Toko 1

1 Tamigny tao fahatelo nazakan'i Joiakima pazakanigny Joda, Nebokadnezara pazakan'i Babylona avy tao Jerosalema dra nagnodidy gny tana ba hanapaky gny famasia aby ho an'izay. 2 Gny topo nagnome fandresena an'i Nebokadnezara teo amin'i Joaikima pazakanigny Joda, dra izy nagnome anazy tamireo raha masy boak'ao amigny tragnon'Agnahary. Ninday reo ho agny amigny tanin'i Babylona izy, ho agny atragnon'Agnahary, dra napetrany tao amigny fitoeran-drakisy gny zagnahariny reo raha masy. 3 Dra nizaka tamin'i Aspenaza, gny lahibenigny manapahefany, gny pazaka ba hinday gny ilany amireo zanak'Israely, amigny fianakavian'Agnahary vo gny agnomby firazagna__ 4 tovolahy sy misy kilema, manito amigny endriky ivelany, mahay amigny fahendrena aby, feno fahalala vo fahazava-say, dra voafaty ba hanopo ao amigny lapanigny pazaka. Izy dra hapianasy anereo gny literatioraBabyloniana vo gny fizakany. 5 Nagnisanigny pazaka azara isan'andro manoka amireo haniny vo ilany amireo divay ninomany ereo. Reo zatovo lahy reo dra napihofagny nandrisy gny telo tao, dra afaran'izay, dra hanopo gny pazaka ereo. 6 Agnisan'ireo i Daniela, Hanania, Misaela dra Azaria, ze ilany amireo olonigny Joda. 7 Namenigny lahibe manapahefa agnaran'ereo: Daniela tonokany ho Beltesazara, Hanania tokavy ho Sadraka, Misaela tonoka ho Mesaka, dra Azaria tonoka ho Abednedo. 8 Fa Daniela nihevisy tao asainy fa sy hagnoro gny vatany amin'ireo hanoraky gny Pazaka vo gny divay ze ninominy. Koa nangalaky alala tamy lahibeby manam-pahefafana ozy ba sy hagnoro gny vatany . 9 Dra nomen'Agnahary sitraky vo fahangoraham-po Daniela tamy fagnaza lahibe manampahefa anazy. 10 Nizaka tamin'i Daniela gny lahibe manampahefa ho:''Matahosy gny Pazaka tompoko zaho.Izy gny nandidy gny sakafo vo raha-finomindrareo. Nanao akory izy gny tokony hahita faharasia egny aminao mihoasy reo tovolahy hafa ze mitovy tao aminao?Mety hotapahiny Pazaka noho ianao gny lohako.'' 11 Laha teo Daniela niresaky tamy mpitandrin-draharaha ze nitendreny manampahefa lahibe ho an'i Daniela, Hananio, Misaela dra Azaria. 12 Hoy izy:''Hagnatio toera se zahay mpanomponao mandrisy gny folo andro. Omeo legimy hoaniny vo rano ho nomy avo zahay. 13 Dra ampitahao amy endriky ambalik'ereo tovolahy ze mihina gny hanoraky gny Pazaka gny poziny ambalikiny , dra atovy aminay, mpanomponao, araky ze hitanao.'' 14 Koa dra niombon-kevisy taminazy hanao anizay gny mpitandrin-draharaha, ka nagnety toera anazy reo nandrisy gny folo andro izy. 15 Tamy farany hafoloa gny poziny ambalik'ereo dra avy salama , dra voafaha soa mihoasy noho reo tovolahy ze nihina tamy hanim-piny Pazaka. 16 Ka dra nalany mpitandrin-draharaha reo hanoraky vo reo divan'ereo dra legimy avo gny nomeny ananzy reo. 17 Raha gny amin'ireo tovolahy efasy reo, nomen'Agnahary anazy reo gny fahalala vo fahalali-say amy literatiora vo gny fahendre, dra afaky mahatakasy reo karaza fahita vo nofy aby i Daniela. 18 Tamy fiafarany fotoa zay napetraky gny Pazaka hinday anazy reo , dra ninday 19 Nizaka tamin'ereo gny pazaka, dra sy nisy manahaky an'i Daniela, Hanania, Misaela dra Azaria tao amigny vondro raiky dra Azaria tao amigny vondro raiky manotolo. Nisanga nanoloa gny pazaka ereo, vonona gny hanopo anazy. 20 Tamy fagnontania aby mahakasiky gny fahendre vo gny fahazava-say ze napetraky gny Pazaka anazy reo, dra voavalin'ereo soa abo folo heny koa mihoasy gny an'ireo ambiasa vo reo ze mizaka ho miresaky amy maty, zay tagny amy fazakany aby zay. 21 Tany rava i Daniela hatramy tao volohany nazakany Pazaka Kirosy.