Toko faha 10

1 Nagnagny Sekema i Rehoboama, akory avy tagny Sekema ba hanao anazy ho pazaka gny Israely aby. 2 Dra ren'i Jerosalema zanadahin'i Nebata zay (akory tagny Egypta izy, tagny amize fa niengany hiala teo amigny fagnatrehan'i Solomona pazaka, nefa fa nihery boak'agny Egypta i Jeroboama). 3 Ko nandefa vo napitoka anazy ereo, dra avy Jeroboama vo gny Israely aby; nizaka tamin'i Rehoboama ereo dra nanao anizahoky ho: 4 "Nagnasarosy gny zioganay gny babanao. KO amizao, hamorao gny asa mafinigny babanao, dra hamevagno gny zioga mavesasy ze napetrany teto aminay, dra hanopo anao zahay." 5 Hoy Rehoboama tamin'ereo ho: "Miheregna ndraiky eto aminahy afaky telo andro." Dra lasa reo vahoaky. 6 Nangalaky hevisy tagny amireo zokiolo ze nisanga teo agnatrehan'i Solomona babany fony fahavelony i Rehoboama pazaka; hoy izy ho: "Akory gny hanoroandrareo hevisy hevisy anahy ba hinesako anireo? 7 Nizaka taminazy ereo dra nizaka ho: "Raha soa amireo vahoaky reo handrareo dra mahafinarisy anereo, dra mizaka zaka soa amin'ereo, dra ho panoponao mandrakizay ereo." 8 Kanefa sy nirarahin'i Rehoboama gny torohevisy ze namen'ireo zokiolo anazy, dra nangalaky hevisy tagny amireo tovolahy ze ninday lahibe taminazy izy, ze nisanga teo agnatrehany. 9 Hoy izy tamin'ereo ho: "Ino gny torohevisy homendrareo gny vahoaky ze nizaka taminahy dra nizaka ho: 'Hamevagno gny zioiga ze napetraky gny babanao taminay'?" 10 Reo tovolahy nindray lahibe tamin'i Rehoboama nizaka taminazy, nanao anizahoky ho: "Manahaky anizao gny tokony havalinao reo vahoaky ze nizaka taminao fa i Solomona babanao dra napavesasy gny ziogan'ereo, dra tokony hamavagninao izay. Izao gny tokony ho zakanao anereo: 'Gny akihikeliko dra matevy noho gny andilan-drako. 11 Ko amizao, na dre nivesarinigny rako tamigny zioga mavesasy aza handrareo, dra bo hagnapy gny ziogandrareo zaho. Gny babako nagnasazy andrareo tamireo karavasy, fa izaho hagnasazy andrareo amireo mengoky."' 12 Ko dra nandeha nagnagny amin'i Rehoboama i Jeroboama vo gny vahoaky aby tamigny andro fahatelo, araky gny nizakanigny pazaka ho: "Miheregna aminahy atiky amigny andro fahatelo." 13 Nizaka fatrasy anereo i Rehoboama, sy niraharaha gny torohevis'ireo zokiolo. 14 Nizaka tamin'ereo araky gny toro-hevis'ireo tovolahy izy, nanao anizahoky ho: "Namesasy gny ziogandrareo gny babako, fa izaho hagnapy anizay. GNy babako nagnasazy andrareo tamigny karavasy, fa izaho hagnasazy andrareo amigny mengoky." 15 Noho izay dra sy nitenonigny pazaka gny vahoaky, fa izay dra fagnova tamireo tranga nandesin'Agnahary, ba hahafahan'i Yaveh magnatateraky gny zakany ze nizakan'i Ahia gny Silonita tamin'i Jeroboama zanadahin'i Nebata. 16 Gny fa hitan'Israely aby fa sy niteno anereo gny pazaka, dra namaly anazy gny vahoaky dra nizaka ho: "Ino gny azaranay amin'i Davida? Sy mana lova ao amigny zanadahin'i Jese izahay! Gny sirairay amireo dra tokony hihery agny an-dainy aby, ry Israely. Dra atio gny tragnonao, ry Davida." Ko dra nihery ho agny an-dainy aby gny Israely aby. 17 Fa raha gny amireo olo nagnino tagny amireo tanan'i Joda, dra i Rehoboama gny nazaka teo amin'ereo. 18 Dra Rehoboama pazaka nandefa an'i Adorama, ze nanapaky teo amireo panao asa aterivozo, nefa gny vahokan'Israely nitora-bato anazy ho maty. Dra nienga malaky tamigny kalesy ho agny Jerosalema i Rehoboama pazaka. 19Noho izay dra tao agnatinigny fikomia nanohisy gny taranak'i Davida gny Israely mandrak'androany.