Toko faha 24

1 Vô marandray tamign'andro voloanè gn'herignandro, da nandeha tagny amigne kobory indreo, ninday gne raha magnitry izay nokarakaraindreo. 2 Tsijondreo lavitry fa vato gne kobory. 3 Niditry tao indreo, kanefa tsy nahita gne vatan'ny Tompo Jesosy. 4 Ary, raha mbola sahira saigny momba izà indreo, tampoky teo da nisy lelahy roy nagnano raisiky mamirapiratry nitsanga teo agnilandreo. 5 Ary rehefa nalia ireo viavy da nandohaliky teo amigne tany, nizaka tam'ireo viavy indreo hoe: "Nagnino enareo mitadia gne velo aty amigne maty? 6 Tsy atoa izy, fa efa natsanga! Tadidio gne nizakàny anareo tam'Izy tagny Galilia, 7 nagnambara fa gne Zanak'Olo da tsy maintsy hatolotry ho eo an-tagnanè gn'olo mpanota ka hofatsia eo amigne hazo fijalia, ary amign'andro faha telo da hitsanga koa." 8 Gne viavy da nahatsiaro gne zakany, 9 ka niverigny avy tagny amigne kobory ary nizaka an'izà raha aby izà tamigne raiky ambiny folo sy gn'ambiny aby. 10 Ary Mary Magdalena, Johana, Mary iendrin'i Jakoba, ary gne viavy hafa niaraky taminazy da nitatitry enizà tamign'apostoly. 11 Fa izà hafatry izà da akoignè tsy nisy dikany tamign'apostoly, da tsy nino gne viavy indreo. 12 Kanefa nitsanga Petera, da niazakazaky egny amigne kobory, ary niondritry sy nagnety tao, da nahita gne lambam-paty nitoka. Ary Petera nody tagny an-tragnony, nagnotany tena gnamigne raha nitranga. 13 Igny, gne roy tamindreo nandeha tamin'io andro io agny amigne tanà angia hoe: Emaosy, izay enimpolo stadiô miala agny Jerosalema. 14 Indreo da nifampiresaky momba gne raha aby izay nitranga. 15 Ary, raha niara-niresaky sy niara-nametra-pagnontania indreo, da nagnato sy nandeha niaraky tamindreo Jesosy. 16 Fa gne masondreo da nosokafa mba tsy hahafantatry Enazy. 17 Jesosy hizaka tamindreo hoe: ''ino gne koragninareo ety andala?'' Da nijano indreo sady nalahelo endriky. 18 Gne raiky tamindreo, nangia hoe Kleopasy, namaly Enazy hoe: ''enao raiky me gn'olagny tao Jerosalema tsy nahafantatry gne raha nitranga tam'izà andro izà? 19 Jesosy nizaka tamindreo hoe: ''raha ino?'' Indreo namaly Enazy hoe: ''gne raha mikasiky an'i Jesosy ilay Nazareta, gne mpaminany, nahery tamign'asa sy gne zaka tagnatrehan'Andriamanitry sy gn'olo any, 20 ary gne fomba nanoloran'ireo lohanè mpisorona sy gne mpanapaka Enazy mba ho melohy ho faty sy gne nagnomboa Anazy teo amigne hazofizalia. 21 Kanefa iahay nagnategna fa Izy gne hagnafaky an'Israely. Eka, ary akotry en'izà any izà, telo andro androany izao gne nitrangan'izà raha aby izà. 22 Nefa koa, gne viavy sasany tamigne namany da nahavaria anay, izay tagny amigne kobory vô marandray. 23 Rehefa tsy nahavita gne vatany indreo koa da nahita fahita anjely izay nizaka fa velo Izy. 24 Gne lelahy sasany izay niaraky taminay da nandeha tagny amigne kobory, ary nahita izà araky gne vozakanigne viavy. Saingy tsy nahita Anazy indreo. 25 Jesosy nizaka tamindreo hoe: ''eh ralehilahy mola sy malemy say vô mino gne raha vozakanigne mpaminany aby! 26 Izy me kô tsy nilay ho an'i Kristy gne nijaly tamiregny raha iregny, ka hiditry agny amigne voninahitriny?'' 