Toko faha 10

1 Nangian'i Jesosy niaraky ireo mpianatriny roy ambiny folo ary ary nagnome andreo fahefa amin'ireo fagnahy maloto, mba handrohaha andreo, sy hagnasitra ireo karazan'arety sy karaza fahararia aby. 2 Itoa aby gnagnaran'ireo apostoly roy ambiny folo. Gne volohany, Simona (izay angia evakoa hoe Petera), ary Andreo rahalahany; Jakoba zanaka lelahin'i Zebede, sy Jaona rahalahiny; 3 Filipo, sy Barteleomy; Tomasy, sy Matio ilay mpandagno hetra; Jakoba zanaka lelahin'i Aalfeosy, sy Tadeosy; 4 Simona ilay Zelota, ary Jodasy Iskariota, ilay hamadiky Enazy. 5 Nirahin'i Jesosy izy roy ambiny folo. Nanoro andreo Izy ary nizaka hoe: '' ka mandeha agny amigne fipetrahany gne Jentilisa enareo, ary ka mihiditry amigne renivohitry gne Samaritana. 6 Fa mandehana kosa agny amign'ondry very amigne taranak'Isiraely; 7 ka rehefa mandeha enareo, da mitoria ary ambaray hoe: 'efa akeky gne fevianigne fanjakanè lagnitry.' 8 Sitragno gne marary, atsangano gne maty, diovy gne boka, ary roasy gne devoly. Araky gne nahazoanareo maimaimpoana, da magnomeza maimaimpoana evakoa. 9 Ka minday volamena, volafotsy, na varaha ao amigne kitapom-bolamena. 10 Ka minday tragnom-batsy amign'andihananareo, na rahisiky hafa, na kiraro, na angira, fa gne mpiasa da mendriky hahazo gne sakafony. 11 Na ino na ino tanà- zakabe na tanà kidy hidiranareo, tadiavo gne tsara ao, ary mipetraha ao mandra-pelanareo. 12 Raha miditry an-dragno igny enareo, da hotsafio gn'ao. Raha tsara gne tragno, da aoka gne fiadagnanareo ho avy ao. 13 Fa raha tsy mendriky kosa izà, da aoky gne fiadananareo hipody aminareo. 14 Ho anigne tsy mandray anareo na tsy miteno gne zakanareo, da ahitsagno gne vovoky amigne tombokareo, rehefa miala am'izà tragno na tanà-zakabe izà enareo. 15 Zakaiko marigny aminareo, fa ho moramora gne anigne tanin'i Sodoma sy Gomoro amign'andro fitsarana noho izà tana-zakabe izà. 16 Igny, handefa anareo akoign'ondry eo ategnategnany gn'amboa dy Iaho, da hendry akoigne menarà ary tsy mana tsigny akoignè voromamanga. 17 Mitandrema gne amign'olo! Hanolotry anareo eo amigne fila-kevitry indreo, ary anakapoky anareo ao amigne sinagogandreo. 18 Avy eo da hindesy magnoloa gne governora sy gne mpanjaka enareo nohonè Aminaha, mba ho vavolombelo ho andreo sy ho an'ireo Jentilisa. 19 Rehefa manolotry anareo indreo, da ka mana fisalasala gne amigne hoe akory na ino no hozakainareo, fa omè anareo amin'io lera io izay tokony ho zakay. 20 Fa tsy enareo gne hizaka. Fa gne fagnahinè Rinareo gne hizaka ao aminareo. 21 Gne rahalahy da hanolotry gne rahalahy ho amigne fahafatesa, ary gny raiky da zanany. Gne zanaky da hitsanga hanohitry gne ray aman-dreniny ka hahatonga gne fahafatesandreo. 22 Ho halanign'olo aby enareo nohony gn'amignagnarako. Fa na ia na iamiharitry hatramigne farany, da ho vovonjy izà olo izà. 23 Rehefa magnenjiky anareo ao amin'io tanà-zakabe io indreo, da milefà agny amigne magnaraky, fa zakaiko marigny aminareo, fa tsy hahatapitry gne tanànan'Isiraely alohanign'evianè Zanak'Olo enareo. 24 Gne mpianatry da tsy zakabe noho gne mpampianatry, na gne mpanompo ho ambony noho gne tompony. 25 Ampy ho anigne mpianatry raha tonga akoigne mpampianatriny izy, ary gne mponompo akoigne tompony. Raha nangia indreo hoe Belzeboba gne tompone tragno, da ho ratsy lavitry akoingaia ireo agnara angia ndreo gn'isam-pianakavia! 26 Noho izà, ka malia andreo, fa tsy hisy tako izay tsy miboda, ary raha-mifiny izay tsy ho fantatry. 27 Izay zakaiko anareo ao amigne mizy, da zakay amign'andro mazava, ary vitsikitsika renareo amigne sofinareo, da torio egny ambony tafin-tragno. 28 Ka malia an'ireo izay mamono gne vata kanefa mamono gne fagnahy. Fa kosa, malia an'izay afaky mamotiky gne fagnahy sy gne vata agny amigne helo. 29 Izy io me kô, tsy vola madiniky kidy gne hamarota fody roy? Fa tsy mbola misy na raiky amindreo aza milatsaky amigne tany raha tsy fahafataranè Rainareo. 30 Fa na gne volon-dohanareo aza da vohisa aby. 31 Ka malia. Manan-danja noho gne vody maro enareo. 32 Noho izà, gne magneky Anaha eo agnatrehan'olo, da ho ekeko evakoa izy eo agnatrehanè Raiko izay agny an-dagnitry. 33 Fa izay mandà Enaha eo agnatrehanè gn'olo kosa, da ho laviko evakoa izy eo agnatrehanè Raiko izay agny an-dagnitry. 34 Ka mieritry faIaho da inday fiadana an-tany etoa. Tsy tonga mba inday fiandanana Iaho, fa sambatry. 35 Fa tonga avy iaho hagnasaraky gne zanany lelahy amigne rainy, sy gne zanany viavy amigne reniny, ary vonatovavy amigne rafozam-baviny. 36 Gnamè tokatranony gne lasa fahavalonè gn'olo. 37 Gne tia kokoa gne ray na gne reny mihotry Enaha da tsy mendriky Enaha; ary izay tia kokoa gne zanaka lalehy na zanaky viavy mihotry Enaha da tsy mendiky Enaha. 38 Izay mandray gne hazofizaliany ka magnaraky Enana da tsy mendry Enaha. 39 Izay mamonjy gn'ainy da hahavery izà. Fa izay mahavery gn'ainy noho ny gn'avy aminaha da hahita izà. 40 Gne mandray anareo da mandray Anaha, ary izay mandray Anaha da mandray ne nagniraky anaha evako. 41 Izay mandray gne mpaminy satria mpaminany izy da hahazo gne valisoanè gne mpaminany, ary ary izay mandray gn'olo-marigny izy da hahazo gne valisoanè gn'olo-marigny. 42 Na ia na ia magnome gne raiky amiregny madiniky iregny, ndre da rano manara bôly raiky indranominy aza, satria izy mpianatra, da zakaiko marigny aminareo fa, tsy ho very gne valisoany.''