Toko 1

1 Gne boky nosoratako teo aloha, ry Teofilo, da magnambara gny rehetra izay natombok'i Jesosy sy nampianariny, 2 hatramè andro nampiakarany anazy, avy teo da nibaiko ireo Apostoly izay nofidigny tamè alalan'ny Fanahy Masina Izy. 3 Tafaran'gne nijaliany, da nampiseho gne tenagny velona tamindreo Izy niaraky tamin'ireo porofo mandresy lahatra maro. Niseho tamindreo Izy nandritra gne efapolo andro, ary niresaky momba gne fanjakan'Andriamanitry. 4 Rehefa nifakaita niaraky tamindreo Izy, da nandidy andreo tsy hiala ao Jerosalema, fa handigny gne fampanantenan'gne Ray, momba izà, nolazainy hoe: "Naharè tamiko anareo 5 fa nagnano batisa tamè rano tokôtry i Jaona, fa anareo da tokotry hanigny batisa amè Fanahy Masina ao agnatin'gne andro vitsy." 6 Rehefa tafavory niaraky indreo da nagnontany Anazy indreo hoe: "Tompo, izao gne fotoa hameregnanao gne fanjakagny ho an'Israely?" 7 Hoy Izy tamindreo hoe: "Tsy anareo gne hahafantatry gne fotoa na ireo vanin'andro izay notendren'gne Ray tamè fahefany manokany. 8 Fa rehefa avy kosa gne Fanahy Masina da hahazo hery anareo, ka ho lasa vavolombeloko eran'gne Jerosalema sy Jodia iray manontolo ary Samaria, sy hatrany am-paran-tany." 9 Rehefa nizàka izà zavatry izà i Jesosy Tompo, da niandrandra indreo, nakary Izy, ary gne rahona nanakotry Anazy teo imasondreo. 10 Raha mbola nagnety gne lanitry iny indreo tamè nandehanany, tapoky teo, nisy roy lahy niakanjo fotsy nitsanga teo anilandreo. 11 Nizàka indreo hoe: "Ry lehilahy avy any Galilia, nagnino anareo gne mitsanga etoa magnety gne lanitry? Igny Jesosy nalay taminareo izay nampakary any an-danitry igny, da hipody mitovy amè nahitanareo anazy niakatry any an-danitry teo igny. 12 Avy teo indreo da nipody tany Jerosalema avy tao amè tendrombohitr'Oliva, izay marigny an'i Jerosalema, mitovy amè dian'gne andro Sabata raiky. 13 Rehefa avy indreo, da niakatry tao amè efitry akaboa, izay nidoboandreo. Indreo da i Petera, Jaona, Jakoba, Andrea, Filipo, Tomasy, Bartolomeo, Matio, Jakoba zanak'i Alifeo, Simona Zelota, ary Jodasy zanak'i Jakoba. 14 Nitambatry ho raiky izy rehetra, ary nazoto nivavaky. Anisan'izà ireo vahivavy, Maria endrin'i Jesosy, sy ireo rahalahiny. 15 Tamin'izà andro izà i Petera da nitsanga teo ategnategnan'ireo rahalahiny, eo amin'gne olo 120 eo, ary nizàka hoe: 16 "Ry rahalahy, tena hilaigny gne fahatanterahan'gne Soratra Masina, izay nambaran'gne Fanahy Masina mialoha tamè vavan'i Davida momba an'i Jodasy, izay ninday ireo olo nisambotry an'i Jesosy." 17 Fa anisan'gne raiky amintsika izy ary nahazo gne anjarany tamin'izao fagnompoa izao." 18 (Amisia io lehilahy io da nividy saha tamè vola azony tamè faharatsia izy, ary lavo teo izy, ka nisokatry sy nipôky gne vatany, ary nijoso agnaby gne olikiny. 19 Ireo olo rehetra tao Jerosalema da naharè gne momba izà, ary nangaiky io saha io tamè fizakandreo hoe: "Akeldama", izany hoe: "Sahan-dRà.") 20 Fa efa voasoratry ao amè bokin'gne salamo hoe: "Ka kitikity gne sahany, ary aza apetraky na da olo raiky aza hidoboky ao'; 'Apetrao ho raisin'gne olon-kafa gne andraikigny." 21 Noho izà, da ilainy, gne raiky amindreo lehilahy niaraky tamintsika nandritran'gne fotoa rehetra nidiran'i Jesosy Tompo sy gne nijosohany teto amintsika, 22 hatramin'gne batisan'i Jaona ka hatramin'gne andro niakarany teo amintsika, da tsy maintsy vavolombelony miaraky amintsika amè fitsanganagny." 23 Ary nametraky roy lahy indreo, da i Josefa nangia hoe Barsabasy, na koa anigny hoe Josto, ary Matia. 24 Nivavaky indreo ary nizàka hoe: "Anao, ry Tompo, gne mahalala ireo fon'gne olo rehetra, ka ambaray izay hofidinao amindreo roalahy 25 mba hangala gne toerany ato amin'izao fagnompoa izao sy gne maha Apostoly nohon'gne fandikan-dalàna izay nataon'i Jodasy handeha ho any amè toeragny manokany. 26 Indreo da niloka ho andreo, ary nilatsaky tamin'i Matia gne filokà, ary voaisa ho Apostoly raiky ambin'ny folo izy.