Toko faha 13

1 Raha teo amè fengona tao Antiokia, nisy mpaminany sy mpampianatry maro. Io da i Barnabasy, i Simona (hangia hoe Nigera), Losio avy agny Kyrena, Menahema (igny rahalahy izay nindray tamin'i Heroda mpanjaka igny), ary i Saoly. 2 Raha mbola nidera an'i Tompo sy tsy nihina indreo, nisy Fagnany Masy izaka hoe: "Atokano ho anà i Barnabasy sy i Saoly mba hagnano gn'asa nangiako endreo". 3 Tafaran'gne nifadiandreo hany sy gne nivavahany sady nametrahandreo tagna tam'reo lehilahy 'reo da lasa nalefa indreo. 4 Da nagneky gne Fagnany Masy i Barnabasy sy i Saoly ka nandeha nidigny nandeha agny Seleokia; avy tagny indreo da nipitiky amè sambo nandeha ho agny amè nosin'ny Kyprosy. 5 Raha tao amè tanàn'i Salamisy indreo da nitory gne zakan'Andriamanitra tam'reo synagogan'reo Jiosy. Sady teo koa i Jaona Marka nagnampy andreo. 6 Raha namakivaky gne nosy mandeha agny Pafo indreo da nahita mpagnano aody, mpaminany Jiosy sandoka io lehilahy io ary gne agnarany da i Barjesosy. 7 Mpagnano aody niara-niasa tam'gne governôra Sergio Paolo izy, sady lehilahy hikohiza gne fahaizany. Nosamborin'io lehilahy io i Barnabasy sy i Saoly satria te aharè gne tenin'Andriamanitra izy. 8 Fa i Elyma "mpagnano aody mahery" (gne nandikà gn'agnarany) gne nanohitry endreo; sady niezaky gne handresy lahatry gne governôra niala amè finoany izy. 9 I Saoly fantatry amè agnara hoe Paoly da feno gne Fagnahy Masy ary nandiniky enazy tsara. 10 Sady nizàka hoe: "E 'ty zanaky gne Devoly 'ty, anao da feno fitaky isakarazany sy gne faharatsia rehetra. Fahavalon' gne raha marigny rehetra anao. Tsy hijano gne hitariky gne lala-mahitsin'i Tompo anao, sa tsy izay? 11 Fa am'zao andro zao sa, gne tagnàn'i Tompo homba anao sady ho jamba anao ary da tsy ahita gne masoandro eky. Tselatsela teo da hitoa gne raha mazavozavo nilatsaky aminy i Elima sy gne fahamizigna; nanomboky nivengivengy sady nangata- tàgna tamin'gn'olo izy mba hitata gne tagnany ho agny amè tanà. 12 Raha vatany nahita gne raha niseho gne governôra, avy da nino tokôtry satria kaperatry izy tamè fampenara mikasiky gne Tompo. 13 Fa i Paoly sy gne namany koa sa da lasa nipitiky amè sambo avy agny Pafo ho agny Perga agny Pamfylia agny. I Jaona koa sa da lasa niala andreo ka nipody agny Jerosalema. 14 Lasa i Paoly sy gne namany zay avy agny Perga ka nandeha ho agny Antiokian'i Pisidia. Raha avy teo da lasa koa nadeha agny amè synagoga tamè andro Sabata indreo sady nidobòky tagny. 15 Tafaran'gne famakia gne bokin' gne lalàna sy gne mpaminany, nadefa afatry tagny amindreo gne mpitariky gne synagoga nizàka hoe: "E ralahy, raha mana zaka sy afatry fampahereza ho an' gn'olo etoa anareo, avy da zakay amindreo izany." 16 Nitsanga i Paoly ka nagnano fihetsiky tamè tagnany sady nizàka hoe: "E, anareo olon'ny Israely sy anareo magnome voninahitry an'Andriamanitra etoa, mitenoma anareo. 17 Gn'Andriamanitry gn'olon'ny Israely da nitory gne raintsika sady nampitombo isa gn'olo raha nipetraky tao amè tanin'ny Egypta, sady tamè fanandrata gne sandriny gne nitaritany anazy nijotso tao. 18 Sady nandritry gne efapolo taona teo gne nandeferany andreo tagny amè tany efitry. (Fagnamaria: gne dika-teny taloha da mivaly hoe: "Nandritry gne efapolo tao tagny amè tany efitra da nitahy andreo izy.") 19 Raha avy nandrava firenena fito tagny Kanana izy da nomeny gne vahôkatsika gne tamindreo mba ho lovatsika. 20 Izany raha niseho zany da efa tamè faha dimanpolo sy efa-jato taogny tagny. Tafaran'izany, Andriamanitra da nagnome mpitsara andreo mandram-pahavin'i Samoela mpaminany. 21 Avy teo nangataky mpanjaka gn'olo, ka nomen' Andriamanitra andreo i Saoly zanaky lahin'i Kisy avy amè fokon'i Benjamina mba ho mpanjaka nandritry gne efapolo taogny. 22 Avy teo Andriamanitry nangala anazy tamè fanjakany ka nanandratry an'i Davida mba ho mpanjakandreo. Fa izany gne nambaran' Andriamanitry mikasiky an'i Davida hoe: "Efa nahita an'i Davida zanak'i Jese Iaho mba ho olon'gne fòko sady hagnano izay tiako ampaboary anazy. 23 Fa avy amè taranak'io lelahy io gne nitondran' Andriamanitra mpagnavotra ho an'Israely, da i Jesosy izany araky gne efa nampitavandrainy andreo. 