Toko faha 22

1 Reo panopn'i Jerosalema dra nanao na'i Ahazia, faralahin'i Jehorama, ho pazaka handimby anazy, fa gny tarik'ireo lelahy zay nindray tamin'ireo Arabo nilisy tao amigny toby dra nagnome reo zanany lahy lahibe aby. Dra Ahazia zanaky lahin'i Jehorama, pazakan'i Joda, gny avy pazaka. 2 Ro amby efa-polo tao i Ahazia gny nanomboky nazaka; nazaka heritao tao Jerosalema izy. Atalia gny agnaran-dreniny;zanakapelan'i Omry izy. 3 Nandeha tamy lalany traanak'i Ahaba avo koa izy satria gny reniny gny mpanolosay anazy tamy fanovan-drasy. 4 Nanao zay rasy teo amason'i Yaveh i Ahaza, manahaky ze nataony taranak'i Ahaba, satria izy reo gny mpanolosay tafarany nahasatesan-drany, ho amy faharavany. 5 Nagnaraky gny torohevisin'ereo avo koa izy;nandeha niaraky tamin'i Jorama zanadahin'i Ahaba, Pazakan'Israely izy, ba hialy amin'i Hazaela, Pazakan'i Syria, tagny Ramota-gileada.Nandrasy an'i Jorama reo Syriana. 6 Nihery tagny Jezirela i jorama ba hagnasitrana gny rasy ze nataon'ereo taminazy tagny Rama, tamin'izy nialy tamin'i Hazaela, Pazakan'i Syria. Ka dra nizoso tagny Jezirela i Ahazia zanadahin'i Jehorama, Pazakan'i Joda, ba hagnety an'i Jorama zanadahin'i Ahaza, satria narasy i Jorama. 7 Dra gny faharavan'i ahazia dra nandesin'Agnahary tamy famangian'i Ahaza an'i Jorama. Fa gny avy izy, dra niaraky tamin'i Jehorama ba hanafiky an'i Jeho zanadahin'i Nimsy, zay fa nifilin'i Yaveh handrava gny taranak'i ahaba. 8 Dra fa gny nagnatateraky gny fisaran'Agnahary teo amy taranak'i Ahaba i Jeho, dra nahita reo mpitariky an'i Joda vo reo zanadahiny rahalahiny'i Ahazia nanompo an'i Ahazia izy.Nivonon'i Jeho izy reo. 9 Nitalia an'i Ahazia i Jeho;nisamborin'ereo tao am-pierena tao Samaria izy, nandesiny tagny amin'i Jeho, ka nivonony izy. Laha teo nalevin'ereo izy, fa hoy izy reo ho:''Izy dra zanadahin'i Josafata, zay nitalia an'i Yaveh tamy fony aby.''Dra sy nana fahefa hanapaky gny fazaka sasy gny taranak'i Ahazia. 10 Dra fa hitan'i Atalia , renin'i ahazia fa maty gny zanadahiny, dra nisanga izy drac namono reo zanak'andria fa gny tao amy taranak'i Joda. 11 Kanefa i Josebam zanakapelany Pazaka , nangalaky an'i Joasy, zanadahin'i Ahazia, dra nangalaky anazy teo amin'ireo zanadahiny Pazaka ze nivonony.Napetrany tao amy efitragno fandrianyv izy vo gny piteza anazy. Dra Joseba, zanakapelan'i Jehorama Pazaka, valin'i Jehoiada mpiso (fa anabavin'i Ahaza izy), nagnavony anazy tamin'i atalia, ba sy hamonoan'i Atalia anazy. 12 Niara-niery tamin'ereo tao an-tragnon'Agnahary nandrisy gny enin-tao izy, raha bo i Atalia gny nazaka teo amy tany.