Toko faha 11

1 Gne Apostôly sy gne rahalahy zay tagny Jodia naharè fa gne Jentilisa da nandray gne zakan'Andriamanitra. 2 Raha niakatry tagny Jerosalema i Petera, da nokiagnin' gn'olo tao amè tokon'olo voafora izy; 3 da hoy indreo hoe: "Anao koa me nikamba tamè lehilahy tsy nitapaky sady niaraky nisotroky tamindreo!" 4 Fa i Petera nanomboky nagnazava gne raha niseho tamindreo; hoy izy hoe: 5 "Efa nivavaky tagny amè tanàn'i Jopa aho ary nahita fahità mikasiky gne vata nilatsaky avy an-dagnitry mitovy amè lamba zakabe, zay nijotso amè zorony efatry. Nilatsaky teo aminà izany. 6 Nagnety gne lagnitry iaho tam'zany sady da nandiniky gne mikasiky an'zany. Hitako gne biby mana tomboky efatry, gne biby agn'ala, gne biby mandady sy gne voro amè lagnitry. 7 Avy teo aho da naharè feo nizaka taminà hoe: "Mitsangàna anao Petera; mamonoha sady mihinàna." 8 Da hoy iaho tam'zay hoe: "Tsy magneky iaho Tompo; mbola tsisy raha tsy masigny sady maloto niditry tam'ty vavako 'ty." 9 Da mbola namaly avao igny feo igny hoe: "Gne nozakain'Andriamanitra fa madio da ka atao hoe maloto." 10 Da mbola niseho fagnitelony izany feo 'zany, ary lasa niverigny an-dagnitry aby gne raha nidigny teo aby. 11 Tapoky teo, nisy olo telo lahy nitsanga teo amè nisy anà; olo avy tagny Kaisaria nandeha aminà aty indreo. 12 Gne Fagnahy da nibeko anà hindray amindreo ary da tsy tokotry hisy olo tsy ho tiàko gn'amindreo. Io lehilahy enina io da nadeha nindray taminà sady nitsòky t'andragnony iahay. 13 Sady nizaka taminay fa nahita anjely nitsanga tan-dragnony ary nizaka hoe: "Magniràha anao lehilahy agny Jopa ka hindeso mipody aty i Simona zay hangian'olo hoe Petera. 14 Hizaka afatry raiky aminao izy, izay afatry ahavôvonjy anao sy gne havanao aby." 15 Raha vao nizaka tamindreo aho, avy da nilatsaky tamindreo gne Fanahy Masy, mitovy amè nidignany taminay tagny amè vôlohany. 16 Tadidiko tam'zay gne zakan'i Tompo sy gne nizakàny anay hoe: "I Jaona da nagnano batisa tamè rano tokôtry; fa anareo koa da mila hanigny batisa amè Fanahy Masy." 17 Raha gn'Andriamanitry gne nagnome andreo fagnomeza mitovy amè nomeny atsika tam'tsika nino gne Tompo Jesosy Kristy, ia koa sa gne afaky hanohitry gn 'Andriamanitra? 18 Raha rèndreo izany tsy nisy navaly na ino na ino indreo afa tsy gne nidera an' Andriamanitry sady nizaka hoe: "Fa gn'Andriamanitra da nagnomè fibebaha amè fiaina ho an'gne Jentilisa koa." 19 Gn'olo napilefasy vokatry gne fangnenjeha nanomboky tamè fahafatesan'i Stefana da niparitaky tagny Foinika, tagny Kyprosy sy Antiokia; fa indreo da nagnambara gne afatry mikasiky an'i Jesosy tam'gne Jiosy raiky avao. 20 Fa gne sasany tamindreo, avy tagny Kyprosy sy Kyrena, da lasa tagny Antiokia nagnely tamè Grika sady nizaka tamindreo gne filazatsara mikasiky an'i Jesosy Kristy Tompo. 21 Gne tagnan'i Tompo da niaraky tamindreo isan'andro ary da olo marobe gne nino sady nitodiky tam'Tompo. 22 Gne vaovao mahakasiky andreo da avy apoto- sofin'gne fengona tao Jerosalema, sady indreo koa nagniraky an'i Barnabasy handeha agny Antiokia. 23 Raha avy tagny izy da nahita gne fagnomezan' Andriamanitra sady gne sady falifaly; sady nampahery andreo mba hifikitry miaraky am'Tompo amè fò rehetra. 24 Satria izy da hita fa lehilahy feno Fagnahy Masy sy finoa sady olo maro gne lasa nagnaradia an'i Tompo. 25 Da lasa nandeha tagny Tarsosy i Barnabasy hitadia an'i Saoly. 26 Raha hitany izy da nindesiny tagny Antiokia. Ary da nandritry gne tao-raiky indreo da niara nivavaky tao amè fengona sady nampianatry gn' olo maro. Io mpianatry io gne nitondra gne agnara Kristiana vôlohany tao Antiokia. 27 Sady tam'zany andro zany da nisy mpaminany maromaro nidigny avy tagny Jerosalema nandeha agny Antiokia. 28 Agnisany gne nindray tamindreo i Agabo gn'agnarany; nitsànga izy ary nahazo honofy tamè Fanahy fa hisy mosary zakabe ho avy eran'zao tontolo 'zao. Da avy tokôtry izany tam'gn'andron'i Klaodio. 29 Noho izany, gne mpianatry araky gne fahafahan' gne tsikiraikiraiky da nanapa-kevitry fa hagnomè sady handefa fagnampia ho an'gne rahalahiny mipetraky agny Jodia. 30 Namboarindreo izany sady nandefa vola ho an'gne loholo tagny tamè tanàn'i Barnabasy sy Saoly.