24 Nanomboky niseho tsikidikidy 'zany talohan'gne nahatongavan'i Jesosy, ary i Jaona nangnambara vôlohany tamè vahôkan'Israely marobe mikasiky gne batisa fibebaha. 25 Satria i Jaona da efa nahavita gne asany, hoy izy: "Ia gne fieritreretanareo anà me? Tsy mbola ihao gne tena izy. Tenomo tsara, hisy raiky ho avy afarako sady gne kapa amè tombokiny da tsy mendriky enà gne hanataky enazy. 26 E, aminareo rahalahy, gne zaza avy amè taranak'i Abrahama sady midera an'Andriamanitry eo aminareo sady ho atsika gne nandefasany izany afatry mikasiky gne famonjè zagny. 27 Fa indreo midobòky agny Jerosalema sy gne mpitondra andreo da mihono avao gnamè fisian'zany, ka tanterakindreo gne vôzàkan'gne mpaminany zay tatatatay isaky gne sabata gnamè famonoa anazy. 28 Ndre da tsy mahita antony tsara hamonoa anazy aza indreo da nangataky tam'i Pilaty avao mba hamonoa anazy. 29 Raha vitandreo gne raha voasoratry mikasiky izany da nahidigny ndreo tambonin'gne hazo Izy sady nalevindreo tamè kobory. 30 Fa gne Andriamanitry nampitrôtry anazy tamè maty. 31 Hitan'gne olo niaraky mandeha taminazy niakatry tagny Galilia Izy handea ho agny Jerosalema nanditry gne andro maromaro. Sady amizao andro zao, io olo io gne vava velo ho an'gne olo afa koa. 32 Noho izany sa, izay nizàka aminareo gne filazantsara izay nampitavandrain'Andriamanitry tam'i Abatsika, sady efa tanteraky ho atsika, 33 zanandreo io tamè nanangàna an'i Jesosy. Arak'zany, efa vôsoratry amè salamo faharoy hoe: "Zanako tokôtry anao, androhany evao da Iabanao aho.' 34 Gn'antony nanangàna anazy tamè maty sa mba tsy aha-lò mandrakizay gne vatany sady gn'Andriamanitry efa nizàka hoe: "Homeko anareo gne fitahia marigny sy azo antoky nampitavandrain'i Davida." 35 Da mbola izany gne nahatonga anazy nizàka tao amè salamo hoe: "Tsy avelako gne Masigny ahitanao gne lò." 36 Satria raha nangnatanteraky gne fagnirian'Andriamanitry ho anè taranakiny i Davida da nifongàky agny azotory sady napatorihy niaraky tam'i Abany ka gne hainy da tratrin'gne fahafatesa. 37 Fa izay natsangan'Andriamanitry da tsy ho tratrin'gne faharavà koa. 38 Tsara izany ho hainareo rahalahy, fa tamè alalan'io lelahy io gne nagnambarà taminareo gne famelà gne fahotà. 39 Noho gne olo tsiraikiraiky mino da vôporofo amè raha rehetra izay mety tsy ho vôporofon'io lalànan'i Mosesy io. 40 Da mitandrema mafy mba tsahazo anareo gne raha nozakainy gne mpaminany hoe: 41 "Anareo mpagnano tsinotsino olo io sa, da ho gaga anareo sady ho ritry. Iaho gne agnano gn'asa amè andronareo, asa izay tsy ninoanareo mitsy ndre da nisy olo nagnambarà an'izany taminareo taloha." 42 Raha lasa i Barnabasy sy Paoly, da nengavy endreo gn'olo mba hitoriandreo io zaka io amè sabata magnaraky. 43 Raha tapitry gne fivoria tao amè synagoga da maro tamè Jiosy sy gne Proselita mahery fò gne nagnaraky an'i Paoly sy Barnabasy, izay nikoraha tamin'izy roy lahy sady namporisiky endreo mba hanohy ao amè fahasoavan'Andriamanitry. 44 Raha avy gne Sabata nagnaraky da hipiky gne tanà niaraky nivavaky mba hiteno gne zakan'i Tompo. 45 Raha nahita gne vahôka maro gne Jiosy da feno felogna indreo sady nizàka nanohitry gne nambaran'i Paoly sady nagneso anazy. 46 Nizàka tsisy tahatry i Paoly sy Barnabasy hoe: "Tsara ho vôzàka meloha aminareo gne zakan' Andriamanitry. Fa raha mandà anizany anareo sady mihevitry gne hainareo ho tsy magneva gne fiaina mandrakizay da aleonay mipody agny amè Jentilisa. 47 Araky gne efa nibekohan'i Tompo anay hoe: "Napetrako anareo ho jiro hagnazava gne Jentilisa, izany gne tokony hitsitsignanareo famonjè ho an'gn'olo agny amzao tontolo zao agny. 48 Raha vatany rèn'gne Jentilisa izany da doboky afalia sady nidera gne zakan'i Tompo indreo. Sady maro gne vôtendry ho amè finoa sy gne fiaina mandrakizay gne nino. 49 Ary niely eraky gne tany gne zakan'gne Zagnahary. 50 Fa gne Jiosy koa da nandrisiky andreo viavy mafana fò sady mana gne maha izy enazy sy gne lelahy mpitariky tao amè tanà. Lasa fagnenjeha an'i Paoly sy Barnabasy izany ary nandrôky indreo hiala agny amè sisin-tany teo amè tanà. 51 Fa i Paoly sy Barnabasy nagnitsa gne bò tamè kapandreo mba hanoera anizany. Avy teo indreo da lasa nandeha agny amè tanàn'i Ikonioma. 52 Gne mpianatry tamizay da diboky afalia sady feno fanahy Masigny.