Toko faha 15

1 Gne olo sasany moa da nidigny avy tagny Jodia ho agny Antiokia ka nampianatry gne rahalahiny tao sady nizaka hoe: "Raha tsy voafora mitovy amè fomban'i Mosesy anareo da tsy ho vôvonjy lahateo." 2 Kaiky, ity resaky ity, lasa akàny sady ady hevitry be teo amason'gne vahôka ho an'i Paoly sy Barnabasy. Noho izany i Paoly sy i Barnabasy da voatendry niaraky tamè sasany tamindreo hiakatry ho agny Jerosalema mba hifagnatriky amè mpianatry sy gne Apostôly ary gne loholo tagny mikasiky io resaky io. 3 Lasa nalefan'gne fengona indreo, da namakivaky an'i Foinika sy Samaria ary nagnambara gne fiovam-pòn'gne Jentilisa. Nitondra haravoa zakabe indreo tam'gne rahalahindreo aby. 4 Raha avy tao Jerosalema indreo da nampandrosoin'gne fengona sy gne Apostôly ary gne loholo ka nitatitry gne zavatry rehetra vitan'Andriamanitry tamindreo. 5 Fa gn'olo sasany nino tao amè terak'i Fariseo koa sa, da nitsanga sady nizaka hoe: "Tsara raha foràha indreo sady mitandrigny gne lalàn'i Mosesy." 6 Noho izany gn'Apostôly sy gne loholo da niara-nivory mba handiniky izay zava-misy zay. 7 Tafara'io kabaro be io, nitsanga i Petera sady nizaka tamindreo hoe: "E, rahalahy, efa hainareo fa efa taloha be tagny gn'Andriamanitry gne nagnambara gne safidiny taminareo, mba amè alalan'gne vavako da tokony aharè gne filazatsara gne Jentilisa ary tokony hino. 8 Fa gn'Andriamanitry mahay gne fo sady vava velon'dreo gne nagnome gne Fanahy Masy andreo mitovy amè naniny tamitsika; 9 ary tsy nagnavakavaky tamitsika sy tamindreo izy fa kosa da nagnadio gne fo'ndreo tamè finoa. 10 Noho izany sa, nagnino anareo gne mitsapatsapa gn'Andriamanitry amè hametrahanareo gne eta-mavesatry eo amè vozon'gne mpianatry kanefa gne razambetsika ndre da isika aza tsy nahavy an'izany? 11 Kanefa sa, mino isika fa ho vôvonjy signitry noho gne fahasohavan'i Tompo Jesosy mitovy amindreo koa." 12 Nangigny da gigny gn'olo nandritry gne tatitry Paoly sy Barnabasy mikasiky gne famantara sy gne fahagagà nambaran'Andriamanitry tamè Jentilisa tam' gn'alalandreo. 13 Raha vatany nizano niresaky indreo, io fa namaly i Jakôba hoe: "E Rahalahy, tenomo iaho. 14 I Simeona aza k'efa nagnambara gne fomba nagnampian' Andriamanitry tamim-pahasoava vôlohany gne Jentilisa mba hangala amindreo gn'olo hitondra gn'agnerany. 15 Gne zakan' gne mpaminany taloha da mikasiky an'izany araky gne vôsoratry hoe: 16 " Afaran'gne raha aby da mbola hipody iaho sady hananga gne tragnon'i Davida fangnidroiny zay efa tringa; hagnabôtry sady haveriko amè tena izy io fahatringàny io iaho, 17 amzay mitadia gne Tompo gn'olo sisa tavela, indrindra gne Jentilisa zay hangia ame agnarako. 18 Fa hoy gne Tompo, gn'olo nagnano an'io raha io da efa fantatry tamè razambe taloha. (Fagnamaria: gne dikateny taloha da mivaky mizaka hoe: "Ity gne nambaran'i Tompo, aminareo da efa fantatry tamè andro taloha gne asa rehetra.) 19 Noho izany, raha gne hevitriko, da tsy tokony hagnakorota gne Jentilisa efa nitodika amin' Andriamanitry itsika. 