Toko faha 9

1 Fa i Saoly kosa da mbola nagnano zaka mampangorohoro sady zaka mampibiby hamono gne mpianatry Tompo, nandehanany tagny tagny amè mpisoronabe 2 ka nagnotaniany gne taratasin'gne synagoga tao Damaskosy, ka raha mahita olo na ia na ia eo amè lala hombàny izy, avy da hoentiny ho gadrainy agny Jerosalema indreo. 3 Raha mbola tegny an-dalagny izy, efa marìny gne faritry Damaskosy, nisy hazavà namirapiratry nagnodidy anazy avy agny akaboa amè lagnitry; 4 nikoropapafiky tamè tany izy sady naharè feo nizaka hoe: "Saoly, Saoly, nagnino anao magnenjiky anà?" 5 Fa i Saoly kosa namaly hoe: "Ia Anao me, Tompo?" Hoy ny Tompo: "Iaho gne Jesosy izay enjehinao, 6 mitsangàna teo anao da midira amzay tanà andefasako anao ary ho ambarako anao gn'asa izay tsy maintsy amboarinao raha avy ao anao." 7 Fa gne lehilahy niaraky nandeha tomboky tamin'i Saoly kosa da nidàgnaky sady kaperatry tsy nahazàka, naharè gne feo kanefa tsy nahita olo ndre raiky. 8 Nitsanga tokôtry i Saoly, rehefa nabalakiny gne masony, tsy nahita ndre ino ndre ino; ka gn'olo namany niaraky taminazy gne nitantagny gne tagnany ka noentindreo hoagny Damaskosy izy. 9 Jamba nandritry gne telo andro izy, sady tsy nihina gne tsy nisotro. 10 Ary nisy mpianatra tao Damaskosy hangian'olo amè agnara hoe Ananiasy. Nizaka taminazy tamè fahità gne Tompo: "Ananiasy!" Hoy izy: "Akôry, ity iaho." 11 Nizaka taminazy Tompo hoe: "Mitsangàna eo anao, mandehàna amin'gne lala atao hoe Imahitsy ary raha avy ao andragnon'i Jodasy, da mangataha amin'izay lelahy atao hoe Saoly zay, avy agny Tarsosy izy, fa mivavaky izy. 12 Efa nahita tamè fahità tamin'i Ananiasy izy ary hametra tagna eo aminazy ka mety ahita koa izy. 13 Fa namaly i Ananiasy hoe: "Tompo, efa rèko tamin'olo maro gne momba io olo io indrindra fa gne momba gne ratsy namboariny tamin'gn'olo masina tao Jerosalema. 14 Nana fahefà tamè lohan'gne mpisorona izy nahafahany nisambotra gn'olo nangaiky gn'agnaranao tetoa." 15 Fa namaly gne Tompo taminazy hoe: "Mandehana fa izy gne ataoko fitaova izay efa nofidiko, izy gn'hinday gn'agnarako eo akatrefan'gne tsy mpino sy gne lonaky amè mpanjaka ary indrindra gne taranak'Israely; 16 fa ambarako ho hitan'gne masony gne fijaliany noho gn'agnarako 17 Da lasa tokôtry i Ananiasy ary da nitsòky tan-dragno. Nametra tagna teo ambonin'gne lohany izy ka nizaka hoe: "Aminao rahalahy Saoly, i Tompo Jesosy izay nibôky taminao tan-dàla taminao nandeha taty igny gne nandefa anà aminao taty mba tsy ho jamba koa gne masonao ary da ho feno Fanahy Masina anao." 18 Tselatsela da nisy raha niala tamè mason'i Saoly, raha mitovy amè sisim-bily, da nahita tokôtry izy avy teo, lasa izy nitsanga ka nanindreo batisa; 19 ary avy eo nisakafo izy ka voky, da natajaky. Raha vita izany da niara-nidoboky tamè mpianatry nandritra gn'andro maro tao Damaskosy izy. 20 Avy da nagnely an'i Jesosy tao amè Synagoga i Saoly, tsy nisalasala gne nizaka fa Izy gne zanak'Andriamanitra. 21 Gn'olo naharè gne toriteniny da nangakàky aby ary nizaka hoe: "Tsy ity olo ity gne namono gn'olo tao Jerosalema izay nizaka gn'agnaran'i Jesosy? Da avy tetoa izy nangala andreo ho fihezy agny amè mpisorombe." 