Toko faha 12

1 Tamin’izà, raha naira-nifandagno gne vahôky an’arivo maro, maro lotry ka nifagnitsakitro indreo, voalohany indrindra da nanomboky nizaka tame mpianatriny Izy hoe:»tandremo gne maniratsira gne Fariseo, izay fetsarambelatsihy. 2 Fa tsy misy tako tsy hiboda, ary tsy misy afiny tsy ho fantatry. 3 ka n’ino n’ino nozakainareo tao ame mizy da ho rè ao ame fahazava, ary izay nozakainareo tame sofy tagnaty efitragno da hambara egny an-tafon-tragno. 4 Mizaka aminareo Iaho namako, ka matahatry enareo izay mamono gnay, ary afaran’izà da tsy misy n’ino n’ino azony any etsana. 5 Fa hampitandry enareo Ià gne amin’izay hatahora. Matahora izay manam-pahefa hagnary agny ame helo. Eka, mizaka aminareo ià, matahora Anazy. 6 Tsy avidy farantsa kely roa me gne tsintsina dimy? Kanefa tsy misy raiky amin’iregny izay hadigno eo agnatrehan’Andriamanitry. 7 Fa gne vilon-dohanareo aza da va-isa avakoa. Aza matahotra. Fa manan-danja mihôtry nohon’gne tsintsina maro enareo. 8 Hoy ià aminareo, izay rehetra magneky Enah eo agnatrehan’olo, gne zanak’Olo avakoa da hagneky enazy eo agnatrehan’ireo anjelin’Andriamanitry, 9 fa izay mandà Enah eo agnatrehan’olo da ho lavy eo agnatrehan’ireo anjelin’Andriamanitry. 10 izay rehetra mizaka manohitry gne zanak’Olo, da hapetraky amin’izà, fa izay rehetra mizaka ratsy manohitry gne fagna masina avakoa, da tsy ho voavela izà. 11 Laha mitondra anareo eo agnatrehane synagoga, ireo mpanapaky, sy ireo manam-pahefana. Da ka magnaha gne amin’izà ho fomba fizakandreo ho fiarovan-tegnanareo, na izay ho zakainareo, 12 satria gne fagna masina gne hampianatry enareo izay tokony ho zakainareo am’zà lera zà. » 13 Avy eo nisy olo raiky avy tame vahôky nizaka taminazy hoe: «Ry mpampianatry, zakay gne rahalahako mba hizara gne lova aminah». 14 Jesosy nizaka taminazy hoe: «Ralehilah, ia gne nagnano enah ho mpitsara na mpagnelagnela anareo? » 15 Hoy izy tamindreo hoe: «mitandrema mba hiarova gnainareo lavitry gne fagnirian-dratsyaby, satria gne fiainan’olo raiky da tsy miaky ame fitobaky gne fanagnany. » 16 Avy eo Jesosy nagnano fagnoara raiky tamindreo, nagnano hoe: «Nahavokatry be gne tanine lehilah raiky mpanakarena, 17 ary nagnontany tegna izy, nizaka hoe: «ino gn’aniko, fa tsy mana toera hitahiriza gne vokatry ià? » 18 hoy izy hoe: «izao gn’aniko. Handrava gne tragnamboko ià da hananga zakabe ambonimboniny, ary ao gne hanoriako gne variko sy gne vokatry hafa. 19 da hizaka ame fagnako ià hoe: «Ry fagna, enao da mana vokatry maro voatahiry ho ame tao maro. mijanogna tsara, mihinàna, mindranoma, mifalia»». 20 fa Andriamanitry nizaka taminazy hoe: «Ralehilah mola, androany hariva gne fagnahanao gne halay aminao, ka gne raha nomagninao, ho an’ia sa? 21 Akoiza gn’olo mandagno haria ho ane gnainy ary tsy manan-karia magnoloa gn’Andriamanitry». 22 Jesosy nizaka tame mpianatriny hoe: «Noho izà da zakaiko aminareo, ka magna gne am’gnainareo, izay ho haninareo, nag ne momba gnainareo izay hisikinareo. 23 Fa gnay da mihôtry noho gne hany, ary gne vata da mihôtry noho gne fitafia. 24 Fataro gne goaika, tsy mba mamafy na mihila indreo. Tsy mana tragnambo na tragno fitahiriza indreo, kanefa omen’Andriamanitry hany indreo. Akoignaia gne fihoaranareo lanja mihôtry noho gne vorogny! 25 Ia aminareo gne afaky magnampy ndre kidynandro iaignany am’gne fagnahia? 26 ka laha izà raha kidy indrindra zà gne tsy ainareo hany, nagnino anareo gne misalasala gname sisa? 27 Fantaro gne fagniriane vonin-kazo, tsy miasa na mamoly indreo. Kanefa zakaiko aminareo, na Solomona tame voninahitriny aby tsy mba nisiky ako gne raiky tamindreo. 28 Raha napisikinin’Andriamanitry mitovy am’zà gn’ahatry an-tany, izay eo androany, na gnomaray da aria agnaty fata, akoignaia gn’apitafiany anareo mihôtry lavitry noho izà, enareo kidy finoa! 29 ka mitady izay ho haninareo sy izay ho sotroinareo, ary ka misalasala. 30 Fa gne firenena aby eto amin’izao tontolo izao da mitady an’io raha io, sady fantatr’Iabanareo fa mitadia an’io anareo. 