HEBREO Toko faha 12

1 Noho izany, voadidy vavolombelo maro be mitovy ame mika,da andea isika agnapetraky e vesatry agnaby sy gne fotoa maro manodidy entsika. Andeha isika hihazakazaky am-paharetana e fihazakazaha izay napetraky teo alohantsika. 2 Andeha isika hitandrina amin'i Jesosy, e mpampiatomboky sy mpagnantanteraky gne finoa. Fa nonon' gne hafalia izay napetraky teo agnatreany, da niaritry e hazofijalia Izy, tsy niraharaha gne hegnatr'izany, ary nipetraky teo an-tagna an-kavanan'e seza volamenan'Andrimanitra. 3 Noho izany eritrereto e momba Azy,gne raiky niaritry fanohera mitovy izany avy tamindreo mpanota hanohitry e tegnany, mba tsy ho valaky ao am-ponareo enareo ka ilefotry. 4 Tsy mbola nanohitry enareo na nikinia hanohitry e fahota hatramin' e fahalatsahan-drà, 5 ary adignonareo gne fampahereza izay nampianary enareo mitovy ame zanaky hoe; "Ry zanako lahy, ka magnameva e dinan' i Tompo, na mihavalaky raha ahitsiny enareo." 6 Fa e Tompo magnafay agnaby izay tiany, ary Izy magnasazy gne zanaky tsiraikiraiky izay resiny. 7 Mereta fijalia akoie dina. Andrimanitra d minday enareo akoie zanaky. Fa zanaky ino gne teo ka tsy nofoizin' e rainy? 8 Fa raha tsy mana dina enareo, izay anagnan' gnolo agnaby, da zazasary enereo fa tsy zanany. 9 Ary koa,nana gne ray ara-nofo akoie mpagnafay isika, ary nagnaja endreo isika. Tsy tokony hagneky kokoa e Rain'gne fagnahy me isika ary ho velo? 10 Fa ery gnagnilany, gne raintsika nagnafay antsika nandrity gn'andro tsy maro araky gne marigne tamindreo. 11 Nefa eo agnilany, andrimanitra nagnano enizany ho an' zay tsara ho antsika mba hafahantsika mana anjara ame fahamasignany. Tsy misy famaiza miboda ho mahafinaritry, fa mangotsikotsiky aza. Kanefa izany tsy ho ela da mamokatry e vokatry feno fiadagnan'e fahamarigna ho andreo izay nazariny tamizany. 12 Noho izany hitahy gne tagnanareo izay miraviravy sy gne pokopoko malemy. 13 Magnambora lala maihitsy ho an' gne tombokareo, mba izay malemy da tsy hipitsoky fa ho salama aza. 14 Magniagna fiadagna miaraky amè gn'olo agnaby, ary e fahamasigna evakoa izay tsy hahitania na is gne Tompo Raha tsy miaraky amizany. 15 Mitandrema mba tsy hisy na is na is tsy hana gne fahasoavan'Andriamanitra, ary tsy hisy vahatriny faharatsia mitombo hiteraky korota, mba tsy ho maro gne lasa voaloto amizany. 16 Mitandrema mba tsy hisy fijangajanga na olo tsy an'Andriamanitra mitovy am'i Esao, izay nivarotra gne fizokiany ho an'ny sakafo raiky. 17 Fa enareo mahafantatry fa raha afaky izany, raha nagniry gne handoava gne fitahia izy, da nandana, satria tsy nahita iraky amè fibebaha izy, ndre da nitadia izany tamin-dranomaso. 18 Fa enereo tsy avy teo amè vohitry izay tsy azo kasihy, vohitry gn'afo magnoro, hamizigna, fahamaizigna, ary rivotry. 19 Enareo da tsy teo amè trompetra magneno mafy, na teo amè feo izay mizaka gne zaka izay e mpiteno anizany da nangataka mba tsy hisy zaka hafa ha zakay amindreo. 20 Fa indreo tsy afaky niaritry izay nodidia hoe;" ndrè gne biby mikasiky e vohitry koa, da tsy maintsy ho toraham-bato izany." [ fagnamaria: É dika-zaka sasany taloha da mivaky akoizao: "" ndrè da biby raiky mikasiky gnebvohitry koa, da tsy maintsy ho toraha-bato izany na ho vony amèzana-tsipiky.""] 21 Fa mampataotry lotry gne fahità izay nozakain' i Mosesy hoe:" Mangorohoro iaho ary mangitakitaky. 22 Fa enareo, da avy teo amè vohitry Ziona ary teo amè tanànan'Andriamanitra velo, gne Jerosalema agny an-dagnitry, ary teo amindreo anjely agn'align'aliny tamè fankalaza. 23 Enareo da avy teo amè gnantokon'olon' e volohan-teraky, izay vosoratry agnara agny an-dagnitry. Enao da avy teo amin'Andrimanitra, gne Mpitsara gn'olo agnaby, ary teo amindreo fagnahin-dreo olon' gne fahamarigna izay namboary tsara. 24 Enareo da avy teo amin'i Jesosy, gne mpanalalagna e fagnekè vaovao, ary teo amè rà latsaky izay tsara mihotry noho gne ràn'i Abela. 25 Ôka enareo tsy handà gne raiky izay mizaka. Fa raha tsy nilefa indreo tamindreo nanà gne raiky izay nampitandrina endreo tetoa an-tany, da kidikidy gne hilefantsika raha magnadidy am'gne raiky izay mampitandrina antsika avy agny an-dagnitry. 26 Tamè fotoa raiky, gne feony nagnongozo e zaka. Fa amizao Izy nampagnategna sy nizaka hoe: " Mbola hagnozongozo evakoa mandehana tsy gne tany avao iaho, fa gne lagnitry evakoa." 27 Gne zaka, "Indray mandeha koa" , da midika gne famindara gne rahà izay afaky hozongozogny, mba hipetraky gne rahà izay tsy azo hozongozogny. 28 Noho izany, satria mandray fanjaka izay tsy azo hozongozogny, da ôka ho mpagneky isika ary amizany fomba zany da hidera an'Andriamanitra am-pagnaja zakabe sy amin-taotry. 29 Fa gn'Andrimanitra da afo mandevo.