Toko faha 20

1 Dra tafaran'izay, dra avy nanohisy an'i Josafata reo vahoakin'i Moaba vo Amona, dra niaraky tamin'ereo gny Monita ilany. 2 Dra avy gny ilany nizaka tamin'i Josafata, nanao anizahoky ho: "Maro be reo ho avy hanohisy anao boak'agny an-dafinigny Ranomasy maty, boak'agny Edoma. Ingo, ao Hazezo-tamara ereo," ze Enjedy. 3 Lasa natahosy vo napizaha gny vatany ba hagnety an'i Yaveh i Josafata. Nitalily fifalia-kany eran'i Joda aby izy. 4 Niara-niango hialy an'i Yaveh gny Joda aby; avy hitalia an'i Yaveh tagny amireo tanan'i Joda aby ereo. 5 Dra Josafata nisanga teo amy fiangonan'i joda vo Jerosalema, tao an-trgnon'i yaveh, teo anoloany kiaza vaovao. 6 Hoy izy ho:''Ry Yaveh, gny Zagnahar'ireo razambenay, sy ianao se gny Zagnahary gny lagnisy?Sy ianao se gny mpanapaky eo amin'ereo fazakany firenena iaby?gny hery vo gy fahefana dra eo an-tagnanao , koa sy misy afaky hahatohisy anao. 7 Ry Zagnaharinay,sy ianao se gny nandroaky gny mpony teto amin'itio tany itio nanoloa an'Israely olonao, vo nagnome anizay mandrakizay ho an'ireo taranak'i Abrahama? 8 Mony tao amin'izay vo nagnory fitoera masy tao ho agny agny agnaranao izy reo, nanao ho: 9 'Raha avy eto aminay gny loza-gny sabasy, gny fisara, na arety, na mosary-dra hisanga eo anoloan'itio tragnony itio , vo eo anoloanao zahay (fa ato amy itio tragno itio gny agnaranao), dra hitomagny anao zahay amy fahorianay, ka hahare vo hamozy anay ianao.' 10 Dra ingo, indreo dra reo vahoakin'i amona, Moaba, dra gny tendrombohisy Seira ze sy nanganao ho tafihin'Israely fa gny niboaky laha tagny amy tany Egypta izy reo;fa niala tamin'ireo gny Israely dra sy nandrava anazy reo. 11 Ingo gny fomba hanonerany asika; avy handroaky asika hiala ao amy taninao ze nomenao ho lovanay izy reo. 12 Ry Zagnaharinay o, sy hisara anazy reo se Ianao?Fa sy mana hery hanohera anizay tafiky lahibe avy hanohisy anay zay zahay.Sy fatanay ze tokony hatao, fa gny masonay dra agny aminao.'' 13 Nisanga teo anoloan'i Yaveh gny Joda aby, niaraky tamin'ereo mandinik'ereo, reo valiny , vo reo zanany. 14 Dra teo agnevony fiangona, gny avy tamin'i Jahaziela, zanak'i Zakaria, zanak'i Benaia, zanak'i Jeiala, zanak'i Matania, gny Levita, raiky tamin'ireo zanak'i Asafa gny fagnahin'i Yaveh. 15 Hoy Jahaziela ho:''Tenoy, ry Joda iaby vo gny mponian'i Jerosalema, dra ry Josafata Pazaka. Zao gny zakan'i Yaveh amindrareo ho:'Ka matahosy ;ka kivy noho zay tafiky lahibe zay, fa sy ho andrareo gny aly, fa ho agn'Agnahary. 16 Sy maisy hizoso hanohisy anazy reo iandrareo maray.Ingo, hiakasy amy lala miriosy agny Ziza izy reo. Hahita anazy reo eo amy farany lohasaha iandrareo, eo alohany efisin'i Jeroela. 17 Sy mila mialy amin'izay aly zay iandrareo.Mizoroa eo amy fitoerandrareo, mizanogna , ka hatio gny famozean'Yaveh andrareo, ry Joda vo Jerosalema. Ka matahosy na kivy. Miboaha hanohisy anazy reo maray , fa Yaveh hitahy andrareo.''' 18 Nampandohaliky gny tavany teo amy tany i Josafata. gny Joda iaby vo gny mponin'i Jerosalema dra niondriky teo anoloan'i Yaveh, nihoby anazy. 19 Reo Levita, vo reo taranaky gny Kehatita vo Koraita, nisanga ba hidera an'i Yaveh , gny Zagnahary gny Israely, tamy feo mahery. 