Toko faha 16

1 Tamigny fahaenina amby telopolo tao nazakan'i Asa, i Basa, pazakan'Israely, dra naneho herisetra nonohisy an'i Joda dra nananga an'i Rama, ba sy hamely an'iza na iza hiala na hilisy ao amigny tanin'i Asa, pazakan'i Joda. 2 Dra ninday gny volafosy vo volamena niboaky gny efitragno fitehiriza tao amigny tragnon'i Yaveh vo gny tragnonigny pazaka i Asa, dra nandefa anizay tagny amin'i Beni-hadada pazakan'i Syria, ze nipetraky tagny Damaskosy. Hoy izy ho: 3 "Aoky hisy fifagneke eo aminahy vo aminao, manahaky gny nisian'izay teo amigny babako vo gny babanao. Ingo, nandefa volafosy vo volamena taminao zaho. Ravao gny fifagnekenao amin'i Basa, pazakan'Israely, ba hahafahany magnenga anahy irery." 4 Niteno an'i Asa Pazaka i Beni-adada ka nandefa reo mpifehy gny tafiny hanohisy reo tananan'Israely. Nanafiky an'i Iona , Dana, Abela-maima, dra reo tana fagnazan'i Naftaly aby anereo. 5 Dra nahare aby anizay i Basa , dra nazanony gny fanangana an'i Rama, dra nampisahatra gny asany. 6 Dra nalan'i Asa Pazaka niaeaky taminazy gny Joda aby.Nandesin'ireo gny vato vo reo hazon'i Rama ze nananganan'i Basa gny tana.Dra nampiasan'i Asa nagnoregna an'i Geba vo Mizpa zay fitova fanangana anizay. 7 Tamin'izay fotoa zay i Hanany mpahita nagnagny amin'i Asa, Pazakan'i Joda, ka nanao taminazy ho:''Satria ianao niatehisy tamy gny Pazakan'i Syria, fa sy niatehisy tamin'i Yaveh Zagnaharinao, dra nipotaky laha teo an-tananao gny rafiky gny Pazakan'i Syria. 8 Moa se reo Etiopiana vo reo Lobita sy tafiky lahibe, miaraky amy kalesy vo mpitikisy sovala tena maro?Kanefa, satria ianao niatehisy tamin'i Yaveh, dra nagnome anao gny fandrese teo amin'ereo izy. 9 Fa mason'i Yaveh dra mandeha egny aby manera gny tany manotolo, ba hahafahany maneho gny vatany ho mahery ho an'ireo ze mana fo avy lafasy manoloa anazy . Fa nanao adala tamin'izay raha zay ianao. Koa manomboky eto,dra hana aly ianao.'' 10 Dra ory taminigny mpahita i Asa;nigadrany izy, satria ory taminazy noho zay raha zay izy. Tamin'izay fotoa zay avo , dra nampahory gny sasany tamin'ereo vahoaky i Asa. 11 Ingo, reo asan'i Asa, hatraminigny volohany hatramy farany , dra ingo, fa voasorasy ao amy bokin'ireo Pazakan'i Joda vo Israely reo. 12 Tamy fahasivy amby telopolo tao nazakany , dra narary gny tombon'i Asa;nahery vaiky tokoa gny aretiny. Na zay avo anefa, dra sy nitalia fagnampia laha tamin'i Yaveh izy, fa tamin'ireo mpisabo avo. 13 Nimaty tagny amin'ireo razambeny i Asa;maty tamy faharaiky amby efapolo tao nazakany izy. 14 Nalevin'ereo tao amy lolo avo izy, zay nihaliny ho anazy tao amy tananan'i Davida. Nampndrian'ereo teo agnabony fandria feno fofo magnisy vo karaza raha-magnisy nomanin'ereo mpahay raha-magnisy izy. Dra nanao afo lahibe izy reo ba ho voninahisy ho anazy.