Toko faha 9

1 Niondra laka I voho nihampita ka niavy tao an-tananany. 2 Nisy johary raiky malemy, nandry tamin'gny fandria ka nandesin'olo teo aminy. Lafa Jesosy nahita gny finoan-dreo,nisafa taminy hoe:" Matokisa gnanaky fa voavototry gny helokinao 3 . Teo gny mpanora-dala sasany nisafa hoe:" Misafa raty johary ty. 4 Fa Jesosy nahay gny eritreritriny ka nivolahoe:" Nahoa nareo ro mieritreritry raty am-ponareo? 5 Fa ino moa ro moramora, gny misafa hoe:" voavototry gny helokinao sa gny misafa hoe:" Miondrona ka mandehana! 6 Fa mba ho hainareo fa gnanakin'olo mana fahefa etoy agnabon'gny tany hamatotry gny heloky, ka hoy I tamin'gny malemy:" Miondrogna voho lanjao gny fijalianao ka molia an-tragnonao. 7 Niongaky I ka noly tagny an-tragnony. 8 Niteraky nazovo gny fokonolo vatany nahita an'zay ka nagnome gn'olo gny fahefa. 9 Lafa Jesosy niala teo nifankahita tamin'gny johary raiky atao hoe Matio, nifitaky teo am-pamorian-ketra ka hoy I taminy :" andao magnaraha ahy, sady niongaky Matio voho nagnaraky azy. 10 Lafa Jesosy nifitaky sady nihinan-kany tao antragnon'i Matio, ka nisy mpanota voho mpangoro hetra maro niavy tao koa sady niaraky nifitaky tamin'i Jesosy miaraky amin'gny mpianany. 11 Vatany vo nahita an'zay gny fariseo, nisafa tamin'gny mpianatrin'i Jesosy hoe:" fa nanao akory koa gny mpampianatry nareo ro miaraky mihina amin'gny mpangoro hetra voho gny mpanota?" 12 Vatany vo nahakasa an'izay Jesosy, ka nisafa hoe:" tsy gny salama ro mila mpitsabo fa gny marary. 13 Mandehana sady mianar gny hevitry gny safa hoe:" Famindram-po ro sitrako fa tsy fagnatitry alatsa-dra" fa tsy avy hikaiky gny marina zaho fa gny mpanota. 14 Nandeha tagny amin'i Jesosy gny mpianatrin'i Jaona ka nisafa hoe:" Magnino zahay voho gny fariseo ro mifaly hany matetiky, fa gny mpianatrinao koa tsy mba mifaly? 15 Hoy Jesosy taminy:" Moa va mahay misaona gny longon'gny mpampiakatry laha mbo ao amin'gny mpampiakatry? Fa ho avy gny andro zay hangala gny mpampiakatry hiala aminy, ka amin'zay vo hifaly hany rozy. 16 tsy misy olo magnampy siky momoky amin'gny siky tsy voasasa, fa ndra gny vaovao zay natany aza handrovitry gny akanjo ka voamaiky hiitatry gny tataky. 17 Voho tsy misy koa gny manisy divay vaovao atao agnaty siny angozy fa mamoaky , fa laha zay, ho driatry gny siny angozy ka ho tompa gny divay sady ho simba gny siny angozy. Fa gny siny vaovao ro aian'olo divay vaovao, amn'zay miaraky soa-jary reo roa. 18 Laha mbo nisafa tamindreo I ka io misy mpanapaky raiky nandohaliky teo alohany sady nisafa hoe:" Maty vo betibety io gny anako ampela, fa andao lehy mba mametraha tagna aminy mba ho velo I. 19 Niongaky sady nagnaraky azy Jesosy voho gny mpianany. 20 Nisy ampela raiky zay narary nandeha lio nandritry roambiny folo tao, nagnaraky baka afaran'i Jesosy tao sady nikasiky gny lamban'i Jesosy I. 21 Fa hoy gny agnatiny fony hoe:" Ndre gny akanjony avao aza ro voakasiko fa hajanga ahy. 22 Nitoliky Jesosy sady nahia azy ka nivola hoe:" Matokia gny ganako ampela fa gny finoanao ro mahajanga anao. ka janga niaraky tamin'zay rampela. 23 Lafa Jesosy nilitry tao antragnony mpanapaky ka nahita gny mpitsoky sody voho gny fokonolo nitabataba. 24 Sady nivola hoe:" Miala ato nareo, fa tsy gnanaky ampela io a matory. Neezan'olo I. 25 Lafa niala tao iaby gn'olo ka nilitry amin'zay Jesosy sady nandramby gny tagnan'ampela, ka nifoha I. 26 Gny lazan'zay moa laha niparitaky mbaming'gny tany iaby magnodidy. 27 Lafa Jesosy niala teo, nisy Jiky roa lahy nagnaraky azy sady nikaiky azy hoe:" Mamindra fo aminay gny gnanaky ny Davida o. 28 Lafa i ro nilitra t'antragno ka nagnariniky azy gny jamba sady hoy Jesosy tamindreo:" Mino va nareo fa mahay mahajanga gny masonareo zaho? Hoy reo taminy: Ee, Tompo." 29 ka nokasihiny gny masondreo ka nivola hoe:" Miavia aminareo araky gny finoanareo. 30 Ka nahita tamin'zay gny masondreo, Jesosoy namehitry andreo mare hoe:" Tandremo mba tsy ho hain'olo raha zao. 31 Kanefa vatany niala teo rozy roa lahy, nagnamparitaky gny lazany magnodidy gny tany iaby. 32 Lafa rosoreo, nisy johary moa raiky demoniaka nandesin'olo teo amin'i Jesosy. 33 Lafa tafaboaky gny demoniany ka nahay nivola i sady tseriky gny fokonolo nivola hoe:" mbo tsy nisy ndraiky gny raha manahaky an'zao tamin'gnolon'Israely. 34 Fa hoy koa gny fariseo hoe :" gny lohan'gny demonia ro nandroahan'gny demonia. 35 Jesosy nandeha nitety tany voho gny vohitry. Nampianatry tagny synagoga ka nitory gny filazantsaran'gny fanjaka sy nagnajanga gny arety maro. 36 Vo nahita gny fokon'olo maro I, ka ontra gny fony, nalahelo satria sahala gny nahafoy ondry tsisy mpiamby. 37 Hoy I tamin'gnympianany:"Maro gny vokatry fa gny mpiasa ro kelikely. 38 Ka mangataky amin'gny tompon'gny vokatry mba hampandehaniny mpiasa hamory gny vokatry.