Toko faha 22

1 Ary Jesosy namaly, danizàka fagnohara taminy indraiky ka nagnano hoe: " 2 Gne fanjakan'gne lanitry da mitovy amè mpanjaka, izay nagnano fagnashà fampakaram-bady ho an'gne zananilahy." 3 Ary izy nagniraky gne mpanompony hangaiky gn'efa nasainy mba hamojy amèfampakaram-bady fa tsy nety ho avy indreo. 4 Da nagniraky mpanompo hafa koa izy ka nagnano hoe: " Zakay amin'gne efa voahasha hoe:' mandehana, fa efa voavôtry gne nahandroko. Efa voavono gne ombiko sy gne zanak'omby nafahiko, ka efa vonogny agnaby gne zava-drehetra. Mevia ao amè lanonam-pampakaram-bady."' 5 Saingy tsy niraharaha indreo ary lasa nandeha, gne raiky namojy gne toeram-piompiny, gne hafa tamè raharaham-barony. 6 Gne sasany da nisambotry gne mpanompon'gne mpanjaka, nangala baraka andreo, ary namono andreo. 7 Vignitry gne mpanjaka ka nagniraky ireo miaramilany, ary namono gne mpamono olo indreo, ary nandoro gne tanàny. 8 Avy teo da nizàka tamin'ireo mpanompony izy hoe: ' Efa vonogny gne fampakaram-bady, fa gne olo nashay gne tsy mendriky. 9 Noho izà mandehana egny amè sampanan-dalambe ary manasà olo maro araka gne fahitanareo gne ao amè lanonam-mpampakaram-bady.' 10 Nandeha nijotso tany amè lalan-dehibe ireo mpanompo ary nagnambara gne olo rehetra izay hitandreo, na gne tsara na gne ratsy. Noho izà da feno vahiny ilay efi-tragno zakabe nisy gne fampakaram-bady. 11 Fa rehefa niditry gne mpanjaka mba hagnety gne vahiny, da nahita lehilahy tsy nitafy akanjo finday amè fampakaram-bady izy. 12 Nizàka taminazy gne mpanjaka hoe: ' Ry sakaiza, Akongaia gne nidiranao tatoa tsy miaraky amè fitafy finday amè fampakaram-bady?' Fa tsy nahazàka ilay lehilahy. 13 Avy teo nizàka tamindreo mpanompony gne mpanjaka hoe: " Fehezo gne tagna sy gne tombok'ity lehilahy ity, ary atsipazo any amè mizy any ivelany izy, any gne misy fitomania sy fikotroha-nify.' 14 Fa olo maro gne nangia, nefa vitsy gne ho voafidy. 15 Avy teo da nandeha gne Fariseo ary nagnomany gne fomba mety hamandria an'i Jesosy amè raha nozakainy. 16 Avy teo da nirahandreo hegnagny Aminy ireo mpianatrindreo, nindray tamin'ireo Herodiana. Nizàka tamin'i Jesosy indreo hoe: " Ry mpampianatry, fantatrinay fa marina anao, ary mpampianatry gne lalan'Andriamanitry amè marina. Tsy miraharaha gne hevitry gne hafa anao, ary tsy miangatry. 17 Noho izà ambaray aminay, ino gne hevitrao? Ara-dalàgna me gne fandohavan-ketra any amin'i Kaisara sa tsia?" 18 Nefa fantatr'i Jesosy gne faharatsiandreo ka nizàka hoe: " Naoa gne mitsapa Anah anareo, ry mpihatsaravelatsihy? 19 Ashehoy Anah gne farantsa fandoa amè hetra." Avy teo ninday denaria teo aminy indreo. 20 Hoy Jesosy tamindreo hoe: " An'ia ity sary sy agnara itiky? 21 Nizàka taminy indreo hoe: " An'i Kaisara." Avy eo Jesosy nizàka andreo hoe: " Omeo an'i Kaisara gne an'i Kaisara, ary an'Andrimanitry gnan'Andriamanitry." 