Toko faha 11

1 Ary rehefa nampianatry gne mpianatriny Roy ambiny folo Jesosy, da hiala avy teo Izy nampianatry sy history agny amigne tanàndreo. 2 Ary rehefa ren'i Jaona tao am-ponja gne momba an'ireo asan'i Kristy, da nandefa hafatry tamign'alalan'ireo mpianatriny izy 3 ka nizaka hoe: ''Enao me gne raiky izay ho avy, sa tokony hitadia hafa iahay. 4 Jesosy namaly ary nizaka andreo: ''mandehàna ary zakay am'i Jaona gne hitanareo sy renareo.'' 5 Mahazo fahita ireo jamba, mandeha gn'olo malemy, diovy gne boka, maharè koa gne maregny, atsanga ho volo gn'olo maty, ary agnambara ireo vaovao mahafaly gne mahantra. 6 Sambatry gne tsy diso fagnategna noho ny gne avy aminaha.'' 7 Raha nandeha tegny amigne lalany ireo lelahy ireo, da nanomboky nizaka gne momban'i Jaona tamigne vahoky Jesosy hoe: ''agnety ino gne nivoahanareo agny agnefitry bararata tsofine rivotry? 8 Nefa agnety ino gne nivoahanareo - lelaha magnano raisiky lafo vidy? Igny, ireo izay magnano fitafylafo vidy da mipetraky ao an-tragnonè mpamjaka. 9 Nefa agnety ino gne nizotsoanareo mpaminany? Eka, mizaka aminareo Iaho, ary mihotry lavitry nohony gne mpaminany . 10 Izy gne voasoratry hoe: ' iteo, magniraky gne irako alohany gne tarehinao Iaho, izay agnoma gne làlanareo alohanareo.' 11 Zakaiko marigny aminareo, fa am'ireo nateraky gne viavy da tsy misy zakabe mihotry an'i mpagnano Batisa. Nefa gn'olo tsy manan-danja indrindra eo amigne fanjakane lagnitry da da zakabe noho enazy. 12 Nanomboky tamign'andron'i Jaona mpagnano Batisa ka hatram'zao, da miaritry amigne herisetra gne fanjakanè lagnitry, ary gn'olo mahery fihetsiky da mangala ampahabemaso. 13 Fa gne mpaminany aby sy gne lalàgna da efa naminany hatram'i Jaona; 14 ary raha ekenareo gne hagneky enizà, da Izy no Elia gne mbola ho avy. 15 Gne mana sofy hindesy miteno, da aok'izy iteno 16 Amign'ino gne ampitovisako en'ity taraka ity? Izà da akoigne zaza madiniky mihira egny amigne tsena, izay midoboky sy mifangaiky, 17 da mizaka hoe: 'nitsotry asody ho anareo iahay, fa tsy nandihy enareo. Nagnano hira fisaora iahay, fa tsy nitomagny enareo.' 18 Fa i Jaona da tsy mety hihina mofo na hinitrano dovay, da hoy indreo hoe: 'mana devoly izy.' 19 Gne zanak'Olo da avy ihina sy hinindrano ka hoy indreo hoe: 'iteo, lehilahy mahalany kany sy mamo lava izy, naman'ireo mpamory hetra sy ireo mpanota!' Fa gne fahendrè da voamarigny tam'ireo asany.'' 20 Avy eo Jesosy nanomboky nizaka mafy ireo tanà izay nagnanoany gn'ankamaroany gn'asany mahagaga, satria tsy nibebaky indreo. 21 ''Loza ho anareo, ry Korazina! Loza ho anareo, ry Betsaida! Raha nany tagny Tyra sy Sidona ireo asa mahagaga izay nany taminareo tetoa, da efa ela nibebaky tamigne lamba fisaora sy lakevo indreo. 22 Nefa ho moramora kokoa gnan'ny Tyra sy Sidona amign'andronè fitsara miotry gn'anareo. 23 Enereo, ry kapernaomy, mihevitry me enereo fa hasandratry agny an-dagnitry? Aha, incest midigny agny amigne help enareo. Satria Raha tagny Sodoma gne nagnanoa io asa mahagaga izay nany taminareo tetoa, da mbola ho tavela izà mandr'androany. 24 Nefa mizaka aninareo Iaho fa ho mora kokoa ho an'ny tanin'i Sodoma gn'andronè fitsarananoho gneho aninareo.'' 25 Tam'izà fotoa zà Jesosy mizaka hoe: ''midera Anal Iaho, Ray Tomponè lagnitry sy gne tany, satria Enao gne nagnasitriky ireo raha ireo tamigne hendry sy gne mahalala, ary nagnambara ireo tamindreo tsy mahalala, akoigne zaza madiniky. 26 Eka, ry Ray, satria izà da nahafinaritry teo amigne masonao. 27 Gne raha napetraky taminaha aby da avy amè Raiko; ary tsy misy mahafantatry gne Zanaka afa-tsy gne Ray ary tsy misy mahafantatry gne Ry afa-tsy gne Zanaky, sy izay fidinè Zanaky agnambarà Anazy.