20 Bo maraindraim-be dra nisanga izy reo ka noboaly nagnagny amy efisin'i Tekoa. Raha niboaky igny izy reo, dra nisanga Josafata dra nizaka ho:''Mitenoa anahy, ry Joda, vo iandrareo mponin'i Jerosalema! MInoa an'i Yaveh Zagnaharindreo, dra ho tohana iandrareo. Matokia an'ireo mpaminaniny, dra hahomby hiandrareo .'' 21 Fa gny nagnontany gny olo izy , dra nanendry reo tokony hihira ho an'i Yaveh vo hidera anazy noho gny voninahiny masy izy, raha niboaky nialoha gny tafiky izy reo, dra nanao ho:''Misaora an'i Yaveh, fa maharisy mandrakizay gny famin-dram-pony.'' 22 Fa gny nanomboky nihira vo nanompo izy reo, dra nametraky lelahy hamely tampoky gny vahoakin'i Amona, vo Moaba, mdra gny tendrombohisy Seira, zay avy hanohisy an'i Joda i Yaveh. Dra resy izy reo. 23 Dra nisanga hialy hanohisy gny mpony laha tao an-tendrombohisy Seira gny vahoakin'i Amona vo Moaba, ba hamono tateraky vo handringa anazy reo. Fa gny vitan'ereo gny amy mponiny ao an-tendrombohisy Seira, dra hifamono izy reo. 24 Raha avy laha teo amy toera fitazana gny efisy gny Joda, dra nagnety gny tafiky izy reo. Ingo,fa maty izy reo,lavo tamy tany;sy nisy afa-nandososy. 25 Raha avy handroba teo amin'ereo Josafata vo gny vahoakiny , dra nahita raha maro be, akazo , vo fitova sarobily, zay nalany ho anazy reo,mihoasy noho zay azon'ereo nandesy.Naharisy hateloa gny fandroban'ereo, fa be loasy zay gny teo. 26 Tamy andro fahefasy dra nivory teo amy Lohasahan'i bereka izy reo. Tagny gny nideran'ereo an'i Yaveh, ka natao ho''Lohasahan'i Bereka''gny agnaran'izay toera zay mandrak'androany. 27 Dra nihery izy reo , gny olo aby tao Joda vo Jerosalema, dra tao amy fignazan'ereo i Josafata, ba handeha hagnagny Jerosalema am-pifalia draiky, fa Yaveh fa nampifaly anazy reo teo amin'ireo fahavalony. 28 Laha tagny Jerosalema vo tao an-tragnon'i Yaveh niaraky tamin'ereo lokanga, valiha, dra trompetra izy reo. 29 Gny horohoron'Agnahary dra teo amin'ireo fazakany firenena iaby raha nahare izy reo fa Yaveh dra nitalia hanohisy reo fahavalon'Israely. 30 Ka dra nangina gny fazakan'i Josafata, satria nagnome fiadana anazy nagnodidy anazy aby gny Zagnahariny. 31 Nazaka teo amy Joda i Josafata:dimy amby telo-polo tao izy raha nanomboky nazaka, dra nazaka dimy amby ro-polo tao Jerosalema izy. Gny agnaran-dreniny dra Azoba, zanakapelan'i Sily. 32 Nandeha tamin'ireo lalan'i Asa rany izy;dra sy niala taminigny ;nanao ze mary teo amason'i Yaveh izy. 33 Na zay avo, sy niravany reo fitoera abo.Gny vahoaky dra sy bo nitariky gny fon'ereo ho amy Zagnahary gny razamben'ereo. 34 Dra raha gny amin'ireo raha hafa mahakasiky an'i Josafata, volohany sady farany, ingo, izy reo dra fa voasorasy ao amy tataran'i Jeho zanak'i Hanany, zay voarakisy asorasy ao amy bokon'ireo Pazakan'Israely. 35 Dra tafaran'izay Josafata, Pazakan'i Joda dra niray hina tamin'i Ahazia, Pazakan'Israely, zay nanao faharasia maro. 36 Niray hina taminazy izy ba hagnamboasy sambo handehana agny Tarsisy. Tao Ezion-gabera gny nagnamboaran'ereo gny sambo. 37 Dra Eliezera zanak'i Dodavaho laha tagny Maresa, dra naminany hamely an'i Josafata;hoy izy ho:''Satria fa niray hina tamin'i Ahaza ianao, dra niravan'i Yaveh reo tetikasanao.''Nirendriky gny sambo ka sy afaky niondra gny sambo izy reo.