31 Fa tadiavo gne fanjakany, da home ho fagnampiny ho anareo io raha io. 32 Ka matahatry, ry ondry kidy, satria gne Rainareo da tena faly gne hagnome anareo gne fanjaka. 33 Avidio gne fanagnanareo ary omeo gne sahira. Magnanova boatin-drakitry ho ane gnainareo izay tsy mety ho tonta, haria agny andagnitry izay tsy mety ho lany, izay tsy misy mpangalatry magnakeky, ary tsy misy kalalao mamilavila. 34 Fa agny amin’izay hitoerane harenareo, da ho agny avakoa gne fonareo. 35 Aoka gne akanjo lavanareo hasitrikareo gne valahanareo, ary gne jironareo hirehitry lalandava. 36 Ary magnanova ako ireo olo izay mandigny gne tompony hipody avy agny ame lanognam-pampakaram-bady, mba raha avy izy ka mandondogny, da ho afaky hanokatry gne varangara ho anazy avy hatragny indreo. 37 sambatry gne mpanompo, izay hitane tompony fa niamby raha avy izy. Zakaiko marina aminareo, fa hisiky gne lamba lavany ame valahany izy, ary hampipetraky andreo an-databatry, ka ho avy izy ary hanompo andreo. 38 Raha ho avy gne lera faharoy am’gn’arivan’ny Tompo, na am’gnandro fahatelo aza, ka mahita andreo vonona, da ho sambatry io mpanompo io. 39 Ho fagnapin’izà da fantaro izao, fa raha fantatry gne tompon-tragno gne lera hevisane mpongalatry, da tsy nagnapetraky gne tragnony ho vaky izy. 40 Mivignona avakoa, fa tsy fantatrareo gne lera hevisane Zanak’olo». 41 Petera nizaka hoe: «Tompo ô! Aminay evao me gne izakanao en’izà fagnohara zà, sa am’olo aby evakoa? ». 42 Ny Tompo nizaka hoe: «ia gne mpitantara matoky sady hendry izay ho tendrene tompony ho ambonine mpanompony hafa mba hagnome andreo gne anjara hanindreo ame fotoa mety? 43 sambatry izà mpanompo zà, izay hitan’gne tompony magnano izà laha avy izy. 44 Zakaiko marina aminareo fa ho tendreny hanapaky gne fanagnany aby izy. 45 Fa laha mizaka am-pony izà mpanompo izà hoe: «Nahemotry gne tompoko gne fevisany, ka manomboky mamono gne mpanompo lelah sy viavy, ary mihina sy misotro, ka mamo dato. 46 gne tompon’izà mpanompo izà da ho avy am’gn’andro tsy ampoizy, ary am’gne lera tsy fantatry, ary hanapatapaky enazy ka hagnoma toera ho anazy sy gne tsy mahatoky. 47 izà mpanompo zà, nahafatatry gne sitrapone tompony, kanefa tsy nihoma na nagnano araky gne sitrapony, da ho fihy am’gn’angira maro. 48 Fa gne tsy nahafatatry ary gne nagnano gne raha ahazaoa fiky evakoa, da ho fihy am’gn’agnira kidy. Fa gn’olo izay nome maro, da ho maro koa gne ho taky aminazy, ary gne nagnakigna be, da ho be lavitry gne ho angataha aminazy. 49 Avy ià hanoraky afo egny ambony tany, ary akoignaia gne fagniriako mba hapirehitry enzà malaky. 50 Fa mana fagnamboara batisa mba hagnanova batisa enah, ary akoignaia gne fahoriako mandra-pahatanterak’izà! 51 Izy mesa ko, mihevitry enareo fa avy ià mba hinday fiadagna eto ambony tany? Diso, mizaka aminareo ià, fa fisaraha. 52 Manomboky amizao da hisy dimy ao ame tragno raiky izay hisarasaraky- olo telo manohitry gne roy, ary olo roy manohitry gne telo. 53 Hisarasaraky indreo, Iabany hanohitry gn’anaky lahy, ary gn’anaky lahy hanohitry en’iabany; iendriny hanohitry gnanaky vavy ary gn’anaky vavy hanohitry en’iendriny; gne rafozam-bavy hanohitry gne vinanto vavy, ary gne vinanto vavy hanohitry gne rafozam-bavy». 54 Nizaka tam’gne vahôky koa i Jesosy hoe: «Laha mahita mika miforo akandrefa enareo, da hoy enareo se: «hisy rikandro ho avy», ary da misy izà. 55 Rehefa misy gne rivotry latatsimo, da hoy enareo se: «hisy hafana be ho avy», ary misy izà. 56 Enareo mpetsara velatsihy, hainareo gne mandika gne toetoetrine tany sy gne lagnitry, fa akoignaia gne tsy ahafantaranareo mamantatry gn’andro amzao fotoa zao? 57 Nagnino enareo gne tsy mitsara gne marigny ho ane gnainareo? 58 fa laha mindray ame mpanohitry enareo eo agnatrehane mpitsara ambony enareo, egny an-dàla da miezaha handamy gn’olagny miaraky aminazy mba tsy handianany handrirotry enareo eo ame mpitsara, ary mba tsy hanolorane mpitsara anareo agny ame mpifehy, ary mba tsy hapandianane mpifehy anareo agny am-poza. 59 Hoy ià aminareo, tsy ho tafavoky ao mihitsy enareo mandra-pandohavanareo gne vola farany izay madiniky indrindra.»