27 Ary nanomboky tam'i Mosesy ka hatramigne mpaminany aby, da nadikan'i Jesosy tamindreo ao amigne Soratra Masigny gne momba gne Tegnany. 28 Rehefa nagnakeky gne tanà nandihanandreo, da naharè fihetsiky akoigne handeha lavitry Jesosy. 29 Fa namôrsè Anazy indreo, hoe: "mijanogna aminay etoa, fa efa ho ariva izao sady efa ho tapitry gn'andro." Da niditry mba hizano hiaraky tamindreo Jesosy. 30 Ary, rehefa nipetraky nidoboky mba hiaraky hihina amindreo Izy, da nangala gne mofo, nisaotry enizà, sy nanapaky enizà, ary nagnomè enizà andreo. 31 Avy eo da nisokatry gne masondreo, da nahafantatry Enazy, ary najavogny teo amindreo teo Izy. 32 Indreo nifampizaka hoe: "izy io me kô tsy tsapatsika gne fotsika feno hafalia, raha nizaka tamitsika tandala tegny Izy, raha nanokatry gne Soratra Masigny tamintsika Izy?" 33 Nitsanga indreo tamn'io lera io, da nipody tagny Jerosalema. Nahita gne raiky ambinifo niara-nivory indreo, sy gne niaraky tamindreo, 34 nizaka hoe: "gne Tompo da nitsaga dato, ary niboda tam'i Simona." 35 Da nozakaindreo gne raha niseho tandala tegny, sy gne fomba nibodan'i Jesosy tamindreo tamigne fanapaha gne mofo. 36 Raha nizaka izà raha izà indreo, da nitsanga teo antegnategnandreo teo Jesosy tegnany, ary ary nizaka tamindreo hoe: "fiadana anie ho anareo." 37 Saingy taitry sy nalia indreo, ary nihevitry fa nahita fagnahy. 38 Jesosy nika tamindreo hoe: "nagnino enareo malia io me? Nagnino enareo misy fagnotania ao am-ponareo? 39 Iteo gne tagnako sy gne tomboko, fa Iaho tegnako ity. Kasio Iaho da iteo. Fa gne fagnahy tsy mana nofotry sy tola, araky gne ahitanareo Anahy hoe mana." 40 Rehefa nizaka an'izà Izy da nabodany tamindreo gne tagnany sy gne tombony. 41 Da mbola tsy nino en'izà avao indreo nonigne hafalia, ary gaga indreo. Jesosy nizaka andreo hoe: "mana raha hohany enareo? 42 Nomendreo vily votono Izy, 43 da nalainy izà ary nohaniny teo amasondreo teo. 44 Izy nizaka tamindreo hoe: "tam'Iaho niaraky taminareo, da nizaka taminareo fa gne raha vosoratry tao amigne laàn'i Mosesy sy ireo mpaminany ary ireo Salamo da tsy maintsy ho tanteraky." 45 Ary nosokafany gne saindreo, mba hazondreo gne Soratra Masigny. 46 Nizaka andreo Izy hoe: "izao gne vosoratry, fa i Kristy da hijaly, ary hitsanga amigne maty indray amign'andro fahatelo. 47 Fibebaha sy famelan-keloky gne tokony hambara amign'agnarany agny amigne firenena aby, manomboky ao Jerosalema. 48 Enareo gne vavolombelon'iregny raha iregny. 49 Igny, alefako aminareo izay nampagnategnaine Raiko. Kanefa mitoera ao an-tanà mandra-pitafianareo gne hery avy agn ambony." 50 Ary Jesosy nitariky andreo mandra-peviandreo tagny Betania. Nampiakariny gne tagnany, ary notahiany indreo. 51 Ary, rehefa nitso-drano andreo Izy, da niala andreo Izy ary lasa nakarina tagny an-dagnitry. 52 Da nidera Anazy indreo, ary niverigny tagny Jerosalema tamigne fifalia zakabe. 53 Nitoy nandeha tamigne tempoly indreo, nankalaza an'Andriamanitry.