Toko faha 7

1 Ka mitsara, da tsy hotsaray enao. 2 Fa amigne fitsara naninareo, gne hitsara anareo, ary amigne fandrefesana aninareo, no andrefesa anareo. 3 Nagnino enao magnety gne pitine moty izay agnatine masonè rahalanao, nefa tsy hitanao gn'andry ao agnatimasomao? 4 Akoignaia gnizakanao gne rahalanao hoe: 'apetray iaho angala gn pity moty ao agnaty masonao,' raha mbola ao agnatinè maso ilay andry? 5 E mpiatsaravelatsihy! Alay aloha gn'andry ao agnaty masonao, ary avy eo enao hahita tsara rehefa mangala gne pity moty izay eo amigne masonè rahalanao. 6 Ka ome gn'aboa izay masy, ary karia eo alohanigne kosoa gne vatosoanareo. Raha tsy izà da mety ho voahitsakè tombokindreo, ary avy eo da hifototry sy hagnely anareo amigne fagnapotehany. 7 Mangata, da ome anareo izà. Mitadiava, da hahita enareo. Pepeo, fa hisokatry ho anareo izà. 8 Fa izay rehetra mangaka, da mahazo; gne mitadia koa, da mahita; ary ho ane gn'olo mipaipaiky, da hosokafa. 9 Sa ia aminareo, raha angatahany gne zanany mofo, da vato gnatolotriny anazy? 10 Na koa raha nangatahiny vily, da bibilava gne nomeny enazy. 11 Noho izà, raha enareo izay ratsy aza mahay magnome fagnomeza izay tsara hoanè zanakareo, moa tsy zakabe mihotry enizà me gne raha tsara omenigne Rainareo izay agny an-dagnitry ho hoanigne mangataka Aminazy? 12 Noho izà, na ino na ino raha tianareo ho aninign'olo amigne tegnanareo, da tokony agnano akoizà koa enareo, fa izà gne lalàgna sy ireo mpaminany. 13 Midira amigne vavahady pitsa. Fa zakabe gne vavahady ary malalaky gne minday agny aigne fahavereza, ary maro gn'olo mandeha am'izà. 14 Fa pitsa gne vavahady ary sarotry gne lalalaizay minday mignagny amigne fiaina, ary kidy gne mahita an'izà. 15 Mitandrema amin'ireo mpaminay sandoky, izay magnato anareo amigne fisikinane lamban'ondry nefa amboady tena mpihaza. 16 Amign'alalanè voany gne hahafantaranareo andreo. Mihila valoboky egny amigne raha maragnitry me gn'olo, na koa aviavy egny amigne songosongo? 17 Mitovy am'izà gne hazo tsara rehetra da mamokatry voany tsara, fa gne hazo ratsy da mamokatry hazo ratsy. 18 Gne hazo tsara da tsy afaky hamokatry voany ratsy, na koa gne hazo ratsy da tsy afaky mamokatry voany tsara. 19 Gne hazo aby izay tsy mamokatry voany tsara da ho tapa ary atoraky agny agnaty afo. 20 Ka noho izà, ka ho fantatrareo indreo amign'alalany gne voany. 21 Tsy gn'olo aby izay mizaka aminah hoe: 'Tompo, Tompo,' da hiditry gne fanjakany gne lagnitry, fa gne magnano gne sitrampony gne Raiko izay agny an-dagnitry evao. 22 Maro gn'olo hizaka aminah amin'izà andro izà hoe: ' Tompo, Tompo, tsy efa naminany tamigne agnaranao me iahay, tsy efa namoky devoly tamign'agnaranao, ary nagnano asa zakabe tamign'agnaranao? 23 Avy eo Iaho agnambara amindreo ampahibemaso hoe: ' tsy nahafantatry anareo mihitsy Iaho! Melà lavitry Anaha, ry mpagnano ratsy! 24 Noho izà, gne maharè gne zakako ary magneky enizà da ho akoign'olo magnambôtry gne tragnony egny amboniny vatolampy. 25 Milatsaky gne rikandro, avy gne tondran-drano, ary magnadary sy namely ilay tragno gne rivotry, fa tsy tola izà, satria nambory teo ambonine vatolampy. 26 Fa gne maharè ireo zakako ka tsy magneky aniregny da akoign'olo mola izay magnambotry tragno ambony fasiky. 27 Milatsaky gne rikandro, avy gne tondran-drano, ary mifofofofo sy mamely ilay gne tragno gne rivotry, ka da tola izà, ary feno gne faharavany.'' 28 Ary rehefa nagnambara ireo zaka ireo Jesosy, gaga tamigne fampianarany ireo vahoky, 29 satria nampianatra andreo akoign'olo manam-pahefana Izy, fa tsy akoigne mpanora-dalalágnandreo.