Toko faha 18

1 Dra Josafata nana hanagna vo voninahisy be; izy dra nihavana tamin'i ahaba tamy nanambaliany tao raiky amy fianakaviany zanakapelany. 2 Tao maromaro tatio afara , dra nizoso tagny amin'i Ahaba tagny tany Samaria izy.Namono agn'ondry vo osy maro ho anazy vo reo olo niaraky taminazy i Ahaba. Nandresy lahasy anazy ba hanafiky an'i Ramota Gileada hiaraky aminazy koa Ahaba. 3 Hoy Ahaba, Pazakan'Israely, tamin'i Josafata, Pazakan'i Joda ho:''Handeha hiaraky aminahy ho agny Ramota Gileada se anao?''Namaly anazy Josafata ho:''Manahaky anao avo zaho, dra gny vahoakiko dra manahaky gny vahoakinao; hiaraky amindrareo agny amy aly zahay.'' 4 Hoy Jesafata tamy Pazakan'Israely ho:''Ba taliavo aloha gny zakan'i Yaveh ho amy vali-zakanao.'' 5 Laha teo gny Pazakan'Israely nampivory reo mpaminany, lelahy efa-zato, ka nizaka tamin'ereo ho:''Tokony handeha hialy agny Ramota Gileada se isika, sa aha?Hoy izy reo ho:''Tafiho, fa Zagnahary hagnome anizay eo an-tanany Pazaka.'' 6 Saiky hoy Josafata ho:''sy bo misy mpaminan'i Yaveh hafa ze afaky hangalasika hevisy se eto?'' 7 Hoy gny Pazakan'Israely tamin'i Josafata ho:''Bo misy lelahy raiky ze afaky hangalasika gny hevisin'i Yaveh, dra Mikaia zanadahin'i Jimla, saiky halako izy satria sy naminany soa nahakasiky anahy mihisy izy, fa rasy avo . ''Fa hoy Josafata ho:''Sy tokony hizaka anizay gny Pazaka.'' 8 Laha teo nitoka manam-pahefa gny Pazakan'Israely dra nizaka ho:''Andeso malaky i Mikaia zanadahin'i Jimla.'' Dra samby nipetraky tamigny seza fiandriana aby i Ahaba pazakan'Israely vo Josafata pazakan'i Joda, nitafy gny akazo lavan'ereo, teo amigny toera malalaky anoloanigny fidira gny vavahadin'i Samaria, dra gny paminany aby dra naminanany teo agnatrehan'ereo. 10 Zedekia zanadahin'i Kenana dra namboasy tandroky vy ho anigny vatany dra nizaka ho: "Izao gny zakan'i Yaveh: Amireo gny hanotoa reo Syriana mandra-pahalevon'ereo." 11 Nitovy faminania reo paminany aby, nanao anizahoky ho: "Tafiho Ramota Gileada dra takaro, fa namen'i Yaveh teo atagnanigny pazaka zay." 12 Gny iraky ze nandeha nitoka an'i Mekaia nizaka taminazy, nanao anizahoky ho: "Ingo izao, gny zakan'ireo paminany dra magnambara raha soa amigny pazaka amigny feo toka. Aoky gny zakanao hanahaky gny zakanigny raiky amin'ereo dra hizaka raha soa." 13 Namaly Mikaia ho: "Raha bo velo koa Yaveh, dra ze raha zakan'Agnahary gny hotaliliko." 14 Gny fa avy tagny amigny pazaka izy, dra hoy gny pazaka taminazy ho: "Ry Mikaia, tokony handeha hialy agny Ramota Gileada ra isika, sa aha?" Namaly anazy Mikaia ho: "Tafiho dra mandresia! Fa ho fandrese lahibe zay." 15 Boak'eo gny pazaka nizaka taminazy ho: "Ipiry gny hapianiagnako anao sy hizaka afa-sy gny mary aminahy amigny agnaran'i Yaveh?" 16 Dra hoy Mikaia ho: "Nahita gny Israely aby niparitaky tegny amireo tendrombohisy zaho, manahaky gny agnondry sy misy piamby, dra hoy Yaveh ho: 'Sy mana piamby agnondry reo. Aoky gny lelahy aby hihery apilamina agny atragnony."' 