20 Fa itsika koa sa da hanoratry amindreo fa tsy maintsy miala amè fahotà sy gne fanompoa aody indreo, amè tsivadivady ratsy ary indrindra tsy hihina gne nofon'gne biby tsy notapaha loha sy tsy latsaky rà. 21 Satria i Mosesy da efa vôlaza isa-tanà taloha sady novakigny teo amè Synagoga isaky gne Sabata." 22 Tsara tam'gn'Apostôly sy gne loholo niaraky amè fengona rehetra gne hifidy an'i Joda izay hangia hoe Barnabasy, sy i Silasy izay mpitariky fengona koa, sady andefa andreo agny Antiokia miaraky am' i Paoly sy Barnabasy. 23 Indreo da nanoratry an'ity zaka ity: "Atram'gne Apostôly sy gne loholo, gne rahalainareo, hatram'gne rahalahy avy amè Jentily any Antiokia, Syria ary Kilikia: da arabaigny aby! 24 Itsika koa da efa naharè fa gn'olo sasany da efa niala atsika, tsisy baiko avy amitsika izany, sady nagneligely anareo tamè fampenara izay nampikorota gne fagnahinareo. 25 Ity gne tene izy, Iahay toa aby da efa nifidy sady nagneky an'itoa lehilahy toa handeha agny aminareo hiaraky am'i Barnabasy sy i Paoly namanay, 26 sady lehilahy mahafoy gne ainy ho an'i Jesosy Kristy Tompotsika io. 27 Noho izany izahay dia maniraka an'i Joda sy i Silasy, izay hilaza aminareo io zavatra io ihany amin'ny tenin'izy ireo manokana. 28 Fa toa tsara amin'ny Fanahy Masina sy aminay, ny tsy hampitondra anareo entana lehibe noho ireo zavatra tena ilaina ireo: 29 mba hialanareo amin'ireo zavatra nataonareo ho fanatitra amin'ireo sampy, rà, ireo zavatra voakenda, ary avy amin'ny fahavetavetana. Raha mitandrina ny tenanareo amin'izany ianareo, dia ho tsara aminareo izany. Veloma." 30 Noho izany indreo raha lasa, avy da nidigny tagny Antiokia; namory gne vahôka indreo sady nagnome gne taratasy. 31 Raha vôvaky gne taratasy da nifaly indreo vokatry gne zaka fankahereza ren-dreo. 32 I Joda sy Silasy, sady mpaminany evakoa, nankahery gne rahalainy tao tamè resaky maro. 33 Raha nipetraky elaela tao indreo da nalefa nipody am-piadagna agny amin'reo rahalainy nagniraky andreo. 34 [Fagnamaria: gne dikateny taloha be tagny da mangala gne andininy faha 34 (hiteo gne Asa 15: 40): "Kanefa da mbola nagniry hijano teo i Silasy."] 35 Fa i Paoly sy Barnabasy koa sa, da nijano tagny Antiokia niaraky tam'gn'olo maro hafa koa, izay olo nampenarindreo sady nitoriandreo gne zakan'i Tompo. 36 Afaky andro vitsivitsy taty afara, nizaka tam'i Barnabasy i Paoly hoe: "Andaho isika hipody sady hamangy gne rahalahitsika agny amè tanà rehetra agny izay nitoriatsika taloha sady hagnety asa nagnano akôry indreo." 37 Fa i Barnabasy da ta-hitondra an'i Jaona, na i Marka gne fangia anazy koa, hiaraky amindreo. 38 Kanefa i Paoly nahita fa tsy da tsara gne mbola hitondraha an'i Marka noho izy niala andreo tagny Pamfylia sady tsy nanohy niara-nitory tamindreo niasa tagny. 39 Tamin'izany, da lasa nekàny mafy izy roy lahy ka nisara-dia, i Barnabasy nitondra an' i Marka niaraky taminazy nandeha sambo handeha agny Kyprosy. 40 Fa i Paoly koa sa da nifidy an'i Silasy sady nadeha tafaran'gne nagnomezan'gne rahalahiny anazy gne adidy sy gne fahasoavan'i Tompo. 41 Avy teo indreo da lasa namakivaky an'i Syria sy i Kilikia ka nampitrôtry sy nampatanjaky gne fengona tao.