Toko faha 10

1 Ary nisy lehilahy raiky tao amè tanàn' i kaisaria atao hoe Kornelio, kapiteny miaramila Italiana. 2 Lehilahy mpivavaky, manompo gne zagnahary miaraky amè fianakaviany; nizara gne vola be matetiky tamè sahira izy, ary da nivavaky datò tamin'Andriamanitra. 3 Tokony tamè sivy ora mandraigny teo ho eo, nahita raha namirapiratry nazava tamè fahità gn' anjelin' gn'Andriamanitra nagnato anazy izy. Hoy ity anjely taminazy hoe: "Ry Kornelio!" 4 Kornelio nagnety gn' anjely sady nivadifò ka nizaka hoe: "Akôry, ino ity tompoko?" Da hoy ity anjely namaly hoe: "Gne vavakinao sy gne fangnampia naninao tamè sahira da lasa fagnomeza sady soro agny amè Zagnahary. 5 Magniràha anao lehilahy raiky andeha agny amè tanàn' i Jopa mba hangala izay olo atao hoe Simona, izay fantatrin'gnolo amè agnara hoe Petera. 6 Midobòky miaraky amin'i Simona mpandoko hoditry izy, izay egny amoron-dranomasy gne tragnony. 7 Raha lasa nikòdifitry igny gn'anjely nikoraha taminazy da nangaiky gne roy tamè mpiasany an-dragno i Kornelio sady miaramila mpivavaky be tamè mpiasany. 8 Nozakain'i Kornelio tamindreo gne raha nisy tagny ary nalefany handeha agny Jopa indreo. 9 Omarain'igny tokony tamè enina nandraigny teo, raha mbola tegny an-dàla indreo ka efa marìny gne tanà, fa i Petera kosa niakatry ambony tafotragno nivavaky. 10 Nanomboky mosarè izy ka nitadia sakafo, kanefa gn'olo mbola teo am-pandrahoa sakafo, da nahita fahità izy, 11 nahita gne lagnitry nisokatry izy ary nisy vata fagnompia lamba nidigny avy agny ambony agny mitovy amè lamba nidigny tamè tany 'zay ampidìgny amè sisiny efatry. 12 Tagnatin'io gne nahità karaza biby mana tomboky efatry sy biby mandandy ary voro avy an-dagnitry. 13 Nisy feo nizaka taminazy hoe: "Mitsangàna ry Petera, mamonoa ary mihinana." 14 Fa hoy i Petera hoe: "Tsy efako, Tompo; satria mbola tsy nihina raha tsy azo hoany sady maloto aho." 15 Kanefa, nipody fagnidroany taminazy koa igny feo igny hoe: "Gne nosasàn'Andriamanitra da tsy azo hangia hoe fady." 16 Niboda fagnitelony izany feo zany; ary avy eo igny vata igny, nipody niakatra an-dagnitry tselatsela teo 17 Ary raha mbola sahira mandiky gne hevitry gne fahità igny i Petera, da itoa gne lehilahy nalefan'i Kornelio nitsanga tamè vavahady fidira, ary nagnotaniandreo gne lala miditry an-dragno. 18 Da nikoiky indreo ary nagnotany gne misy an'i Simona 'zay hangia hoe Petera, izay nidobòky teo. 19 Raha mbola mieritreritry an'igny fahità igny avao i Petera, da nisy Fanahy nizaka taminazy hoe: "Itoa misy olo telo lahy mitadia anao. Raha adika amè zaka taloha da hoe: "Lehilahy roy gne mitady anao" na "misy lehilahy sasany mitadia anao.) 20 Mitsangàna ary midìgna ka mindresa amindreo. Ka misalasala gne miaraky amindreo satria Iaho gne nagiraky andreo. 21 Da nijotso tokôtry i Petera ka nizaka tamindreo hoe: " Ihao io olo tadiavinareo io. Ino gne antony nandeananareo aty?" 22 Hoy indreo namaly an'i Petera hoe: "Gne miaramila kapiteny atao hoe Kornelio, olo marigny sady midera an'Andriamanitra ary da tsara laza amè firenena Jiosy rehetra 'ty, izay natoron'gn'anjely masin'Andriamanitra mba hangàla anao handeha agny an-dragnony, noho izany afaky miteno gne afatry avy aminao izy." 23 Avy eo nozakain'i Petera indreo mba hitsòky sady hijano miaraky aminazy. Gne omaray mandraign'igny, lasa nitsanga izy nandeha niaraky tamindreo, ary gne sasany taminireo rahalahy avy tagny Jopa da lasa nagnaraky anazy koa. 24 Tamin' gn'andro nagnaraky, niditra tao Kaisaria indreo. I Kornelio kosa niamby andreo ka nangiany niaraky teo gne havany sy gne namany mariny anazy. 25 Ary tamin'izay rehefa nitsoky i Petera da nifankaita tamin'i Kornelio ary nandohalika teo amè tombony mba hidera anazy. 