Toko faha 13

1 Tamin’izà andro zà, nisy olo sasany teo nizaka taminazy gne momba gne Galiliana izay gne ràndreo gne nafangaron’i Pilato tame sorogny manoka. 2 Namaly i Jesosy ary nizaka tamindreo hoe: «Izy mesa kô, enareo da mieritreritry fa io Galiliana io da mpanota mihôtry gne Galiliana hafa aby satria nijaly akoizà? 3 Diso, ià gne mizaka anareo. Fa raha tsy mibebaky enareo, enareo aby da ho faty akoiza aby. 4 Na gn’olo valo ambin’ny folo tao Siloama izay nilatsahane tilikambo ka niafara tame fahafatesandreo, da mieritreritry mesa enareo fa tena mpanota ratsy mihôtry gne lelah hafa tao Jerosalema io? 5 Diso, hoy ià se, fa laha tsy mibebaky enareo, da enareo aby evakoa gne ho faty aby». 6 I Jesosy da nandray ohatry hoe: « nisy olo nana hazon’aviavy raiky nambolena tame tany fambole gne voalobokiny ary avy izy ary nizaha voankazo teo aminazy nefa tsy nahita n’ino n’ino. 7 Iza lelah za da nizaka tame mpagnano zariday hoe: «Eka, avy tetoa ià nandritry gne telo taona ary niezaky nitadia isiny tamin’ity hazo aviavy ty nefa da tsy nahita. Tapay agny io. Ino gnambola agnapetraha an’io eo, manimba tany evao? ». 8 Namaly gne mpagnano zariday ka nizaka hoe: «Apetray eo evaky izy am’ity taona ty mandra-pediako gne magnodidy enazy sy hagniseko zeziky eo aminazy. 9 Laha mamoa izy ame taona magnaraky, da tsara; fa laha tsy iza, da Tapaha izy! »». 10 Ary i Jesosy nampianatry tao ame raiky tame Synagoga nandritry gne Sabata. 11 Igny, nisy viavy raiky izay nana gne fagna ratsine fahaleme nandritrine valo amin’ny folo taona, ary izy da niforotry ary tsy nahafaky nitsanga tsara. 12 Laha nahita anazy i Jesosy da nangaiky enazy ary nizaka hoe: «e raviavy, afaky ame fahalemenao enao». 13 Napetrakiny taminazy gne tagnany, ary nindray tamizay da niarigny izà viavy za ary nisaotry gn’Andriamanitry. 14 Kanefa gne mpanapaky gne Synagoga da vignitry laha nahita gne fagnasitragna namboarin’i Jesosy tame Sabata. Noho izà da namaly gne mpanapaky ary nizaka tame vahôky hoe: «misy enin’andro izay ambola tokony esà. Mevisa ka mahazoa fahasalama, kanefa tsame gn’andro Sabata». 15 Gne Tompo namaly enazy ary nizaka hoe: «enareo mpetsaravelatsy! Izy mesa kô tsy samby mamaha gne boriky na gn’aombiny ao ame valany enareo ka minday gne hisotro rano ame Sabata? 16 Ary akoiza koa ity zanaky vavin’i Abrahama ty, izay voafatotre satana nandritry gne valo ambin’ny folo taona, tsy tokony ba ho vaha gne fatorany ame gn’andro sabata? ». 17 Ary laha nizaka aníza raha za aby izy, da megnatry aby gne nanohitry Enazy, fa gne vahôky aby da faly datò vokatre raha malaza namboariny. 18 Ary i Jesosy da nizaka hoe: «akoignaia gne fanjakan’Andriamanitry, ary akoignaia gn’afaky agnoharako enzà? » 19 izà da akoigne voatsinampy izay nalay sady nafafine lelah raiky teo ame jaridainy, ka lasa hazo zakabe raiky ary gne vorone lagnitry da nagnano gne tragnony tame sampany». 20 Ambola nizaka avakoa izy hoe: «ino gn’afaky apitovisako gne fanjakan’Andriamanitry? 21 iza da akoigne masirasira izay nalaine viavy raiky ka nafangarony tame koba in-telone kapoky mandrapapivavatry enazy agnatine koba aby». 22 I Jesosy da nandeha nitety gne tanà sy gne vohitry tsikiraikiraiky tame làla ho agny Jerosalema ary nampianatry endreo. 23 Nisy raiky nizaka taminazy hoe: «Tompo, kidy me gn’olo ho vonje? » ary hoy izy tamindreo se: 24 «media gne hiditry ame varangara pitsa enareo, satria, iaho mizaka aminareo, maro gne ta-hiditry, fa tsy afaky gne hiditry. 25 Laha mitsanga gne tompon-tragno ary magnidy gne varangara, da hitsanga eo ambadiky eo enareo ka hipaipaiky gne varangara ary hizaka hoe: «Tompo, Tompo, apidiro iahay». Izy hamaly ka hizaka aminareo hoe: «tsy fatako enareo na gne fevisanareo». 26 Ary hizaka enareo hoe: «nihina sy nisotro takatrefanao teo iahay, ary enao efa nampianatry enay tandàla». 27 Fa izy da hamaly hoe: «mizaka aminareo ià, tsy fatako gne fevianareo. Melà aminah etoa, enareo mpagnano ratsy!» 28 Hisy fitomangia sy fahararizane nify laha vao mahita en’i Abrahama, Isaka, i Jakoba sy gne mpaminany aby ao ame fanjakan’Andriamanitry enareo, kanefa voarohaky agny ivelany enareo. 29 Indreo da ho avy latatsignana, latakandrefa, latavaratry, ary latatsimo ka hidoboky eo ame latabatry gne fanjakan’Andriamanitry. 30 Fantaro izao, gne mevan-danja gne ho voalohany, ary gne mavesan-danja gne ho farany». 31 Tafara kidikidin’izà, da nisy Fariseo sasany avy ary nizaka taminazy hoe: «mandiana elay malaky gnetoa satria i Heroda da ta hamono enao». 32 I Jesosy nizaka hoe: «mandiana ary zakay izà amboahaolo zàhoe: «igny ià mandroky demonia sy magnano fagnasitragna androany sy omaray, ary ame gn’andro fahatelo da ho tratriko gne tanjogniko». 33 N’ino n’ino mitranga, zava-dehibe aminah gne manohy enio androany, omaray, ary ame gn’andro magnaraky, satria tsy azo eke gne famonoa gne mpaminany lavitry en’i Jerosalema. 34 «enareo Jerosalema, enareo Jerosalema, izay mamono gne mpaminany sy mitora-bato endreo izay niraha taminareo tagny. Impiry ià gne nagniry gne handagnogne zanakareo ako gne akoho vavy mandagno gne zanany ambanin’elatriny, kanefa tsy magniry enzà enareo. 35 Igny nelà gne tragnonareo. Ià da miroho aminareo, tsy ho itanareo ià mandra-pizakanareo hoe: «sambatry izay avy am’gn’agnaran’ny Tompo»».