. Noho zay antony zay, dra sy misy mahita gny raha aby ze mitranga afarany. 15 Fa nahita raha maro zaho nandris'ireo andro kelikiko. Misy reo olo-mary zay levo ndre dra eo aza gny fahamarignan'ereo, vo misy reo olo rasy fagnahy zay ela velo ndre dra eo aza gny harasian'ereo. 16 Ka magnamari-tegna, hendry eo amasonao. Nagnino gny tokony hanimba gny vatanao hanao? 17 Ka dra rasy fagnahy na mimolamola loasy. Nagnino hanao gny tokony ho faty mialohan'gny fotoanao? 18 Soa no mita iho fahendre iho hanao, dra sy tokony hanenga gny fahamarigna handeha. Fa gny olo ze matahosy an'Agnahary dra hahita reo adidiny aby. 19 Mahery gny fahendre ao amin'gny olon-kendry, mihoasy noho gny panapaky folo ao amin'gny tana raiky. 20 Sy misy olo-mary manao soa sady sy mbo mbo nanota zao mihisy an-tany etoky. 21 Ka miteno gny zaka aby ze voazaka, akory hahare gny panoponao hagnozo anao hanao. 22 Manahaky anizay koa, hanao dra mahafatasy fa nagnozo matetiky gny hafa tao am-ponao manoka hanao. 23 Reo aby reo dra fa voaporofo tamin'gny fahendre. Ho zaho ho: " Ho hendry zaho," fe nihoasy gny tokony ho izy zay. 24 Gny fahendre dra lavisy sady laliky. Ia gny afaky hahita anizay? 25 Nagnova gny foko mbo hianasy vo handiniky sady hitalia gny fahendre vo reo fagnazava gny raha misy zaho, dra hahatakasy fa mola gny rasy vo gny hamola dra fahaverezan-say. 26 Hitako fa mafaisy noho gny fahafatesa gny apela zay feno fandriky vo harato gny fony, vo misy rozo vy gny tagnany. Ndre ia ndre ia makasitraky an'Agnahary dra afaky aminazy, fa reo panota kosa ho lasany. 27 " Saino ze fa hitako," ho gny Mpitoriteny." Nagnapy vokam-pikaroha raiky tamin'gny hafa zaho mbo hahita fagnazava gny raha misy. 28 Zay gny mbo karohiko, fe sy hitako zay. Sy nahita olo-mary raiky teo amin'gny arivo zaho, dra sy nahita apela raiky teo amin'ireo iaby reo zaho. 29 Tiky avo gny fa hitako: fa Zagnahary dra mamoro gny olombelo ho mahisy, fe nandeha nitalia fahasahiragna maro ereo."