Toko faha 13

1 tamigny tao fahavalo nazakan'i Jeroboama pazaka, dra nanomboky nazaka gny telo tao tagny Jerosalema izy; Maka gny agnaran-dreniny, gny zanakapelan'i Oriela boak'agny Gibeo. Nisy aly teo amin'i Abia vo Jeroboama. 3 Abia nandeha nialy niaraky tamigny tafiky matazaky raiky, dra maramila mahery fo, lelahy voafily 400.000. Dra Jeroboama nandahasy lelahy voafily, matazaky, maramila mahery fo 800.000 hialy hanohisy anazy. 4 Nizoro teo atendrombohisy Zemaraima, ze tao amigny tany havoan'i Efraima i Abia, dra nanao anizahoky ho: Tenoy zaho, ry Jeroboama vo ry Israely aby! 5 Sy fatandrareo ra fa Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, gny nagnome an'i Davida gny fanapaha teo amin'Israely mandrakizay, dra ho anazy vo reo zanadahiny tamigny fagneke ara-dala? 6 Nefa Jeroboama zanadahin'i Nebata, gny panopon'i Solomona zanadahin'i Davida, dra fa nisanga dra nikomy nanohisy gny topony. 7 Reo lelahy sy mendriky, reo nnama rasy fitondra-tegna, gny nikamba taminazy. Avy hanohisy an'i Rehoboama zanadahin'i Solomona ereo, fony bo tanora vo sy nana traikefa dra sy nahavita nanohisy anereo i Rehoboama. 8 Amizao handrareo mizaka fa mahatosy gny fitondra maherin'i Yaveh eo atagnan'ireo taranak'i Davida. Tafiky laibe handrareo , dra miaraky amindrareo reo zanak'agnomby volamena ze nataon'i Jeroboama ho zagnahary ho andrareo. 9 Sy fa nandroaky reo pisoron'i Yaveh, dra reo taranak'i Arona, vo reo Levita ra handrareo? Sy fa nanao pisoro ho anigny vatandrareo tamigny fomban'ireo poninigny tany hafa ra handrareo? Na iza na iza avy magnamasi-tegna miaraky amigny zanak'agnomby vo agnondrilahy fito dra ho lasa pisoron'ireo ze sy Zagnahary anie izy. 10 Fa raha gny aminay , Yaveh gny zagnaharinay, dra sy bo nahafo anazy zahay. Mana pisoro zahay, taranak'i Arona, manopo an'i Yaveh, vo reo Levita, ze amigny asan'ereo. 11 Isa-maray vo isa-kariva dra magnoro fagnatisy oroa vo liti-kazo agni-pofony ho an'i Yaveh ereo. Mandamigna gny mofonigny fagnatreha eo amigny latabasy malio avo koa ereo.; mikarakara gny pisy ziro volamena mbamin'ireo zirony avo koa ereo, ba harehisy isa-kariva. Mitandry reo didin'i Yaveh, Zagnaharinay izahay, nefa handrareo nahafo anazy. 12 Ingo, Zagnahary dra miaraky aminay eo anoloanay, dra reo pisorony dra eto miaraky amigny tropetra ba hapagneno fanaira ho andrareo. Ry vahoakin'Israely, ka mialy amin'i Yaveh, gny Zagnahariny gny razambendrareo, fa sy hahomby handrareo ." 13 Kanefa Jeroboama nagnoma fameleza tapoky tafaran'ereo; teo anoloan'i Joda gny tafiny, dra tafaran'ereo gny otriky. 14 Gny fa nitoliky i Joda, dra ingo, sady teo anoloan'ereo gny tao afarany gny aly. Nitaray tamin'i Yaveh ereo, dra nisioky gny tropetra reo pisoro. 15 Dra nitifisy reo lelahin'i Joda; raha nitify igny ereo, dra namely an'i Jeroboama vo gny Israely aby teo anoloan'i Abia vo Joda i Zagnahary. 16 Nienga teo anoloan'i Joda gny vahoakin'i Israely, dra natolos'Agnahary teo atagnan'i Joda ereo. 17 Nivonon'i Abia vo gny tafiny tamigny famonoa lahibe ereo; dra lelahy voafily 500.000 tamin'Israely gny lavo dra maty. 18 Tamizay fomba zay, gny nandresenigny vahoakin'Israely tamizay fotoa zay; nandresy gny vahoakin'i Joda akory niaky tamin'i Yaveh, gny Zagnaharin'ireo razambeny ereo. 19 Nihitrignin'i Abia i Jeroboama; nalany taminazy reo tana: dra i Betela niaraky tamireo zana-bohiny, Jesana niaraky tamireo zana-bohiny, dra Efrona niaraky tamireo zana-bohiny. 20 Sy nihanahery sasy Jeroboama nandrisy gny andron'i Abia; namely anazy i Yaveh, dra maty izy. 21 Fa Abia koa nihanatazaky; nangalaky valy efasy ambiny folo izy dra niteraky ro amby ropolo lahyizy dra niteraky ro polo lahy vo enina ambiny folo vavy. 22 Gny ambireo asa lahibe vitan'i Abia, gny fitondra-tenany vo reozakany dra voasorasy ao amigny fanehoa-kevis'i Ido paminany.