22 Rehefa naharè izà indreo , da gaga. Ary niala teo Aminy indreo ka nandeha. 23 Tamin'izà andro izà evakoa gne Sadoseo sasany, indreo izay nagnambara fa tsy misy fitsanganagny gn'amè maty, nagnato Anazy. Nagnotany Anazy indreo, 24 nagnano hoe: " Ry mpampianatry, Mosesy nagnambara hoe: 'Raha maty gne olo, tsy managn'anaky, da tokotry hanambady gne vadiny gne rahalahiny ary hanagn'anaky ho an'gne rahalahiny. 25 Nisy mpirahalahy fito. Nanambady gne voalohany ary maty avy teo. Lasa tsy nametraky taranaky, napetrany hoa an'gne rahalahiny gne vadiny. 26 Avy teo da nagnano raha mitovy amin'izà evakoa gne faharoy, avy teo gne fahatelo, mitovy amin'izà hatrany amè rahalahy fahafito. 27 Tafandreo agnaby, da maty ilay vehivavy. 28 Ary amè fitsanganan'gne maty, ho vadin'ia amindreo mpirahalahy fito izy? Fa efa vadiny teo aby indreo fito mirahalahy ireo." 29 Fa namaly Jesosy ary nizàka andreo hoe: " Diso anareo, satria tsy mahafantatry gne Soratra Masina na gne herin'Andriamanitry. 30 Fa amè fitsanganan'gne maty da sady tsy hanambady indreo gne tsy omè ampakary. Fa kosa, mitovy amin'ireo anjely any an-danitry. 31 Fa mahakasiky gne fitsanganan'gne maty, mbola tsy novakianareo mè gne nolazain'Andriamanitry taminareo, magnano hoe: ' 32 Iao gne Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba'? Andriamanitry da tsy Andriamanitry gne maty, fa an'gne velo." 33 Rehefa naharè izà indreo vahoaky, da gaga tanteraky tamè fampianarany. 34 Fa rehefa rendreo Fariseo gne nampishinagn'i Jesosy gne Sadoseo, da nindray nivondrony indreo. 35 Gne raiky tamindreo, mpahay lalàgna, nametra-pagnotania taminy, nangala fagnà Anazy hoe: " 36 Ry mpampianatry, ia gne zakabe indrindra amè didy ao amè lalàgna?" 37 Nizàka taminy Jesosy hoe: " Tiavo amè fonareo rehetra, amè fagnànareo rehetra, sainareo rehetra gne Tompo Andriamanitrareo.' 38 Izà gne didy zakabe sy voalohany. 39 Ary gne didy faharoy da mitovy amin'izà evakoa: ' Tiavo gne mpiara-belo aminareo mitovy amè tegnanareo.' 40 Amin'ireo didy roy ireo gne iankinan'gne lalàgna retraretra sy ireo mpaminany." 41 Ary raha mbola nivondrony gne Fariseo, da nametra-panontania andreo Jesosy. Hoy Izy hoe: " 42 Ino gne heritreritrareo mahakasiky an'i Kristy? Zanaka lahin'ia Izy?" Nizàka taminy indreo: " zanak'i Davida." 43 Hoy Jesosy tamindreo hoe: " Nahoa ary Davida mijanogny ao amè Fanahy gne mangaiky Anazy hoe Tompo, magnano hoe: ' Gne Tompo nizàka tamè Tompoko hoe: 44 " midoboa eo amè tagn'ankavagnako, mandra-pamboarako gne fahavalonao ho fidoboan-tombokao?' 45 Raha Davida aza mangaiky an'i Kristy hoe: ' Tompo, ' da naoa gne maha-zanak'i Davida Anazy? 46 Tsy nisy nahavaly Anazy tamin'gne teny, ary tsy nisy olo sahy nametra-pagnotania hafa esana nanomboky tamin'izà andro izà.