Toko faha 24

1 Fito tao i Joasy fa gny nanomboky nazaka;nazaka nandrisy gny efapolo tao Jerosalema izy. Gny agnaran-dreniny dra Zibia, laha tagny Berisheba. 2 Joasy dra nanao ze mary teo amason'i Yaveh tamy andro iaby niaignan'i Joiada, mpisoro. 3 Nangalaky valy ro ho anazy i Joiada, dra niteraky zanadahy vo zanakapela izy. 4 Tafaran'izay, dra tapa-kevisy gny hagnery amigny loniny gny tragnon'i Yaveh i Joasy. 5 Navoriny niaraky reo pisoro vo reo Levita, dra hoy izy tamin'ereo ho: "Manedana isa-tao agny amigny tanan'i Joda dra mamoria vola boak'amin'Israely aby ba hamboara gny tragnonigny Zagnaharindrareo. Atovy azo atoky fa hanomboky avy hatragny handrareo." Taminigny volohany dra sy nanao na ino na ino reo Levita. 6 Dra gny pazaka napitoka an'i Joiada, gny pisorom-be, dra nizaka taminazy ho: "Nagnino gny sy nasanao nandesin'ireo Levita boak'agny Joda vo Jerosalema gny hetra ze navorin'i Mosesy panopon'i Yaveh vo reo fengonan'Israely, ho amigny lainigny lalanigny fagneke?" 7 Fa reo zanadahin'i Atalia, gny apela rasy fagnahy, namotiky gny tragnon'Agnahary dra nagnome reo raha masin'aby tao atragnon'i Yaveh ho an'ireo Bala. 8 Dra nandidy gny pazaka, dra namboasy vata ereo dra nametraky anizay teo ivelanigny fidira magnao atragnon'i Yaveh. 9 Gny fa izay dra nanao famboara nanera an'i Joda vo Jerosalema ereo, gny ba hindesanigny vahoaky ho an'i Yaveh gny ze navorin'i Mosesy aby panopon'Agnahary tamin'Israely tagny agnefisy. 10 Dra nifaly reo pitariky vo gny vahoaky aby dra ninday vola dra nametraky anizay teo amireo vata mandra-pahafenon'ereo izay. 11 Isaka gny minday gny vato ho agny amigny manam-boninahisy gny pazaka reo Levita, dra isak'ize hitan'ereo fa misy vola maro ao agnatin'izay, dra avy gny panora-dalananigny pazaka vo gny manam-boninahisy gny pisorom-be, dra nagnafoa gny vata, vo nangalaky anizay dra ninday anizay hihery ho eo amigny toerany. Nanao anizay isan'andro isan'andro ereo, namory vola maro. 12 Namenigny pazaka vo Joiada ho an'ireo ze nanao gny asa fanopoa teo agnatrehan'i Yaveh gny vola. Nagnarama panao tragno vo pandrafisy reo lelahy reo ba hagnery amigny loniny gny tragnon'i Yaveh, dra niasa tao avo koa reo panefy vy vo varahy. 13 Dra nisasasy gny piasa, dra gny asa famboara dra nandroso teo atagnan'ereo; naorin'ereo manahaky gny endriny tamigny volohany gny tragnon'i Yaveh dra nihamafisiny zay. 14 Gny fa vitan'ereo, dra nizaka tagny amin'i Joiada vo gny pazaka gny ambim-bola. Izay vola zay dra hapesa hanova fanaky ho anigny tragnon'i Yaveh, reo kozakoza eti-manopo vo hanova fagnatisy__sotro vo kozakoza volamena vo volafosy. Sy nisahasy nanolosy fagnatisy oroa tao amigny tragnon'i Yaveh ereo tamigny andron'i Joiada aby. 15 Niha atisy vo ela andro nianiana i Joiada, dra maty izy; 130 tao izy gny maty. 16 Nangan'ereo tao amigny tanan'i Davida niaraky tamireo pazaka izy, akory nanao gny soa tagny Israely, tamin'Agnahary, dra tamigny tragnon'Agnahary izy. 17 Dra tafaranigny nahafatesan'i Joiada, dra avy reo pitarik'i Joda dra nakato gny pazaka. Dra niteno anereo gny pazaka. 18 Nahafo gny tragnon'i Yaveh, gny Zagnaharin'ireo razambeny ereo, dra nanopo reo zagnahary Aseraha vo reo sapy. Avy tamin'i Joda vo Jerosalema gny haorian'Agnahary noho izay fanovan'drasin'ereo izay. 19 Nefa nagniraky paminany ho agny amin'ereo Izy ba hinday anereo hihery agny aminazy, Yaveh ndraiky; nizoro vavolombelo hanohisy gny vahoaky reo paminany saiky nanda gny hiteno ereo. 20 Avy tamin'i Zakaria zanadahin'i Joiada, gny pisoro gny fagnahin'Agnahary; nisanga teo agnabonigny vahoaky Zakaria dra nizaka tamin'ereo ho: "Izao gny zakan'Agnahary: nagnino gny mandika anireo didin'i Yaveh handrareo, dra sy mahita fagnambina? Ko akory nahafo an'i Yaveh handrareo, dra nahafo andrareo avo koa Izy." 21 Kanefa ereo nitetiky hanohisy anazy; tamireo didinigny pazaka, dra nitora-bato anazy teo akiazanigny tragnon'i Yaveh ereo. 22 Tamizay fomba zay, Joasy, pazaka, dra sy niraharaha gny hasoa-fagnahy nataon'i Joiada, baban'i Zakaria, taminazy. Fa koa, namono gny zanadahin'i Joiada izy. Gny fa maty i Zakaria, dra hoy izy ho: "Yaveh anie hahita anizao dra hamaly anao." 23 Dra tamigny farafaranigny tao, dra niakasy hanohisy an'i Joasy gny tafik'i Syria. Avy tao Joda vo Jerosalema ereo; nivonon'ereo gny pitarikigny vahoaky aby dra nandefa reo babo aby ho agny amigny pazakan'i Damaskosy ereo. 24 Gny tafik'ireo Syriana dra avy niaraky tamigny tafiky kely, fa Yaveh gny nagnome anereo fandrese teo amireo tafiky lahibe dra lahibe, akory nahafo an'i Yaveh, gny Agnaharin'reo razamben'ereo gny Joda. Tamizay gny nisaranigny Syriana an'i Joasy. 25 Tamigny fotoa nadehanan'ireo Syriana, dra fa narasy fatrasy i Josy. Reo panopony avo gny nitetiky hanohisy anazy nohonigny famonoa reo zanadahin'i Joiada, pisoro. Nivonon'ereo teo ambony fandriany izy, dra maty; nalevin'ereo tao amigny tanan'i Davida izy, fa sy tao amigny lolon'ireo pazaka. 26 Tahoky gny olo ze nitetiky hanohisy anazy: Dre Zabada zanadahin'i Simata, gny Amonita; dra Jozabada zanadahin'i Simrita, gny Moabita. 27 Amizao gny mahakasiky gny zanadahiny, gny faminania lahibe ze nizaka gny mahakasiky anazy, vo gny fagnoregna ndraiky gny tragnon'i Yaveh zagnahary, ingo, fa voasorasy ao amigny bokinigny tataranigny pazaka zay. Amazia zanadahiny, gny nazaka nandimby gny toerany.