Toko 1

1 Paoly sy Silasy ary Timoty ho an'gne fiangonandreo Tesaloniana ao amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. Ho aminareo an'gne fahasoava sy gne fiadagna. [Fagnamaria: ireo dikan-teny sasany taloha da mivaky hoe:"ho aminareo gne fahasoava sy fiadagna avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo."] 2 Magnomeza fisaoran'Andriamanitra mandrakariva izahay gne aminareo aby, ka mizaka anareo ame vavakinay. 3 Izahay da tsy mizanogny gne mahatsiaro anareo eo agnatrehan'Andriamanitra Raintsika gne asan'gne finoanareo, gne asan'gne fitiavanareo, ary fatokisanareo maharitra ho an'gne ho avy ao amin'i Jesosy Kristy Tompontsika. 4 Ry rahala tian'Andriamanitra, fatanay fa izy da efa nifidy anareo, 5 satria gne filazatsaranay da avy taminareo tsy tamin'gne resaky avao, fa tamè tazaky evakoa,tamin'gne fanahy masina, ary gne fahatokia be. Mitovy amin'izany, anareo evakoa da mahafatatry hoe olo mitovy akoinga izahay teo aminareo noho gne aminareo. 6 Nanjary manaky anay sy gne tompo anareo, tame nandraisanareo gne resaky tame ady sarotry zakabe sy tame fifalia ame fanahy masina. 7 Vokatr'izany, avy ohatra ho an'gne aby izay mino ao Makedonia sy Akaia anareo. 8 Fa avy taminareo gne nagnaboany zakany Tompo, tsy tagny Makedonia sy Akaia evao. Fa , teny ame toera aby no niparitan'gne finoanareo an'Andriamanitra.Vokatr'izany,da tsy mila mizaka na ino na ino itsika. 9 Fa indreo avao gne hizaka izay fandraisa azonay teo aminareo. Indreo da mizaka gne fomba nitodihanareo tam'Andriamanitra ka nisitaka ireo sampy mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina. 10 izy ireo mba da nitatitry fa anareo da mandigny gne zanany avy agny an-dagnitry, izay natsanga tamindreo maty. Jesosy izany, izay magnafaky antsika ame fahaviragna ho avy.