17 Noho izay dra hoy gny pazakan'Israely tamin'i Josafata ho: "Sy fa nizaka anao ra zaho fa izy dra sy haminany soa mahakasiky anahy, fa loza avo?" 18 Boak'eo dra hoy Mikaia ho: "Noho izay handrareo aby dra tokony hiteno gny zakan'i Yaveh: Nahita an'i Yaveh nipetraky teo amigny seza fiandrianany zaho, dra gny maramilanigny lagnisy aby nizoro teo akavanany vo teo akaviany. 19 Hoy Yaveh ho: 'Iza gny hitao an'i Ahaba, pazakan'Israely, ba hahafahany hiakasy agny Ramota Gileada dra ho lavo agny?' Gny raiky nizaka anizao dra gny hafa nizay anizay. 20 Tafaran'izay dra nisy fagnahy nandroso dra nizoro teo anoloan'i Yaveh vo nizaka ho: 'Hitao anazy zaho' Hoy Yaveh taminazy ho: 'Amigny fomba akory?' 21 Dra namaly gny fagnahy ho: 'Hiboaky zaho dra ho lasa fagnahy pavandy ao am-bavan'ireo paminany aby.' Namaly Yaveh ho: 'Hitao anazy hanao, dra hahomby koa handrareo. Ko amizao mandehana dra atovy izay.' 22 Ingo dra amizao, Yaveh nametraky fagnahy pavandy tao am-batrangaran'ireo paminaninao reo, dra Yaveh nandidy loza ho andrareo." 23 Dra avy i Zekedia zanadahin'i Kenana, namelaky gny takolak'i Mikaia, dra nizaka ho: "Teza gny lala nialanigny fagnahin'i Yaveh taminahy ba hizaka aminao?" 24 Hoy Mikaia ho: "Ingo, ho fataao izay amizay andro zay, gny fa mihazakazaky niafy agny amigny efitragno agnatiny ilany hanao." 25 Nizaka tamigny panopo ilany gny pazakan'Israely ho: "Samborindrareo vahoaky i Mikaia dra andeso ho agny Amona, gny governoranigny tana izy, vo agny amin'i Joasy, zanadahiny. 26 Handrareo vahoaky hizaka aminazy ho: 'Hoy gny pazaka ho: apidiro agny apoza io lelahy io dra fahano mofo vo rano kely izy, mandra-piheregnako soa ama-sara."' 27 Boak'eo Mikaia nizaka ho: "Raha tafahery soa ama-sara hanao, dra sy nizaka tamigny alalako Yaveh." Dra bo napiany ho: "Tenoy zay, handrareo ry vahoaky aby." 28 Dra vniakasy hanohisy an'i Ramota Gileada i ahaba, Pazakan'Israely, vo Josafata , Pazakan'i Joda. 29 Hoy gny Pazakan'Israely tamin'i Josafata ho:'Hiova tava zaho dra handeha ho amy aly, fa hatovy gny akazo lavany Pazaka.''Koa dra niova nanao olon-kafa gny Pazakan'Israely, dra nandeha tagny amy aly izy reo. 30 Dra gny Pazakan'i Syria dra nandidy reo Kapitenin'ireo kalesiny, nanao ho:''Ka manafiky reo miaramila manan-kaza na sy manan-kaza . Fa gny Pazakan'Israely avo gny tafiho.'' 31 Dra fa gny nahita an'i Josafata reo kapiteniny kalesy dra hoy izy reo ho:''Igny gny Pazakan'Israely.''Nihery ba hanafiky anazy izy reo , saiky nikoraky fatrasy Josafata, dra namozy anazy Yaveh.Navalik'Agnahary niala taminazy izy reo. 32 Dra fa gny hitan'ireo mpihehy gny kalesy fa sy gny Pazakan'Israely gny izy, dra nihery tamy fanendreha anazy izy reo. 33 Saiky nisy lelahy raiky nisitony gny zana-sipikany dra nitifisy gny Pazakan'Israely teo anelanelany fifandraisa fiarovany. Laha teo Ahaba nizaka tamy mpinady kalesiny ho:''Mitoliha dra andeso miboaky gny aly zaho, fa marasy fatrasy.'' 34 Niharasy gny aly tamin'io andro io , dra gny Pazakan'Israely dra niandry tao amy kalesiny nifanandrify tamin'ireo Syriana mandra-paharivany andro. Mandra-piletiky gny masoandro, dra maty izy.