Toko 1

1 Paoly, apostily_ tsy apostoly avy ame gn'olo na avy gn'alalagn'olo, fa avy amin'i Jesosy Kristy sy Andremanitra ray, izay nanangagny anazy tame maty_ 2 Ary ireo rahalahiny rehetra miarako amiko, ho ane Fiangonan'ny Galatiana: 3 Fahasoavagne ho aminareo ary fihadanagny avy am'Andremanitry Raitsikasy Jesosy Kristy Tompo, 4 Izay manolotry gne tegnany ho anec fahotantsika mba hagnafany antsika amizao andro faratsia zao, araky gne sitrapon'Andremanitry sy gne Raintsika, 5 ho Azy ane gne voninaitry mandrakizay doria. Amena 6 Gaga iaho hoe niala malaky tam'ilay nangaiky enareo tame fasohavagn'i Kristy enare. Gaga iaho fa mitodiky ho ame filanzatsara hafa anareo. 7 Tsy midika zany fa mbola misy filanzatsara hafa koa,fa misy olo maromaro mitondra fikorontagnagny ho anareo ary te hagnova gne filanzatsaran'i kristy. 8 Fa na izahay na gnanjely avy an-dagnitra aza gnitory filanzantsara hafa aminareo noho izay nitorinay taminareo, da apetray izy ho vohozogny. 9 Araky izay nambaray taloha, da ankehitriny aho magnambara indraiky hoe: "Raha misy olo magnamb ara aminareo filanzatsara hafa ame noraisinareo, da aoka ho vohozogny. " 10 Moa ve izaho ankehitriny mitady gne fakantoavagn'olo sa Andremanitry ? Moa ve iha mitady izay ampifaly gn'olo ? Ra mbola miezaky mampifaly gn'olo iha da tsy ho mpamompo' I Kristy 11 Fa tiko ho fantatrareo, ry rahalahy, fa gne filanzantsara izay nambarako da tsy filanzatsara gn'olomblona. 12 Tsy nandray anizany tame gn'olo aho, na nampenariny ahy izany. Fa kosa, izany gne fagnambar'i Jesosy Kristy tamiko. 13 Fa anareo narehy gne fihainako taloha tame fomba fivavahana Jiosy, sy gne fomba nagnejehako gne fengonan'Andremanitra mihotry tokiny ho izy ary gne fihezako nandrava izany. 14 Nandroso tame fivavaha Jiosy iha nihoty tame maro mitovy taogny tamina,avy tame raiky firenegny tamiko.Akohozany gne itazomako gne fomban-drazako. 15 fa Andremanitra, nametraky anaha tame trokin-endriko, ary nangahiky ahy tame alalan'e fahasohavagny, 16 rehefa faly gnampiseo gne Zanany lahy tamiko, mba hafako magnambara azy ame Jentilisa, da tsy naka saigny ame nofo sy gne ra sanaky aho. 17 Tsy nandeha tagny Jerosalema ho agny am'ireo efa lasa Apostoly taloha iha. Fa kosa, nandehaha tagny Arabia da avaeo nipody tagny Damaskosy aho. 18 Ary telo tao tafara da niakatry tany Jerosalema mba hifankahita tame Kefasy aho ary nijano niaraky taminy nandritry gne dimy ambini'ny folo andro. 19 Fa tsy nisy hitako ireo Apostly ankotrany an'i Jakoba, gne rahalaiko Tompo. 20 Ary am'izay nosoratako ho anareo, magnome toky anareo aho eo angnatrehan'Andremanitra, fa tsy mavandy aho. 21 Avy teo aho da nandeha tame faritr'i Syria sy Kilikia. 22 Tsy mbola fantatry tam"e fengonagn'i Jodia izay ao am'i Kristy aho. 23 Henondreo fotsiny gne vozaka hoe: "Gne lelahy nagnenjiky antsika taloha ankehitriny da nagnambara gne finoha novilavilany taloha" . 24 Noho izany izy ireo da nidera an'Andremanitra noho gn'amiko.