Toko faha 14

1 Tam'izà fofoa izà, Heroda mpanapaky nahare gne vaovao an'i Jesosy. 2 Hoy izy tamindreo mpanompony hoe: "i Jaona mpagnano batisa izà; nitsanga tamigne maty izy. Noho iza da miasa ao aminazy gne hery." 3 Fa Herôda nanambotry an'i Jaona, namehy anazy, ary nandefa anzy tagny an-dragno mizy nohon'i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalany. 4 Fa hoy Jaona taminazy hoe: "tsy ara-dalàgna ho anao gne mana anazy ho vadinao." 5 Nagniry gne hamono anazy Heroda, saingy nalia gne vahoky izy, satria noraisindreo akoigne mpaminany izy. 6 Fa rehefa avy gne fitsingeregnane gn'andro nahaterahan'i Heroda, da nandy tantegnategnany gne vahiny nangia gne zanaky viavin'i Herodiasy da nahafinaritry an'i Heroda. 7 Noho izà, da nampagnategna tamigne fiaina izy gne hagnome izay angatahany ndre ino ndre ino. 8 Rehefa avy nambaran'iendriny marika, da hoy izy hoe: "omeo anah etoa, amoninè lasety, gne lohan'i Jaona mpagna o batisa." 9 Nalahelo mafy nohony gne voadiny sy gne niaraky nihina taminazy aby, da nagnome beko izy fa tokonyho vita izà. 10 Nagniraky hanapaky gne lohan'i Jaona tao amigne tragno mizy izy. 11 Avy eo nindesy tamigne lasety gne lohany ary nomè ilay zazaviavy ary nindesiny teo am'iendriny izà. 12 Avy eo da avy gne mpianatriny, nangala gne faty, ary nandevy enizà. tafaran'izà, da nandeha indreo ary nizaka tam'i Jesosy. 13 Ary rehefa nahare izà Jesosy, da niala avy teo tamigne sambo kidy raiky Izy handeha amigne toera mitoka raiky. Rehefa nahare izà gne vahoky, da nagneraky Enazy nandeha tomboky avy tagny amin'ireo tanà-zakabe. 14 Avy eo Jesosy nagnato alohandreo ary nahita gne vahoky maro be. Nalahelo andreo Izy ary nagnasitragny gn'arety ndreo. 15 Rehefa avy gn'hariva, da nagnato Anazy gne mpianatriny ary nizaka hoe: "ity da toera tsy misy rà, ary efa tapitry sahady gn'andro. Alefaso gne vahoky, mba hahafahandreo mandeha agny amigne tanà ary hividy hany ho anigne vatandreo." 16 Fa Jesosy nizaka andreo hoe: "tsy mila mandeha lavitry indreo." omeonareo sakafo indreo." 17 Hoy indreo taminazy hoe: "mofo dimy sy vily roy evao gn'hanagnanay etoa." 18 Hoy Jesosy hoe: "indeso aminaha aty izà." 19 Avy eo Jesosy nibeko gne vahoky mba hidoboky amign'ahatry. Nalainy gne mofo dimy sy vily roy. Niandra tagny an-dagnitry, da nisaotry Izy ary nanapaky gne mofo da nomeny gne mpianatry, ary gne mpianatry nagnome enizà ho anigne vahoky. 20 Nihina aby indreo da voky. Avy eo da nalagnondreo gne sisane poty sakafo da nahafeno roambinifolo haro. 21 Teo amigne dimy arivo lahy teo gne nihina, akotrany gne zaza miaraky viavy. 22 Tonga da nasainy ho ao amigne sambo kidy ary handeha alohany ho egny ampita gne mpianatriny, raha mbola nandefa gne vahoky Izy. 23 Tafaranigne nandefany gne vahoky, da nandeha niakatry raiky tegny an-tendrombohitry Izy mba hivavaky. Rehefa avy gn'hariva, da Izy raiky gne teo. 24 Ary gne sambo da efa lasa lavitry gne roza, natopatopaky gn'onja, satria nisy rivotry nanohitry andreo. 25 Tamigne fandignasa fahefatry gn'ariva da nagnato andreo Jesosy, nandeha tegny ambony ranomasy. 26 Rehefa nahita Anazy nandeha tegny ambony ranomasy gne mpianatry, da nalia ka nizaka hoe: "angatry io," ary da nitoreo tamigne tahatry indreo. 27 Tonga da nizaka tamindreo Jesosy hoe: "mahereza! Iaho avao ity! Ka malia." 28 Namaly Anazy Petera nagnano hoe: "Tompo, raha Enao io, da ampagnatogno Aminao egny ambony rano egny iaho." 29 Hoy Jesosy hoe: "magnatogna" Da niala avy tao amigne sambo kidy Petera ary nandeha tambonine rano mba hagnatognany an'i Jesosy. 30 Fa rehefa nahita gne rivotry Petera, da lasa nalia. Raha nanomboky niletiky igny izy, da nitoreo mafy izy sady nizaka hoe: "Tompo, vojeo iaho!" 31 Tonga da avy Jesosy da nagnatatry gne tagnany, nitazo an'i Petera, ary nizaka taminazy hoe: "enao ry kidy finoa, fa nagnino enao no nalia?" 32 Avy eo Jesosy sy Petera nandeha nagnato gne sambo kidy, nizano gne ritry. 33 Avy eo gne mpianatry tao amigne sambo kidy nidera an'i Jesosy ary nizaka hoe: "Enao marigny gne Zanake Zagnahary." 34 Rehefa avy nitsaky indreo, da avy tegny amigne roza tao Genesareta. 35 Rehefa nahafantatry an'i Jesosy ireo lelahy tao am'izà toera izà, da nandefa hafatry tamigne faritry magnodidy aby, ary nindesindreo tam'izay olo narary aby. 36 Nitaraigny Taminazy indreo mba hahafahany mikasiky gne molotry gn'akanjony fotsiny evao, ary da maro gne nikasiky an'izà da sitragny.