26 Fa i Petera kosa nagnampy anazy sady nizaka hoe: "Mitsangàna! Olo mitovy aminao evakoa iaho." 27 Raha mbola nikoraha niaraky taminazy i Petera da niditry izy sady nahita olo marobe niaraky nivavaky. 28 Hoy izy tamindreo hoe: "Gne tegnanareo da mahalala fa tsy mifagnaraky amè Jiosy gne miara-mihina na mamangy olo avy amè firenena afa. Efa nambaran'Andriamanitra taminà fa tsy azoko ekè gne mangaiky olo fady na olo maloto. 29 Izany gn'antony nahavy anà nandeha tsy nikasokaso raha nirahany iaho. Etoa iaho da magnotany anareo hoe nagnino anareo magniraky ho anà." 30 Da hoy i Kornelio hoe: "Efatry andro alohan'izao lera' zao da nivavaky tan-dragnoko iaho tamè sivy nandraigny teo; nahita iaho lehilahy nitsanga teo ankatrefako nisiky akajo mamirapiratry. 31 Da hoy izy taminà hoe: "E Kornelio, efa rèn'Andriamanitra gne vavakinao, sady gne raha nomenao gne sahira da ahatsarovan'Andriamanitra gne momba anao. 32 Noho izà sa, da magniraha olo anao andeha agny Jopa, da amboaro gne ahavy ao aminao an'igny lehilahy hangia hoe Simona igny na i Petera gn'afataran'olo sasany anazy. Midobòky an-dragnon'i Simona mpandoko hoditry izy izay mipetraky ery amoron-dranomasy ery. '(Fagnamaria: gne fandika zaka taloha da notovàna hoe: "Raha avy izy da hikoraha aminao." 33 Sady tsy mangatak'andro da ho alefako ho anao. Tsara gne fevianao. Amizao lera ikoragnatsika zao koa sa, isika aby avy etoa ankatrefan'Andriamanitry etoa, hiangavia mba gne zaka nambaran'i Tompo taminareo gne ambaray." (Fagnamaria: "Raha gne tokony ho izy: "gne nozakain'i Tompo avao gne zakay" fa gne dika-teny taloha da mizaka koa hoe: "gne nozakain' Andriamanitra gne rohono.") 34 Avy teo da nosokafan'i Petera gne vavany ary nizaka izy hoe: "Da marigny datò, fantatro fa Andriamanitry da tsy magnavaky na ia na ia. 35 Kanefa sa, ndre da agny amè firenè hafa agny, na ia na ia midera sy magnano asa marigny da ekèny agnaby. 36 Fantatrinareo gn'afatry 'zay nalefany ho an'gne Israely raha avy nagnambara gne filazatsara mikasiky gne fiadàna tamè alalan'i Jesosy Kristy izy, izay Tompon'gne raha aby. 37 Anareo sy gne tegnanareo da mahalala gne raha niseho, izay da hita tokôtry tagny Jodia, nanomboky tagny Galilia tafaran'gne batisa nozakain'i Jaona; 38 tao koa gne raha niseho mikasiky an'i Jesosy avy agny Nazareta, gne fomba nagnosoran'Andriamanitra anazy tamè Fanahy Masy sy tamè hery tsy hita maso. Nandeha nagnano gne tsara izy sady nagnasitragny gn'olo tratrin'gne devoly satria da hita fa i Andriamanitra da niaraky taminazy. 39 Fa isika koa sa da vava velon'gne raha vitan'i Jesosy aby, na tagny amè tanin'gne Jiosy na tagny Jerosalema. Novonoindreo izy tamè alalan'gne fangnasampigna anazy tamè hazo fizalia, 40 fa gn' Andriamanitra kosa da nagnatsànga anazy tamè andro faha telo ary da naniny gne ahità anazy, 41 tsy gne olo aby fa gne vava velo zay voafidin'Andriamanitra taloha fa indrindra tamitsika nisotroky sady nindrano niaraky taminazy tafaran'gne nitroafany tamè maty. 42 Nibeko anazy izy mba hagnambara amè olo aby sady hijoro vava velo fa izy gne nofidin'Andriamanitra ho mpitsara gne velo sy gne maty. 43 Ho anazy gne hisehoan'gne mpaminany vava velo mba gne mino anazy gne handray famotsora fahotà avy amè agnarany. 44 Raha mbola nizaka an'izany i Petera, da nibotràky tamindreo zay niteno gne afatriny gne Fagnahy Masy. 45 Gn'olo tao agnatin'gne mpino voafora aby da niaraky tam'i Petera sady gaga satria gne fagnomezan'gne Fagnahy Masy da nirotsaky ho an'gne tsy mpino evakoa. 46 Fa rèndreo gne tsy mpino mizaka amè zaka afa sady mankalaza gn'Andriamanitra. Da namaly i Petera hoe: 47 "Misy olo me afaky mitàzo gne rano mba tsy hagnamboara batisa andreo, gn'olo nandray gne Fagnahy Masy mitovy amtsika koa? 48 Da nibeko anazy indreo ho atao batisa amè agnaran'i Jesosy Kristy izy. Nangataky anazy indreo mba hidibòky hiaraky amindreo mandritry gn'andro vitsivitsy.