Toko faha 2

1 Raha mandeha aminareo iaho,ry rahalahy, da tsy avy niaraky tamin'ny lahateny na fahendregny raha nagnabara gne misitery momban'Andriamanitra.[ Fagnamarinagny: Gne dikateny hafa da mivaky toy izao hoe:"Ra nagnambara gne fijorohany gne vavolombolona momban'Andriamanitra aho."] 2 Fa gne fanapa-kevitry tsy hahalala na ino na ino iaho rehefa teo aminareo, afa tsy Jesosy Kristy, sy izy vĂ´fantsiky. 3 Ary niaraky taminareo iaho teo amin'ny fahalemegny, sy teo ame tahotry, ary teo ame fangitakitagny zakabe. 4 Ary gne hafatro sy gne fagnambarako da tsy tame zaka fandresen-dahatry gne fahendregny.Fa kosa, ireo da tame fanehoan'ny Fanahy sy hery, 5 mba tsy ho ao ame fahendren'ny gnolombelogny gne finonareo, fa ao ame herin'Andriamanitra. 6 Ankehitriny da miresaky fahendregny amireo matotry isika, fa tsy gne fahendren'izao tontolo izao, na ireo mpanapak'izao vaninandro izao, izay mandalo ihany. 7 Fa kosa, milaza gne fahendren'Andriamanitra ame fahamarinagny miafina isika, ilay fahendregny mifiny izay notendren'Andriamanitra mialoha ireo vaninandro rehetra ho voninahintsika. 8 Tsy nisy taminareo mpanapak'izao andro izao no nahafantatry io fahendrena io, fa raha natakatry izany indreo tamin'izany fotoagny izany, da tsy ho fantsin-dreo ilay Tompon'ny voninahitra. 9 Fa araky izay voasoratry hoe:" gne zavatry izay tsy nisy nahita, tsy nisy gne sofy nandre, tsy nisy eritreritry, ireo zavatry izay nomen'Andriamanitra ho anireo tia azy." 10 Ireo gne zavatry nasechon'Andriamanitra taminay tamin'ny alalan'ny Fagnahy. F a gne Fagnahy da mitady gne zavatry rehetra, na da ireo zavatry lalin'Andriamanitra aza. 11 Fa izane mahafantatry gne fisainan'ny olo iray afa tsy gne fanahin'olo ao aminy? Araka izany koa, tsy misy mahafantatry ireo zavatry lalin'Andriamanitry afa tsy ny Fanahin'Andriamanitra. 12 Fa tsy nandray gne fagnahin'izao tontolo izao isika, fa gne Fanahy izay avy amin'Andriamanitra, mba hafahatsika malala ireo zavatry omeny antsiky maimaimpoana avy amin'Andriamanitra. 13 Mizaka gne momba anireo zavatry ireo ame teny izaytsy fantatry Fahendren'ny olombelogny ampianariny izahay, fa izay ampenariny Fanahy anay. Gne Fanahy no mandika gne teny ara-panahy miaraky ame fahendregny ara-panahy. 14 Gne olo izay ts ara-panahy da tsy mandray ireo zavatry izay ane Fanahin'Andriamanitra, satria fahadalagny aminy ireny. Tsy afa-mahalala an'ireny izy satria famataram-panahy ireny. 15 Izay ara-panahy da mitsara gnr zavatry rehetra, fa tsy iharan'ny fitsaragny hafa izy. 16 "Fa iza no afa-mahalala gne fisainan'ny Tompo, no ho afaka hampianatra Azy?" Fa iahy da managny gne fisainan'i Kristy.