Toko faha 14

1 Nimaty tagny amireo razambeny i Abia, dra nalevin'ereo tao amigny tanan'i Davida izy. 2 Asa, zanadahiny, gny lasa pazaka nandimby gny teorany. Tamigny androny dra nangina nandrisy gny folo tao gny tany. Nanao rasy vo mary teo amason'i Yaveh zagnaharinay i asa, 3 akory nalany reo alitara vahiny vo reo fitoera abo. Niravany reo andiam-bato dra nitapahiny dra boan'Aseraha. 4 Nandidy an'i Joda izy ba hitalia an'i Yaveh, gny zagnahary gny razamben'ereo, vo hagnatateraky reo didy aman-dalana. 5 Nalany avo koa reo fitoera abo vo reo alitaranigny liti-kazo magnisy boak'amireo tanan'i Joda aby. Nisahasy teo ambaniny gny fazaka. 6 Nananga tana mimanda tagny joda izy, akory nangina gny tany, dra sy nanan'aly izy tamireo tao reo,akory nagnome fedagna anazy i Yaveh. 7 Fa Asa nizaka tamin'i Joda ho: "Aoky isika hagnory reo tana reo dra hagnisy manda magnodidy anereo, vo tilikambo, vavahady, dra hizoso lavalava; bo asika gny tany akory fa nitalia an'i Yaveh zagnaharinsika isika. Fa nitalia anazy isika, dra nagnome fedagna isika tamigny lafiny aby Izy." Dra nagnory ereo dra nahomby. 8 Nana tafiky raiky ze nihazo apinga vo lefo i Asa; boak'amin'i Joda dra nana lelahy 300. 000 izy, dra boak'amigny Benjamina, lelahy 280. 000ze nita apinga vo sipiky. Natazaky reo aby reo, lelahy be heri-po. 9 Dra Zera gny Etiopiana avy nanohisy anereo niaraky tamigny tafiky maramila ray tapitrisa vo kalesy telo-zato; boak'agny Maresa izy. 10 Dra niboaky hiseza anazy i Asa, dra nandamy gny laharan'aly tagny an-dohasakan'i Zefata tagny Maresa ereo. 11 Nitalao tamin'i Yaveh, Zagnahariny i Asa, dra nanao anizahoky ho: "Ry Yaveh, sy misy afa-sy Hanao gny hagnapy ze sy mana-kery gny fa miatriky raha maro izy. Apio Izahay, ry Yaveh Zagnaharinay, akory mmiatehisy aminao zahay, dra amigny agnaranao gny hahaavianay hanohisy reo maro be reo. Ry Yaveh, hanao gny Zagnaharinay; ka anga ho resinigny olo Hanao." 12 Dra namely reo Etiopiana teo agnatrehan'i Asa vo Joda i Yaveh; dra nienga reo Etiopia. 13 Nagnitriky anereo hatragny Jerara i Asa vo reo maramila niaraky taminazy. Noho izay dra Etiopiana maro gny lavo dra sy afaky narovan'ereo, akory ringa tateraky teo agnatrehan'i Yaveh vo gny tafiny ereo. Ninday babo maro be gny tafiky. 14 Naringanigny tafiky reo tana aby nagnodidy an'i Jerara, akory avy tamireo poniny gny horohoron'i Yaveh. Nobabonigny tafiky reo tana aby, dra nisy babo maro tao amin'ereo. 15 Naringan'ireo tafiky avo koa reo fonegnan-dain'ireo piamby pifindra mony; ninday agnondr maro, vo rameva ereo, dra boak'eo nihery tagny Jerosalema.