22 Kanefa, lasa nahery fò i Saoly ary nampahery gne Jiosy nipetraky tao Damaskosy ka noporofoiny fa i Jesosy da mbola i Kristy koa. 23 Andro maromaro taty afara, nagnano paikady hamono anazy gne Jiosy. 24 Kanefa da efa fantatry i Saoly gne fikan-dreo. Ary indreo da niamby gne vavahady isan'andro mba hamonoa azy. 25 Fa gne mpianatriny kosa nangala anazy raha mbola hariva gn'andro, navelandreo hidigny amè rindry izy ary nazoboky tagnaty haro. 26 Rehefa avy tao Jerosalema izy, nagnôtry nagnato gne mpianatry i Saoly, kanefa nataotry gne mpianatry ary tsy nino fa mpianatry koa izy. 27 Tamin'izay, nalain'i Barnabasy izy ka nentiny teo amin'gn'Apostôly, ary hoy izy tamindreo, akôry gne nahitan'i Saoly gne Tompo tan-dàla tegny sy gne nizakàn'i Tompo taminazy, ary akôry gne nitorian'i Saoly tamè fahasaia tamin'gne agnaran'i Jesosy tao Damaskosy. 28 Nifagnato tamindreo izy rehefa niditra sy nivoaky an'i Jerosalema. Nizaka tamim-pahasaia tamin'gne agnaran'i Jesosy izy 29 ary niaraky niady hevitry tamindreo Jiosy Grika; nefa da mbola nana valavo atroky indreo ka mbola hamono anazy. 30 Rehefe fantatr'ireo rahalahiny izany, nindesindreo nidigny tagny Kaisaria izy ary nalefany ho agny Tarsosy. 31 Ary gne fiangona magnodidy an'i Jodia rehetra ary i Samaria da nahazo fiadàna ary nitsanga aby; nandeha tamin'gne tahotra gne Tompo sy tamin'gne fampaherezan'gne Fanahy Masina ka nitombo isa gne fiangona. 32 Ary da nisy datò izany, raha nandeha nitety gne faritry maro i Petera, da lasa nidigny tagny amin'ireo mpino nipetraky tao amè tanàn'i Lyda koa izy. 33 Nahita olo atao hoe Enea tao izy, izay narary tam-pandria nandritry gne valo tao satria nalemy gne vatany. 34 I Petera kosa nizàka taminazy hoe: "Enea, mitsabo anao i Jesosy Kristy. Mitsangàna ary haorogno gne fandrianao," ary niaraky tamin'izay da nitsanga izy. 35 Fa gn'olo nipetraky tao Lyda sy tao Sarona da nahita ity lehilahy ity ka nitodiky tamin'i Tompo indreo. 36 Ary nisy mpianatry raiky atao hoe Tabita tao Jopa, izay hangiandreo hoe "Dorkasy." Nagnano asa soa maro io viavy io ary nagnano fangnampia maro sy asa fiantrà ho an'gne sahira. 37 Tamin'izany andro izany da narary izy ary maty; rehefa nampoandro anazy indreo da napetrakin-dreo tamè efitragno ambony izy. 38 Satria efa nanakeky an'i Lyda i Jopa, ary naharè gne mpianatra fa tao i Petera, da nandefa olo roy tagny aminazy indreo ary niangavy anazy: "Mba mevia rô aminay agny ka mangatak'andro." 39 Niaraky tam' zay, nitsanga i Petera ary nandeha nindray tamindreo. Raha avy tagny, niditry tamè efitry ambony indreo, ary gn'olo tsy manambady sy maty vady aby da nitsanga teo agnilany teo sady nitomagny, nagnambara anazy gne lamba nisikininy gne Dorkasy taminazy mbola velo. 40 Nampandehanin'i Petera niala gne efi-tragno indreo, nandohaliky ary nivavaky izy; avy eo, nitodiky tamè faty izy nizaka hoe: "Tabita, Mitsangàna." Nosokafany gne masony avy eo, ary nahita an'i Petera izy da nitrôtry. 41 Avy teo, natolotry Petera anazy gne tagnany sady nampitsanga anazy izy; ary rehefa avy nangaiky gne mpino sy gne olo tsy manambady izy, da nambarany tamindreo fa velo izy. 42 Nalaza sady niely magnodidy an'i Jopa izany fahagagà zany, ka olo maro be lasa nino ny Tompo. 43 Tamin'izay i Petera da nipetraky nandritry gn'andro maromaro niaraky tamin'ity lelahy atao hoe Simona ity tao Jopa, izay mpandoko hoditra.