Toko faha 15

1 Ary gne mpandagno hetra aby sy gne mpanota sasany da avy teo am’i Jesosy mba hiteno enazy. 2 Nifampimoromoro gne Fariseo sy gne mpanoratry lalagna, nizaka hoe: «io lelah io da mandray mpanota, ary miara-mihihina amindreo». 3 I Jesosy nagnano fagnoara tamindreo, nizaka hoe: 4 «ia aminareo, raha mana ondry zato izy ary avy eo very gne raiky taminazy, gne tsy hagnapetraky gne sivy amby sivy folo tagny agn’efitry, ary handeha hitadia gne raiky very mandra-pahitany enazy? 5 Ary raha hitany iza, da apetrakiny ame sorokony ary mifaly izy. 6 Laha avy andragno izy, da angiany aby gne namany sy gne mpiara-monogny aminazy, mizaka andreo hoe: «mifalia miaraky amina, fa hitako gn’ondriko very». 7 Akoiza koa, mizaka aminareo ia, fa hisy fifalia agny andagnitry nohone mpanota raiky nibebaky, mihôtry nohone gn’olo marina sivy amby sivy folo izay tsy mila mibebaky. 8 Ndre ia viavy ka mana farantsa kidy folo, laha very gne farantsa raiky, gne tsy handrehitry gne jiro, hamafa gne tragno, ary hitadia amim-pahazotoa mandra-pahita eniza? 9 Rehefa hitany iza, da angiany aby gne namany sy gne mpiara-minigny aminazy, ka nizaka hoe: «mifalia miaraky amina, fa itako gne farantsa kidy raiky izay very». 10 Akoiza koa, ia mizaka aminareo, misy fifalia eo agnatrehan’igne gn’Anjelin’Andriamanitry ame mpanota raiky izay mibebaky». 11 Avy eo i Jesosy nizaka hoe: «nisy lelah raiky nanagn’anaky roy lah, 12 ary gne faralah tamindreo nizaka tam’iabany hoe: «Abà! Omeo enah gn’anjara-kariako». Ka da nozarainy tamindreo gne fanagnany. 13 Tselatsela tafaran’izà, gne faralah nandagno gn’anjarany aby ka nandeha tame firenena raiky lavitry endreo, ary tagny izy gne nandany fahatany gn’hariany aby tame ditry samy hafa. 14 Ary rehefa laniny aby, da nisy mosary be niely tamin’io firenena io, ka nanomboky tagnatine fahasahiragna izy. 15 Nandeha izy ary nikarama tame raiky tame mponina tao am’ío firenena io, izay nandefa anazy tame toera-pamboleny mba hamaha kosoa. 16 Tahihina mafy gne sakafo foanine kosoa izy, satria tsy nisy olo nagnome enazy n’ino n’ino. 17 Fa raha tonga say ilay Faralah, da nizaka izy hoe: «firy am’gne manompon’iabako no mana hany mihôtry gn’antognony, ary izao gne niafarako, matine mosary! 18 Hapetrako etoa ka hoagny am’iabako ia, ary ia hizaka aminazy hoe: «Abà!, efa nanota tame lahnitry ia ary teo agnatrehanao. 19 Tsy mendriky gne angaiky hoe zanakao koa ia; amboaro akoigne raiky ame mpanomponao ia». 20 Noho iza, nandeha ilay faralah ka mandeha am’iabany. Laha ambola lavitry izy, da hitan’ilay rainy, ary faly sahira, ka nihazakazaky, ary namihy sy nagnoroky enazy. 21 Gne zanany lelah, nizaka hoe: «Abà ! efa nonota tame lagnitry sy tagnatrehanareo ia. Tsy mendriky gne angianao hoe: «zanakao ia». 22 Iabany nizaka tame mpanompony hoe: «indeso malaky rahisiky tsara be aty, ka ampisikino enazy, ary iseo peratry gne tagnany, sy kappa gne tombony. 23 Avy eo, indeso gne zanak’aomby vondraky ka vonoy. Alaska amizay agnano fety! 24 satria e zanako lelah da maty, ary ankehitriny velo koa. Very izy ary ankehitriny da hita koa». Avy eo da nanomboky nikora indreo. 25 Ary gne voaloan-janany da tagny atonda. Laha hoavy ary nianariny gne tragno izy, da naharè mozika sy dihy izy. 26 Nangaiky gne raiky tam’gne mpanompo izy ary nagnontany enazy hoe mety ho ino iza raha za. 27 Gne mpanompo da nizaka taminazy hoe: «tafaverigny andragno ao gne rahalahanao ka novonoin’iabanao gn’anak’aomby vondraky, satria avy soa aman-tsara izy. 28 Vignitry gne voaloan-jaza, ary tsy nety niditry, da nijotso iabany, ary nengavy enazy. 29 Kanefa namaly gne voalohan-jaza hoe: «Hiteo, efa taona maro gne nanompoako enao, ary mbola tsy nandika gne lalagnanao ia, ary enao tsy mbola nagnome ndre da zanak’osy nindesiko nikora tamin’ireo namako aza, 30 kanefa rehefa avy gne zanakao lelah, izay nampizara gne fanagnanao tame mpivaro-tegna, da novonoinao ho anazy gne zanak’aomby nafahy». 31 Hoy iabany taminazy se: «Anaky, enao gne miray amina matetiky, ary gne rahako aby da anao. 32 Kanefa rariny ho antsika gne mikora sy mifaly, satria io rahalahanao io da efa maty, ary ankehitriny da velo koa; very izy, ary ankehitriny da hita koa»».